Zazavavy maty tao anaty piscine



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Ven Oct 31, 2003 9:55    Sujet du message: Zazavavy maty tao anaty piscine Répondre en citant

Zazavavy maty tao anaty « piscine »
Handray ny andraikiny ny fanjakana

Hatairana tsy misy ohatra izany ny an’ireo rehetra nilomano tao amin’ny « piscine » iray teto an-drenivohitra omaly. Zazavavy iray mantsy no fantatra fa dobo toa. Izay nahatonga ny loza dia tsy mbola mazava tsara hatramin’izao.

Tokony ho tany amin’ny 3 ora tany no nisy nihorakoraka be fa misy olona iray mitsirara ao ambanin’ny rano. Ny vaovao azo teny amin’ilay toeram-pilomanosana no taterina etoana ary ambara fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny tomponanandraikitra amin’io teorana io. Mifanohitra amin’ny filazan’ny marobe nahatonga antso antariby taty amin’ny gazety nilaza fa tsy nanao na inona na inona io olona mpamonjy voina io.

Raha vantany vao fantany mantsy fa misy olona tsy tafavoaka tao anaty rano dia nitsoboka avy hatrany izy. Tsy nisy niala teny aminy ny fitafiana nanaovany hatramin’ny satroka « casquette ». Tafakany soa aman-tsara teny amin’ny sisiny ilay tovovavy nila vonjy. Teto dia nanamarika ireo rehetra nahita fa nanao izay ho afany tokoa ity mpamony aina ity. Asa kosa anefa aloha na tsy takatry ny fahaizany na ahoana fa tsy maintsy nalefa tany amin’ny hopitaly ilay niharan-doza.

Mbola nisy aina tokoa ilay zazavavy tamin’ny nanavotana azy. Rehefa tonga tany amin’ny trano fitsaboana anefa dia tsy tana ny ainy. Maro ireo resaka re teo akaikin’ny « piscine ». Singanina amin’ireny ny hoe raha vantany vao tafavoaka avy ao anaty rano ilay tovovavy dia nandoa ny sakafo rehetra nohaniny talohan’io fotoana io. Tsy asiana resaka be moa ny amin’iny na dia nomena ny mpanao gazety aza ny antsipiriany rehetra.

Izany no fisehoan-javatra azo taterina etoana araka ny vaovao voaray. Misy amin’ireo ray aman-dreny mitondra ny zanany hilomano ao amin’io toerana io anefa manamafy fa tsy ampy mihitsy ny fanaraha-maso ao an-toerana . Izany no anisan’ny nahatonga ny loza.

Ny vaovao voaray ihany moa no nahalalana fa tsy mpilomano ao amin’io toerana io ity tovovavy ity. Nividy « ticket » izy omaly araka ny filazan’ireo efa mpakao isan’andro. Na izany kosa aza anefa dia tokony ho sahanin’ireo ao an-toerana ny fijerana azy.

Betsaka ireo olona mandefa ny zanany hilomano ao amin’io « piscine » io. Ny resaka nifanaovanay tamin’izy ireny anefa dia toa feno hakiviana avokoa sady milaza fa tsy ampy velively ny fandraisan’andraikitr’ireo tomponandraikitry ny orinasa tamin’ity voina nitranga ity. Tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny zon’ny mpilomano. Nanamarika koa ry zareo fa mihoatra ny tokony ho raisin’ilay dobo filomanaosana ny olona milomano ao. Vao nahare io vaovao io moa ny ministry ny Fizahantany Mahazoasy Roger dia nidina teny an-toerana nijery ny tena fandehan-javatra mba ahazoana mandray fepetra hentitra eo anatrehan’ny loza toa izao
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Publicité






Posté le: Ven Oct 31, 2003 9:55    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
Zazavavy 13 taona novetavetaina écrit le 24/09/2003


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII