|
Réveillon RSM 2006
.... la Fiesta à
Washington DC !
Fahombiazana tanteraka ny azo ilazana ny Reveillon nokarakarain'ny
RSM Washington DC (Rencontres Sportives Malagasy - Washington DC),
izao natao tao amin’ny “ The Anastasi Room” tao Bethesda, Maryland,
nanomboka tamin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 2 ora maraina, mba ho
fidiram-bola hanomanana ny RSM 2007 izay atao eto Washington DC
ny volana Jolay 2007 ary fahafinaretana feno tokoa no azon’ireo rehetra
izay tonga nanatrika izany lanonana izany.
Maro dia maro ny Malagasy tonga nanatrika izany lanonana famaranana
ny taona 2006 izany. Nahitana ny tera-tany Malagasy miely eto Amerika
Avaratra, hatrany Canada, California, New york, New Jersey,Cleveland, Ohio,
Pennsylvania, Minneapolis, Connecticut, Delaware, Maryland, Washington DC
ka hatrany Floride.
Tao amin’izy ireo ny mpianatra, tera-tany Malagasy
mandrato fianarana amin’ny Oniversite aty Amerika Avaratra ka mba te
hahita fety gasy sy hiaina ny ambiance tena Malagasy ary tsy ambanin'izany
koa ireo vahiny naman'i Madagascar, izay tonga maro be tokoa.
Tanteraka ilay fitenenana hoe zaza vao amam-bolana ka hatramin'ireo
antitra indrindra (70 taona mahery) ny tonga tao.
Tena feno hipoka ny trano,
ary faly sy afa-po daholo na ny mpanasa na ny nasaina. Ny resaka sakafo
aloha dia tena buffet typiquement Malagasy toy ny Ravitoto sy Hena-kisoa,
Voanjobory sy henankisoa, Poulet au Coco, Vorontsiloza sy henankisoa,
henomby ritra, trondro, sy ireo sakafo maro be tsy lany laniana.
Ny lanonana moa dia natao teo ambany fahefan’Andriamatoa Masoivohon’ny
Madagasikara Narisoa Rajaonarivony sy Ramatoa vadiny, ary izy no nanao
ny kabary fanokafana ny lanonana, ary tonga dia narahin'ny afindrafindrao
sy ireo karazana dihy samihafa toy ny salegy, kawitry, kilalaka,
ny valala manjohy, ny dihy milamina ary tsy adinon'ny DJ RSM ny nanome
fahafaham-po ho an'ireo zokiolona sy Ray aman-dreny maro tonga tao
tamin'ny valse sy ny madison, tango, cha cha cha sns.
Naharitra adin’ny
enina ny lanonana ary samy nahazo ny tandrify azy daholo na ny ankizy
madinika, na ny tanora, na ny antitra.
Tamin'ny 11:30 dia nozaraina ny cotillon ary tamin’ny 11:50 no nozaraina
ny champagne isaky ny latabatra. Tamin'ny 12:00 no nanapoaka ny
champagne ny solon-tena isan-databatra, ary narahin’ny hira
“raha hifandao” izany mba ho fanaovam-beloma ny taona 2006.
Nony vita kosa ny “toast” izay notarihin’Andriamatoa Masoivohon’ny
Madagasikara, sy ny fifampiarahabana nataon’ny be sy ny maro,
dia niara-nandihy sy niara-paly indray ireto Malagasy sy ireo tera-tany
vahiny naman’i Madagasikara, niarahaba ny taona ny vaovao 2007
tamin’ilay hiran’i Tiana hoe: “Arahabaina e!” sy ilay hiran’I Jerry Marcoss
hoe: “Fety be” .
Nisy ny fisarihana izay nahazoana loka maro be toy ny taozavatra vita
Malagasy samihafa sy ny La Biere “THB”.
Faly daholo ny rehetra ary hita sy tsapa fa tena nalaina ny hisaraka daholo
saingy “misy farany daholo moa ny zava-drehetra”. Kanefa kosa,
mialohan’ny famaranana ny lanonana dia mbola nihinana vary amin'anana
mafana ny mpanatrika rehetra.
Faly ireo mpikarakara ny lanonana sy ny ekipan'ny RSM Washington DC
amin'ny fifankatiavana sy ny fifanotronan'ireo Malagasy aty Amerika Avaratra
satria tena betsaka ny Malagasy manerana an'i Etazonia sy Canada no
tonga tao. Ary ny irariana dia mbola hitohy hatrany izany fifankatiavan'ny
Malagasy aty Amerika Avaratra izany amin'ny fifaninana RSM 2007
(Rencontre Sportive Malagasy Amerika Avaratra) izay atao eto
Washington DC ny volana Jolay ho avy izao.
[NDLR : Remerciements à Masombahiny.com
pour le reportage]
Lanto Rakotonandrasana - Masombahiny.com - Tous droits réservés
- Reproduction et diffusion, même partielle, interdits © Madanight.com -
Madagascar , Janvier 2007
|