Zazavavy 13 taona novetavetaina



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
madagascar
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 30 Juil 2003
Messages: 284
Localisation: Antananarivo

MessagePosté le: Mer Sep 24, 2003 0:42    Sujet du message: Zazavavy 13 taona novetavetaina Répondre en citant

Citation:
Lalina mihitsy ny afitsoky ny lehilahy sasany amin’ity fanolanana zaza tsy ampy taona ity. Teny Ampasamadinika indray no nahita izany zavatra izany. Ankizy vavy 13 taona no novetavetain’ny raikeliny. Avy hatrany dia nilaza tamin’ny reniny ilay ankizy. Asa anefa izay nahazo an-dramatoa io, fa toa saika ho kobokoboniny tany angamba ilay zavatra. Tsy nilaza mivantana tany amin’ny polisy ny fandehan-javatra mantsy izy fa ny fokontany no nanatonany.

Raha nahare ny zavatra moa ry zareo farany ireo, dia nampandre avy hatrany ny tomponandraikitra misahana ny zavatra sahala amin’itony. Tamin’izay vao nampiantsoina ilay reny. Nilazan’ny mpitandro filaminana moa izy tamin’izany fa ny heloka mamoafady sahala amin’izao dia tsy tokony afenimpenina mihitsy, fa raha tsy izany dia voaray ho anisan’ny mpiray tsikombakomba amin’ilay nanao ny heloka izy. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana ka amin’izany no hahafantarana ny tohin’ny raharaha.

Amin’izao vanin’andro iainantsika izao dia toa ohatran’ny ifandrombahan’ny lehilahy sasantsasany ny manao firaisana amin’ny zaza voatavo tsy mifandraka. Tsy aty Madagasikara ihany fa hatrany ampitan’ny ranomasina rehetra any. Tamin’ny vaovao hita teo amin’ny fahitalavitra no nahalalana, ohatra, fa any Angletera dia nivoaka an-gazety ny sarin’ireo lahy antitra antsoina hoe « pédophiles », izany hoe ireo manolana zaza tsy ampy taona. Sazy faran’izay enjana no mahazo azy ireny.

Ny aty amintsika kosa anefa dia indraindray vitan’ny raharaham-pihavanana eny. Tsy heverina kely akory ny hoavin’ilay zaza niharan’ny herisetra. Manamarika azy amin’ny fihainany manontolo anefa ny zavatra sahala amin’izao. Ary dia misy mihitsy no tsy tafarina intsony fa lasa mivarilavo manatevina ny mpivarotena.

Matetika koa rehefa tsy vitan’ny raharaham-pihavanana ny zavatra, dia ilay manao indray no mandrahona ireo niharan’ny herisetra, indrindra any ambanivohitra lavitra ny tomponandraikitra any. Tsy afaka miteny na ny raiamandreny na ny havana fa dia mangina fotsiny any. Dia mahazo vahana ry zalahy ary dia miverimberina ny heloka.

_________________
Madagascar only !
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé
Publicité






Posté le: Mer Sep 24, 2003 0:42    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
Zazavavy maty tao anaty piscine écrit le 31/10/2003


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII