Posté le: Jeu Mar 10, 2005 14:56 Sujet du message: Ny tena antony naha-resy an'i USJF
Manao ahoana daholo e!
Ity rangahy misy zafa-misy tiako mba zaraina amin-tsika no tiako koa raha mety tody any amin-dry zalahy Joueurs ao @ USJF a!
Izy ty, dia saika olana mianjady amin'ny lafin-javatra maro eto @ fiainan-tsika gasy mihintsy ary tena mahazo vahana hatrany hatrany:
t@ iny fotoana Alahady nanaovan-dry zalahy baolina iny dia tsy teto i Maitre Gariste, inona ary no akon'izany ? tsy nisy izany ilay vola fampirisihina nahazatra an-dry zalahy ireo (ohatra t@ Match nihaonana t@ La Passe iny dia nisy 40 000 000 Fmg raha tafavoaka isika avy @ Maitre Gariste ho an-dry zalahy ireo). Valiny izany rehefa nihenoheno ry zalahy fa tsy nisy ilay zavatra dia hitan-tsika iny ny resultat. Teo ialy hoe avy ny orana dia sahalany sarona ily fika ratsy, fa kosa ho anay mpanaraka ity ekipa izay heveriko fa toa an'i Real de Madrid ireny (ny qualité de joueur ao no tiako resahina) ity dia hita fa tsy nanome maximum ny sasany maromaro tao, tsy ireny mihintsy tompoko ny tena fara-fahaizan'i Pamphil, i Solo .... Tsy hilaza afa-tsy ireo aho satria raha ny aptituden'ireo no tena nasehony dia tena hafa be ny resultat teo iny, tena haiko loatra mantsy ireo. Ny faharoa manarak'izany indray dia eto Madagasikara tsy mba misy mpikarakara ara-moraly hanabe ireto mpitia fanatanjahatena an-tsika ireto, hany ka be ny maha-sahy manaonao foana, i pamphil mantsy @izao kitikitihan'i La passe fatratra (efa nomeny godasy tsara t@ match aller, heno koa izao fa efa ao koa ny billet sy ny sandam-bola ho karamany any), nefa raha ny taonany vao 19 ans io dia izao mino fa raha mba nisy ireo olona mpanabe afaka mampisaina azy hijery lavi-davitra kokoa, ary indrindra moa ity tsy mba misy fitiavantanidrazana ity fa raha tsy misy vola dia tsy hanao ity, io tena maha-menatra ahy, mampi-te hanontany ten hoe satria ve mahantra sy tsy dia nahita fianarana dia tsy maintsy hanana saina lo-morona tahak'izao, eny fa na dia tsy hijery ireo zandrikely namoy ny ainy ireo noho ny fitiavana an-dry zalahy ireo fotsiny aza. Teny nalefa hampiheritreritra an-dry zalahy handeha hanao lalao miverina izany, ary raha mbola izao foana no sary hiverimberina amin'ity tontolon'ny baolina kitra ity dia ireo rà latsaka ireo mety nilatsaka ho ozona ho an'ialahy isany.
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum