| Auteur |
Message |
Gasy jiosy Invité
|
Posté le: Jeu Mai 04, 2006 13:42 Sujet du message: |
|
|
NY JIOSY ETO MADAGASIKARA:
Ny zavatra lazaina eto ankehitriny - vokatry ny fikarohana nandritry ny telopolo taona.- dia tiana ny manamarika fa miditra lalina sy mikasika ny Fototra izay mbola tsy noresahina firy hatramin'izao, dia ny hoe: Avy aiza ny teny hoe "Madagasikara"? Iza ny "Malagasy" Maninona no "Teny" iray ihany no tenenina eto Madagasikara? Maninona no "sakafo fototra" iray ihany no hanina eto? Inona no atao hoe "fahagolantany"? ary nahoana ny razamben'ny malagasy no atao hoe "gola" - izay fanalahidy famohana ny tantaran'ny firenena? Ary avy aiza ny fiavian'ny andriana merina?
I-TAON-JOBILY:
Taon-jobily fanafahana isaky ny 50 taona. Ary faha-40 taona ny jobily fanafahana ny taona 2000 (50 x 40 = 2000 taona). Ampahafantarina amintsika ankehitriny mazava ny zava-miafina amin'ny tantaran'ity firenena ity. Tantaran'i Madagasikara sy ny Malagasy vokatry ny fikarohana, nataon'ny Malagasy fa tsy vahiny. Marihina etoana fa famintinana izany fikarohana izany no holazaina manaraka eto.
Solomona, Mpanjaka jiosy (970-931) talohan'i J.K. izay feno fahendrena sy fahaizana, noho ny fahalalany fa Ofira eto Madagasikara, dia nandefa sambo maro taty haka volamena sy vatosoa ary hazomanitra sy tsara (II Tantara 9 :10-11) hanaovana ny lapan'Andriana sy Tempolin'i Jehovah tao Jerosalema. Efa arivo taona latsaka kely talohan'i J.K. no nahatongavan'ny Jiosy teto Madagasikara, izany hoe 3000 taona lasa izay !!!
II-AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA"? :
Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin'ny Fenisiana nalefan'ny Mpanjaka Salomona taty dia endrika "sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity. Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina ny Nosy izy ireo dia nanontany tena hoe "io ve ilay tany miendrika sarina trondro be sy ny valim-pitia, na valin-kasasarana"?
Amin'ny teny hebreo izany dia hoe: Ma (= Moa) + Daga (= Trondro be) + shakar (= valim-pitia, valin-kasasarana, karama), izay manazava sy manome ny hoe "Madagasikara".
Iza ny "Malagasy"? Avy amin'ny teny hebreo taloha ny teny hoe "Malagasy" ary midika ho "Mpiantsambo" (Hb. = Malakh) izay "mamakivaky" ranomasina na "nandalo dia lasa" amin'ny sisin'ny morontsiraka na "mandalo dia tsy hita nanjavona" (Hb. = gaz) satria lasa niakatra sy nipetraka taty afovoany izy ireo. Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara no atao hoe "Malagasy".
III-MANINONA NO TENY IRAY IHANY NO TENENINA ETO MADAGASIKARA? :
Iaraha-mahalala fa afaka mifankahazo resaka daholo ny mponina eto Madagasikara ary teny iray ihany no tenenina eto na dia misy aza ny fahasamihafana kely isam-paritra. Ny teny fototra eto Madagasikara dia avy amin'ny teny hebreo sy arameana ary akadiana taloha. Ohatra amin'izany ny efa voalaza teo, dia: " Madagasikara" - "Malagasy". Ireto misy ohatra hafa amin'izany, ny teny fototra aloha no lazaina mialoha, dia lazaina manaraka azy ny dikany amin'ny teny malagasy:
Al-ahad (Hb) = Alahady (Mlg)
Al-tsenaim (Hb) = Alatsinainy (Mlg)
Telat (Aramean) = Talata (Mlg)
Al-robia (Hb) = Alarobia (Mlg)
Al-kamis (Hb) = Alakamisy (Mlg)
Yomat (Hb) = Zoma (Mlg)
Sabat (Hb) = Sabotsy (Mlg) Besaken (Hb) = Besakana (Mlg)
Asa (Hb) = Asa (Mlg)
Boul (Hb) = Voly (Mlg)
Das (Hb) = Man-jaka (Mlg)
Kabar (Hb) = Kabary (Mlg)
Jadon (Hb) = Jadona (Mlg)
Adan (Hb) = Mi-adana (Mlg)
Shoua (Hb) = Soa (Mlg)
Ohatra vitsivitsy amin'ny niavian'ny teny malagasy ireo voalaza ireo, fa raha isaina izy rehetra dia an-jatony maro. Isaky ny mijery ao anatin'ny Baiboly hebreo taloha ianao dia mahita teny niavian'ny teny malagasy.
IV- MANINONA NO "SAKAFO FOTOTRA" IRAY IHANY NO HANIN'NY MALAGASY? :
Na aiza na aiza eto Madagikara dia "vary" no foto-tsakafon'ny Malagasy.
Ny Jiosy taloha dia nihinana varim-bazaha karazany roa, dia ny "vary tritika" sy ny "vary ordea". Ny teny hoe varim-bazaha" (blé) anefa dia "bar" na "var" no anarany amin'ny teny hebreo taloha. Noho izany, naverin'ny Malagasy ny anaran'ny foto-tsakafon'ny Jiosy taloha nony tonga teto Madagasikara izy ireo.
V- INONA NY "ZAVA-MANENO" MAMPIAVAKA NY MALAGASY? :
Ny "valiha" no zava-maneno voalohany sy mampiavaka ny Malagasy ary iraisan'ny ankamaroan'ny foko malagasy na dia misy endriny isan-karazany aza eran'i Madagasikara.
Ary misongadina sy malaza amin'izany ny "valiha tory folo". Ny zava-maneno izay notendren'ny Jiosy araka ny Baiboly hebreo taloha dia ny valiha, indrindra ny "valiha tory folo" (Salamo 33 : 2 na 144 : 9). Raha jerena ny zava-maneno notendren'i Davida Mpanjaka dia "nevel" ny fototeny, ary "nevalin" no anarany. Ny "valiha" malagasy izany no "nevalim" amin'ny Jiosy taloha.
Na ny teny jiosy, na ny teny malagasy mikasika ny "valiha "tory folo" dia samy efa nisy, na dia mbola tsy tongan'ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Ny teny hoe "nevalim" teo amin'y Jiosy dia efa 300 taona no nisiany raha kely indrindra, ary io no anisan'ny zava-maneno fototra teo amin'izy ireo, indrindra ny "nevali" tory folo".
VI- INONA NO ATAO HOE "FAHAGOLANTANY" ARY NAHOANA NY RAZAMBE NO ATAO HOE "GOLA"? :
Teo amin'ny voambolana malagasy dia nampiasa ny teny hoe "fahagolantany" ny Malagasy ilazana ny tamin'ny "tanin'ny Gola". Misy ifandraisany amin'ny teny hebreo taloha 'Golah" ve ny teny hoe "gola" amin'ny teny malagasy?
Raha misy, ny Razamben'ny Malagasy "gola" dia tsy inona fa ireo Jiosy "babo" tany Babylona (teo amin'ny 577 - 539 talohan' J.K.) nantsoina amin'ny anarana hoe "Golah". Koa raha marina fa "Golah" ny razamben'ny malagasy dia tsy maintsy hita amin'ireo Boky roa izay mirakitra ny anaran'ireo taranaka niverina avy tany amin'ny Fahababoana, dia ny Bokin'i Ezra sy Nehemia. Ezra 2 : 37 sy Nehemia 7 : 40 no ahitana ny taranak'Imer, izay manazava foko roa eto Madagasikara, dia fokon'Imer nanome anaran-tany hoe "Imerina" sy nahatonga ny foko "Merina", Jiosy avy any Indonezia; ny faharoa dia ny foko An-te-Imor (= Vahoaka Imor), Jiosy avy any Arabia - Afrika, nanome ny "Antemoro".
