Posté le: Mer Avr 27, 2005 7:24 Sujet du message: lesprofs trichent et volent
Tsy ampy azy ny alatrora ( heures sup ) koa any amin'ny zavatra afa indray ry zalahy no mamely.
Entana mitentina Ar 3.600.000 no very tao amin'ny trano fivarotana sy mpanamboatra ireny solosaina ireny, tetsy Andohatapenaka, ny alarobia 13 nifoha 14 aprily teo.
Roalahy izay monina eny amin'ny faritr'i 67ha iny no voarohirohy tamin'izao halatra sy vaky trano izao, ary injeniera sy mpampianatra eny amin'ny Oniversite no voalaza ho nividy ireo entana halatra ireo. Natolotra ny fitsarana omaly maraina avokoa izy ireo. Ny entana halatra kosa, "unité centrales" dimy sy "écran plat" iray, dia efa naverina tamin'ny tranombarotra.
Rehefa nanao ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana tetsy amin'ny boriborintany faha-fito, 67 ha dia naheno fa nisy fiara R 12 miloko maintso nitaona ny entana tamin'io fotoana io. Tsy hoatra tsara ireo ry zalahy fa mitandrema iany ianareo mpianatra !!!!
Posté le: Dim Mai 01, 2005 10:47 Sujet du message: Re: lesprofs trichent et volent
Fiainana efa sarotra ity dia samy manao ny ataony daholo. Rehefa mitsangana ny haute cour de justice dia hisy ho talanjona raha tricheurs sy voleurs no resahina raha tena manao ny asany i Eva Joly.
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum