Gola Invité
|
Posté le: Mer Juin 28, 2006 16:39 Sujet du message: MADAGASIKARA FITIAVA-TANINDRAZANA |
|
|
MADAGASIKARA MIATRIKA NY TAONA ARIVO FAHATELO ?
Madagasikara dia TANY MANANKARENA BE, ary ny TOMPONTANY dia ho lasa FIRENENA MANDROSO marina tokoa.
Fepetra tokony ho arahina anefa, mba ho hahatongavana amin'izany, dia:
NY FINOANA AN'ANDRIAMANITRA, NY FITIAVA-TANINDRAZANA, ary NY fitandrovana ny FIANDRIANAM-PIRENENA.
Izany no votoatin' ny famelabelaran-kevitra (andiany faharoa) ataon'Atoa NDRIANA RABARIOELINA, mpikaroka, ao amin'ny FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA ETO MADAGASIKARA,
ny ALAROBIA 28 JONA 2006, amin' ny 08 ORA 35 ALINA, ao amin' ny TELEVIZIONA MBS Antananarivo. |
|
Saonja Invité
|
Posté le: Mer Juin 28, 2006 21:15 Sujet du message: MADAGASIKARA SY NY FITIAVA-TANINDRAZANA |
|
|
Ireto izany ny note maimaika azoko tao fa ialana tsiny tsy afaka hivalampatra:
- Fitiavan-tanindrazana dia aseho amin'ny fiainana andavanandro:
a, Fanabezana, fanasoavam-bahoaka ary fanentanana.
b, Fanairana ny ambompo maha Malagasy sy ny tanindrazana.
c, Toetsaina sy teo-panahy mahaOlona sy ny ho an'ny firenena (io ilay voa-janahary) ka manosika ny olona iray ho tia tanindrazana:
- Fampiroboroboana ny kolontsaina mahaMalagsy
- Fitazomana ny rom-pihavanana sy ny fahaizana miara miaina
- Ary ny Firaisan-kina.
d, Fanorenam-paka ny fitiavan-tanindrazana: mitaiza, manabe ary mampianatra ny zaza sy ny tanaora ho olom-banon'ny firenena.
e, Fampianarana ny hahatonga ho olom-banona.
Ireo toe-tsaina sy toe-po takian'ny fitiavan-tanindrazana:
- Fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firaisan-kina ary ny fikatsahana ny soa iombonana.
BE NY ATAO ARY MALALAKA I MADAGASIKARA HANAOVANA NY FITIAVAN-TANINDRAZANA. Misaotra namaky ary mazotoa daholo amin'izay atao. Soanja. |
|
Gasitsara Invité
|
Posté le: Lun Aoû 07, 2006 21:22 Sujet du message: Madagasikara: Fitiava-tanindrazana |
|
|
Ny Loha-hevitra mitondra ny lohateny hoe MADAGASIKARA MIATRIKA NY TAONA ARIVO FAHA-TELO no novelabelarin’ Andriamatoa Ndriana RABARIOELINA, mpitarika ao amin’ ny FIANAKAVIAMBEN’ NY ANDRIANA ETO MADAGASIKARA, tao amin’ ny TELEVIZIONA MBS, nandritra ny fotoana naharitra ny volana Jiona sy Jolay 2006, ary niparitaka nanerana an’ i Madagasikara ny akony (Antananarivo, Toliary, Toamasina, Ambatondrazaka, Antsirabe, Mahajanga, Antsiranana…).
Hevi-dehibe telo no no nohamafisiny:
1. NY FITIAVANA AN’ANDRIAMANITRA: Ny Fitiavana sy ny Fianteherana zato isan-jato (100%) amin’ Andriamanitra irery ihany no Loharanon’ ny Fitahiana. Sambatra izay firenena miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra.
Araka ny Bokin’I Jeremia, hoy izy, dia Sambatra izay olona miantehitra amin’Andriamanitra Andriananahary, Andriamanitra tokana, Mpanao ny Lanitra sy ny Tany. Ary hozonina kosa, hoy ny Baiboly, izay olona miantehitra amin’ ny olombelona (na mpanao politika na mpitondra fivavahana na mpandraharaha io). Ary tsy mitondra fitahiana ihany koa ny miantehitra amin’ ny zava-boary noforon’Andriamanitra, toy ny tapa-kazo sy ny sampy isan-karazany.
2. NY FITIAVA-TANINDRAZANA: Ny Fitiavana ny Tanindrazana no fepetra faharoa nolazainy. Tsy tokony hifanipaka ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-tanindrazana fa tokony hifampitohy tsara. Misy mantsy ireo mpivavaka any Madagasikara izay tsy miraharaha ny fiainana eto an-tany intsony, ka manjary ny vahiny indray no manjakazaka sy maka ny tany.
Ny Fitiava-tanindrazana dia midika, hoy izy, ho Fitiavana ny tanin' ny Razana, ny Fitiavana ny Tenin-drazana, ny Fitiavana ny Mpiray tanindrazana, ny Fitiavana ny Fomban-drazana (ireo izay tsy mifanipaka amin’ ny Baiboly), ny Fitiavana ny Soatoavina nentin-drazana toy ny Fanajàna ny razana (fa tsy mivavaka amin’ ny razana), ny Fanajàna ny zokiolona eo amin’ ny fiaraha-monina, ny Fitiavana ny Zava-boary rehetra ao anatiny . Ary azo atao tsara ny manaja ny Soatoavina navelan’ ny razambe sy ny mivelatra amin’ ny fandrosoana, sahala ny Japoney, hoy izy.
Mila fanovàna toe-tsaina ihany koa, hoy izy, amin’ izao Fidirana amin’ ny vanim-potoana Taona Arivo Fahatelo izao, mba hahafahantsika rehetra ho tafita sy hampandroso an’ i Madagasikara: Aoka izay efa mba tafita mba hitsinjo na hampiakatra ireo ao aoriana fa tsy sanatria hanitsaka azy ireo. Ary ireo izay mbola sahirana na mbola tsy tafakatra, aoka mba tsy hamingana ireo izay efa mba tafita.
3. NY FIANDRIANAM-PIRENENA: Aoka isika tompon-tany ho saro-piaro ain’ny Fiandrianam-pirenena. Aoka isika tompontany no tena hibaiko ny fitantànana rehetra any Madagasikara fa tsy ny vahiny indray . Ny vahiny dia mety azo atao mpanolo-tsaina ary tokony ho vetivety ihany, fa tsy havela hibaiko ny firenena na havela hijanona ela any Gasikara, fa manjary maka ny toeran’ ny tompontany, amin’ ny fitantànana raharaha isan-karazany. Ary tsy hankasitrahany ny fisian’ ny vahiny izay mitantana ny orinasam-panjakana.
Ary ny harena ao ambonin’ ny tany na ao ambanin’ ny tany, any Madagasikara, hoy izy, dia ampy tsara hampandrosoana ny firenena manontolo, raha voa-haja ireo fepetra telo ireo. Mino sy manantena izy fa ho lasa firenena mana-karena ny teratany any Madagasikara atsy ho atsy... |
|