VII- ARY AVY AIZA NY FIAVIAN'NY "ANDRIANA MERINA"? :
Io teny "Golah" io no manazava fa ny taranaka lehibe indrindra lasa tany am-pahababoana tany Babylona tamin'ny andron'i Nebokadnezara dia ny taranak'i "JODA", izay "taranaka andriana" teo amin'ny Jiosy. Nandeha sambo izy ireo sy ny mpanara-dia azy, ka tonga teto Madagasikara. Nisy ny niditra teo amin'ny seranan'iShet (Hb = Maroz-Shet), na Maroantsetra amin'ny teny malagasy, avy eo vao tonga teto amin'ny faritr'Antananarivo sy ny manodidina. Ireo "taranaka Andriana jiosy" ireo no nahatonga ny "Andriana Merina".
Ohatra amin'izy ireo, ary anisan'ny lehibe indrindra dia Andrianampoinimerina: "Imboasalama" no anarany taloha, izay teny hebreo taloha midika hoe Im (= miaraka) + Beu (= anatiny) + Shalaim (= fiadanana) na "miaraka ao anatin'ny fiadanana", izay nipetraka tao Besakana (Hb. Besakana = ao anaty trano fitoerana).
Ary rehefa tonga teto izy ireo dia namerina ny anarana (olona, tany, rano, toerana,...) sy ny fomba amam-panao (fahaterahana, fitaizana,, famorana, fanambadiana, fiainana an-davanandro, fety, fahafatesana,...) ary ny fomba fitondram-panjakana tany Israely dia "ny andriana no manjaka sy mitondra ny tany sy ny fanjakana".
FAMARANANA:
Arak'izany tantara izany, dia tsy taranaka voahozona akory ny Malagasy fa taranaka voafidin'Andriamanitra. Ary ny Andriana merina dia taranaka mpanjaka jiosy, taranak'i Joda, niaraka tamin'ny taranaka Levita mpisorona izay nanao ny Fisoronana tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema. Tsy mahagaga raha feno toeram-pisoronana teto am-povoantany.
Antananarivo no tanàna naorina ahatsiarovana an'i Jerosalema, ka nahatonga azy nodidinina tendrombohitra roa ambinifolo tahaka an'i Jerosalema, ary mifono zavatra lalina ny Vohitra Masina roa ambiny folo, isan'ny Zanak'Israely. Marihina eto am-pamaranana fa samy ahitana ireo foko roa ambiny folo ireo eto Madagasikara ary tokony samy mandray andraikitra eo amin'ny toerana nametrahan'Andriamanitra azy ara-tantara ny tsirairay mba hisian'ny Fitahiana eo amin'ny Firenena.
RATEFY Tolotra, Mpitandrina
Antananarivo, Mey 2000
N.B: Ratefy Tolotra dia Mpitandrina, nandalina Teolojia, Hebreo, Arameana sy Akadiana tany amin'ny Oniversiten'i Münster, ary ny Fitsaboana Alemana.
Nanao fikarohana mitondra ny lohateny hoe "Sind die Madegassiche Jüden?" (600 pejy) midika hoe: "Jiosy ve ny Malagasy"? |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Publicité
|
Posté le: Jeu Mai 04, 2006 13:42 Sujet du message: Publicité |
|
|
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4763 Localisation: madagascar
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Vazaha be Touriste
Inscrit le: 28 Fév 2006 Messages: 19 Localisation: World citizen
|
Posté le: Jeu Mai 04, 2006 19:55 Sujet du message: |
|
|
Je suis loin d'être un expert en linguistique, mais les analogies sont exactement les mêmes en arabe 8O
Dimanche = Al ahad
Lundi = AL-ITHNAN
...
Vendredi = AL-JOUM'A
Cela ne fait que prouver que le Malagasy utilise des locutions d'origine sémitiques, tout comme le français d'ailleurs, n'en déplaise à certain N'est ce pas Jean-Nicolas Sarkopen
Les études linguistiques sérieuses ont démontré que le malagasy est une langue malayo-polynésienne
Faites un tour sur Wiki  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Nj Madanaute expert(e)
Inscrit le: 01 Juin 2005 Messages: 1625
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Vazaha be_off Invité
|
Posté le: Jeu Mai 04, 2006 23:40 Sujet du message: |
|
|
Effectivement NJ
Malgré tout l'intérêt porté à ce site je concède ne pas avoir toujours le temps de lire toutes les contributions des forums :oops:
Je bat ma coulpe |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Mai 05, 2006 0:16 Sujet du message: |
|
|
| Les samaritains aussi ont les mêmes jours de la semaine que la notre ,sommes nous aussi des samaritains? en plus on ne dit pas al -zoma mais an-joma il y a une différence car ça veut dire jour de l'homme an :ra-ana ,i ana (homme ) yom =jour :6eme jour de la semaine selon la création ,pour votre information le j et le i c'est la même chose ,en Suisse on dit "ije"d'ou Tanja (Tania) |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Nj Madanaute expert(e)
Inscrit le: 01 Juin 2005 Messages: 1625
|
Posté le: Ven Mai 05, 2006 23:10 Sujet du message: |
|
|
| Vazaha be_off a écrit: | Effectivement NJ
Malgré tout l'intérêt porté à ce site je concède ne pas avoir toujours le temps de lire toutes les contributions des forums :oops:
Je bat ma coulpe |
Pas grave  _________________
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Jiosy Gasy Invité
|
Posté le: Ven Mai 05, 2006 23:21 Sujet du message: |
|
|
Ho an' izay tsy nahita dia nanambara ny Pasteur Tolotra RATEFY fa HAVERINA ho halefa amin' ny TV ilay VOKA-PIKAROHANA nataony:
"NY JIOSY ETO MADAGASIKARA":
NY ALAHADY 07 MAI 2006 amin' ny FOLO ORA MARAINA,
ao amin' ny TV PLUS, |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Variana Invité
|
Posté le: Sam Mai 06, 2006 2:48 Sujet du message: |
|
|
Mahavariana be ihany izany lazaina izany, ny ahy aloha ny fantatro dia betsaka ny vahiny nandalo tetoMcar, ka mifangaro be ny teny malagasy.
Ny arabo dia nandalo teto ny jiosy koa moa izany raha tiana.
Ny mahagaga ahy dia hoe "ny andriana merina" dia avy @ taranak'i Joda hono izany, ary ny hova dray avy aiza tompoko?
Amiko dia fanambonina tena ataon'i andriana dray io ê, taranaka mpanjaka jiosy izy.
Tantara efa 500av.JC ve dia mbola hita foana hoe teto Mcar no naka volamena ê,sy hazo ê.Sarotra amiko no hino an'izany.
Nisy jiosy ve tahaka ny asiatique?na afrikanina afa tsy ireo éthiopienne izay niaraka t@ Salomon ny mpanjaka vaviny, ary hita ao anaty tantara izany.
Ireo Jiosy fantatra dia fotsy oditra tahaka ny tavaratra na vazaha, koa izao lasa hoe jiosy mainty tahaka ny gasy?
Sa hoe nifangaro indray isika gasy teny ampandehanana teny, dia nijanona tany Indonésie.
Mbola tsy nisy tantara aloha nilaza hoe nisy jiosy lasa tany Asie ê.Ary maninona raha misy izany tsy voalaza tao anaty histoire ancienne?
Betsaka ihany anefa ireo historien mikaroka nanao ny histoire ancienne sy nilaza ny évolution.
Flou be amiko ilay hoe "Jiosy ny gasy", toa tantara ankalazana ny andriana sy rehareha fotsiny"
Fa ny Jiosy angaha avo razana be? sa izy no tena olombelona?
Dia eo dray aloha ny andriana rehetra fa hiziatra be eo daholo aloha sy anambany ny hafa fa hoe "izahay Jiosy".
Izaho aloha "gasy", ny razako "gasy", ary mety hoe misy rà asiatique angamba ny ancêtre-ko tsy fantatro na karana satria izahay maranindranitra toy ny karana dia eo ny toa ny sinoa |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Nj Madanaute expert(e)
Inscrit le: 01 Juin 2005 Messages: 1625
|
Posté le: Sam Mai 06, 2006 11:45 Sujet du message: |
|
|
Pas de dérives ethnicistes ici. _________________
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
|
|
|