Hanao défi @tsika hono ny sinoa



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Actualité et Médias
Auteur Message
news2dago
Invité





MessagePosté le: Jeu Jan 10, 2008 10:22    Sujet du message: Hanao défi @tsika hono ny sinoa Répondre en citant

Loza ny asahin’ity sinoa iray ao @ orina’asa afa-kaba izay sahy nilaza ampahibemaso mihitsy oe:”Andao ianareo malagasy rehetra eto ianareo 17 millions mipetraka eto madagasikara tsy misy anjanona na tamingany iray aza alefa mipetraka any sina dia entinareo daholo ny harena rehetra anareo teto izay mety ho fananareo tsy misy avelanareo eto fa entinareo any daholo fa izahay kosa mifindra aty tsy mitondra na inona na inona mankaty fa tsy omenay herintaona ianareo dia resinay”.

tonga saina mihitsy aho naheno an’io resaka io omaly, f’anga moa zany isika malagasy ireto dia tena coco be mihitsy e! eny e! mety ho marina tokoa aloha izay raha ny fijery ny toetrantsika @ zao a! aiza ve ko izay tafasondrotra ny antsika dia sitonina hidina foana zany oe ohatra lasa mifampialona isika! zao tena zany fifanajana izany tsy hita intsony! omeko ohatra fotsiny ianao ra ireny taxibe ireny izao ohatra dia vitsy mihitsy ny resevera manaiky ny karamaintso an’ny be antitra!

manginy fotsiny ohatra resaka heno oe ra sendra mandalo any frantsa enao no mahita malagasy mitovy aminao izao na olom-pantatra aza hono indraindray tena tsy mifampiarahaba intsony fa oe anga “Gasy Vao Tonga”! aiza moa ny olona hafa no tsy ho sahy hiantsy anao oh io aty @ tany nilatsahany ny tavolo nao! za zany mahita oe ilay toe-tsaina mihitsy no mila amboarina fa tena efa mirefarefa laotra e! tsy maniry ny hiakatra ambony isika hifampitsinjo hafanampy hifanome tanàna fa faly mahita ny hafa voa hihomehezana foana zara ary misy fahavoazana hifosaina ny hafa!!

tsy aleo ve ry zalahy mba miova e! ny taranaka ao afara mihitsy anie no ho voa mafy e! zao ohatra dia efa hita oe tsy ho tafita ny zanaka malagasy raha tsy hanambady vazaha! dia tena sanatria mivaron-janaka mihitsy anie mirongatra io eto @ faritra rehetra manerana ny nosy! afaka folo taona zany dia tsy ho metisy daholo ny taraka malagasy eto!

hiverenako kely ilay resaka sinoa teo hanamafisako ny fahaizan’ny olona miray hina! nisy namanay izay nianatra tany @ bekintana dia gaga fotsiny izy mahita ireto kely maso be dia be mameno ny oniversite any amerika! dia niresaka izy nanontany oe ahoana no ataonareo? ny anay hoy izy ny elite hatrany @ kilasy gisitra dia efa tilin’ny fanjakana dia mahazo bourse foana hatrany @ fandefasana azy mianatra aty etazonia ary avy eo kosa tsy maintsy mody any enao raha ny fanjakana no manampy anao! fa ny tena natalanjona ahy hoy izy dia ny mahita ity restaurant anakiray izay feno mpianatra miasa ao kanefa raha ny tena marina tsy mahazo miasa ny mpianatra ao anatiny taona izay tao aorinany nahatongavany any! kanefa dia miasa ao ny akamarony mba mahazo vola kely hanampiana ny vatsy! inona hoy enao no ataony apetrany eo @ fitaratra fidirana @ teny sinoa ny fitadiavana mpisa hiasa ao @ny na ny “offre d’emploi” zany dia izy samy sinoa ihany no mahalala an’io! dia eo izao dia tsy mitovy ilay fomba fisainana ny azy ny teniny hainy foana ny antsika io atao ambanin-javatra foana! hany ka mora @ vahiny no manjanaka antsika ara-tsaina satria matimaty @ ny azy isika! izao ny zanaka malagasy tena vitsy no miresaka @ teny malagasy e! ary tena voninahitra mihitsy ny antsika zany oe tsy mahay teny malagasy izany raha sendra mipetraka ela any ivelany! ny sasany zany moa dia mivoka kely 2 volana dia efa milaza tsy mahatadidy teny malagasy intsony oe! mampalahelo e!

mbola tohiny io tany amerika io ihany no tantaraiko anareo eto fa nisy vietinamiana namako izay satria iray kilasy tamiko izy,mbola kely 3 taona monja izy no niala tany vietinama nifindra nakany belgique ry zareo nandositra ny ady, nisy belza ni-adopter azy nitaiza azy sy nampianatra azy mandrampa lehibeny kanefa dia gaga be mihitsy aho fa miresaka sy mifanoratra @ teny vietinamiana tsara izy sy ny rainy! izany oe tsy very mihitsy izany ny tenin-drazana na aiza na aiza no misy anao!

fehiny, dia anjarantsika tsirairay avy no mandinika ny ho avintsika na isika ho be no basy na isika fasika ho entin’ny rika ny fanantontolona eo!
http://www.news2dago.co.cc/
Revenir en haut de page
Publicité






Posté le: Jeu Jan 10, 2008 10:22    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Razanaka
Invité





MessagePosté le: Lun Avr 21, 2008 0:24    Sujet du message: Répondre en citant

Dia marina moa fa vitandry zareo izany;
Fahiny ny sinoa irery no sahy mankany ambanivolo be any, tsy misy fiara tonga any , fa tena ambanivolo an, any dia manambady izay vehivavy hitany any, izy indray taminy izany mifangaro aminy olona eo antoerana izy, fa ireo ankehitriny no tsy fantatro, ary dia hitantsika fa ireny izy lasa tompony sy mpanao lavanile è cafe è, manana magazay be è , manana zanaka lasa métisse , tsy mampaninona ange na lasa métisse aza è, fa isika eto ampivoantany no marisarisa, be tahotra, miavona, tsy te hifangaro, ny olona antsisintany anefa manketo ampivoany
RAHA MIRAY HINA NY MALAGASY REHETRA dia ho afaka ny fasahiranana, ho NOSY SAMBATRA no misy antsika
Mahay miray hina ny sinoa ---------- Mahay miray hina ny karana ---------
Izany no mampanana azy ireo, fa ny fitsitokotokon'ny Malagasy no mampahantra azy ireo, dia manjary tonga olondratsy ny sasany aza----------
Revenir en haut de page

Billet Paris Tana Paris à partir de 205€


Bon plan : suivez les enchères Nouvelles Frontières !
encheres.nouvelles-frontieres.fr
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Actualité et Médias Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
ho an ireo milaza fa tsy tokony hanao sexy ny mpanao rap(sip écrit le 12/03/2007


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII