zazakely 5 volana nalevin-dreniny velona



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
madagascar
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 30 Juil 2003
Messages: 284
Localisation: Antananarivo

MessagePosté le: Sam Sep 20, 2003 1:42    Sujet du message: zazakely 5 volana nalevin-dreniny velona Répondre en citant

Citation:
Mahamasina : zazakely 5 volana nalevin-dreniny velona

Efa tena maty eritreritra mihitsy ity ramatoa iray, tratran’ny fokonolona nandevim-belona ny zananany vao 5 volana tao anaty lavaka. Ny alarobia hariva tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro tany ho any teny Mahamasina, no nitrangan’izany.

Vehivavy tokony ho eo amin’ny 35 taona eo ilay ramatoa. Olona salama saina tsara no fijerin’ny fokonolona azy. Efa vitany ny lavaka, izay mifanaraka tsara amin’ny haben’ilay zaza, tsy nisy olona nahamarika mihitsy ny nanaovany anio lavaka io. Nalainy amin’izay avy eo ny zananany, nesoriny ny ankanjon’ilay zaza ary dia nampidiriny sady noteren’ilay reny tsivanona tao anaty lavaka ilay tsy manan-tsiny.

Nitomany ilay zaza, sendra nisy olona nandalo tamin’izay ka nijanona nijery izay zava-niseho avy lavitra . Voamarik’ity mpandalo fa toa mandevim-belona zaza ilay ramatoa, ka lasa izy niantso fokonolona. Nanontanian’ny fokonolona ilay ramatoa ary nolazainy fa mamo hono izy, ka tsy tsaroany izay zavatra nataony. Tsy nanaiky izany ny fokonolona fa netin’izy ireo teny amin’ny Police des Moeurs et Mineurs etsy etsy Tsaralalàna ilay ramatoa tsy matahotody.

Lasa zary fomba entin’ny olona ialàna amin’izay hadalàna ataony indray, ity hoe: tsy mahatsiaro tena ity, ka tsy tsaroana izay fihetsika atao, toy ilay Ministra iray teo amin’ny fitondran’ny 3e Repoblika tapany voalohany izay. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha, ka andrasana izay mety ho tohiny.

_________________
Madagascar only !
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé
Publicité






Posté le: Sam Sep 20, 2003 1:42    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
zazakely edito écrit le 23/12/2005


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII