LALAON'NY NOSY Andriamilandy Maiwenn Kintan’ny basikety mala



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Actualité et Médias
Auteur Message
Gasy mpankafy
Invité





MessagePosté le: Jeu Aoû 16, 2007 17:44    Sujet du message: LALAON'NY NOSY Andriamilandy Maiwenn Kintan’ny basikety mala Répondre en citant

Tsindrio eto :

http://www.les-nouvelles.com/taratra/default.php?file=article&mode=detail2&id=8241


LALAON'NY NOSY


Andriamilandy Maiwenn

Kintan’ny basikety malagasy

(niseho ny 14/8/2007 )

Teraka ny 12 jolay 1983, tany Bondy Frantsa i Andriamilandy Maiwenn. Gasy ny rainy, frantsay ny reniny. Manana anadahy iray sy rahavavy izy. Sambany nisalotra ny akanjon’ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ny taranja basikety. Mitondra ny laharana fahavalo ary anisan’ny mpanentana ny lalao eny ambony kianja. Namirapiratra izy nandritra ny lalao fifanintsanana natao teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ny faran’ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nampiavaka azy ny fahavitrihany sy ny tanjany ary ny fanafainganana ny lalao. 12 taona nilalaovana basikety i Maiwenn, efa voafantina tao amin’ny ekipam-pirenena frantsay ny taona 2002 teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona. Ny fahitany ireo mpilalao basikety amerikanina malaza toa an-dry Jordan no nanaitra azy hilalao basikety. Iray taona monja taorian’ny nanombohany nilalao basikety, ny taona 1996 dia nandrombaka ny anaram-boninahitra tompondakan’i Frantsa an-tsekoly ny ekipany. Folo taona taorian’izay ny 2006, nahazo ny tompondakan’i Frantsa sokajy oniversitera. Farany teo, izy no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fihaonamben’ireo Malagasy any ivelany na ny RNS natao tany Vichy. Amin’ny ankapobeny, efa za-draharaha amin’ny taranja lalaoviny i Maiwenn ka nilaza fa tsy mitovy ny fanaovana basikety any Eorôpa sy aty Madagasikara. Samy manana ny teknikany ny roa tonta saingy ny nampiavaka antsika, hoy izy, haingana ny fomba filalao no sady mahery setra ny fiarovan-tena.

Riana Raymond de TARATRA


>>> Tena henjana kosa aloha izy e ! ary tena miavaka tokoa rehefa milalao raha ny fahitanay azy. Mino izahay fa mba hisy sary mikasika ny lalao basikety. Efa mba miandriandry ihany izahay.
Ary raha tsy diso ny tenanay, taranak'Andriamilandy tao ankadindramamy avy eo Ambohimalaza ve i Maiwenn ?
Revenir en haut de page
Publicité






Posté le: Jeu Aoû 16, 2007 17:44    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Jeu Aoû 16, 2007 18:32    Sujet du message: Re: LALAON'NY NOSY Andriamilandy Maiwenn Kintan’ny basikety Répondre en citant

Gasy mpankafy a écrit:
Mino izahay fa mba hisy sary mikasika ny lalao basikety. Efa mba miandriandry ihany izahay.

Genre par exemple pour la finale de demain, Vendredi 17 Aout, entre Madagascar et la Réunion ? Very Happy

Gasy mpankafy a écrit:
Ary raha tsy diso ny tenanay, taranak'Andriamilandy tao ankadindramamy avy eo Ambohimalaza ve i Maiwenn ?

Tena tsara "renseignements" kosa ny tenanareo izany Laughing
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Invité






MessagePosté le: Jeu Aoû 16, 2007 23:08    Sujet du message: Re: LALAON'NY NOSY Andriamilandy Maiwenn Kintan’ny basikety Répondre en citant

Genre par exemple pour la finale de demain, Vendredi 17 Aout, entre Madagascar et la Réunion ? Very Happy

>>> ekena ! dia manantena izany izahay e !

Tena tsara "renseignements" kosa ny tenanareo izany Laughing

>>> tanàna nisy anay fahiny io ka fantatray tsara.
Revenir en haut de page
Leo
Invité





MessagePosté le: Ven Aoû 17, 2007 0:15    Sujet du message: Répondre en citant

Fa maninona no tsy maintsy indraindraina hoe AMBOHIMALAZA e? Sport no resahina fa tsy fihaviana na firazanana, tena mbola MIFORETAKA AMINY TANY MIHITSY ILAY FISAINANA FA MBA HOVAO. Ary ny tena mandetika ny sport gasy de io resaka Fihaviana sy firazanana io, RACISTE ny gasy entre samy gasy.....
Revenir en haut de page
Invité






MessagePosté le: Ven Aoû 17, 2007 1:47    Sujet du message: Re: LALAON'NY NOSY Andriamilandy Maiwenn Kintan’ny basikety Répondre en citant

elman a écrit:
Gasy mpankafy a écrit:
Mino izahay fa mba hisy sary mikasika ny lalao basikety. Efa mba miandriandry ihany izahay.

Genre par exemple pour la finale de demain, Vendredi 17 Aout, entre Madagascar et la Réunion ? Very Happy

Gasy mpankafy a écrit:
Ary raha tsy diso ny tenanay, taranak'Andriamilandy tao ankadindramamy avy eo Ambohimalaza ve i Maiwenn ?

Tena tsara "renseignements" kosa ny tenanareo izany Laughing

Mbo hitadavo sariny Rangahy @ final fa sao tsy tafiditra any zahay a
Revenir en haut de page
bobita
Invité





MessagePosté le: Ven Aoû 17, 2007 1:51    Sujet du message: Répondre en citant

Fa naninona no nisy gasy efa namirapiratra ohatr izan ranga de zao vo natsoina e!
Revenir en haut de page
besorongola_zandriny
Invité





MessagePosté le: Ven Aoû 17, 2007 15:01    Sujet du message: Répondre en citant

Farany teo, izy no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fihaonamben’ireo Malagasy any ivelany na ny RNS natao tany Vichy.

f'angaha nisy lalao bisiklety tany Vichy ??????????????? Laughing
Revenir en haut de page
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Ven Aoû 17, 2007 19:01    Sujet du message: Répondre en citant

Maiwenn et ses copines sont médaillées d'or, bravo à elles Smile

.... des dizaines de Mégaoctets de photos à traiter, un peu de patience Smile
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Invité






MessagePosté le: Sam Aoû 18, 2007 13:49    Sujet du message: Répondre en citant

68 -58 no niafarany e ,resintsika t@ lazon'ady ny taikiringa .

Vizana angamba ny taikiringa fa teo à 5 minitra farany no nampisehoan'ilay gasy metisy (Maiwenn) ny tena talentany sy ny fahazarany milalao ireny match goavana ireny .Raha mbola teto madagascar aloha mbola tsy nisy meneuse toy iny e ,eny fa na ireo nilalao t@ 1970 (championne d'Afrique) aza niaiky ny fitondrany ballon sy ny "vision de jeu" ananany .Fanampin' izany izy kala manja no mitsikitsiky foana . MERCI MAIWENN , merci les filles!
Revenir en haut de page
Invité






MessagePosté le: Sam Aoû 18, 2007 21:16    Sujet du message: Répondre en citant

miandry an lé sary zany zay an !!!
Revenir en haut de page
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Lun Aoû 20, 2007 12:24    Sujet du message: Répondre en citant

Gasy mpankafy> alors, heureux ? Smile

PS : vous êtes des dizaines de milliers à vous connecter toute cette journée, d'avance toutes nos excuses si le site est lent voire même ... très très lent.
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
pika B
Invité





MessagePosté le: Jeu Aoû 23, 2007 21:31    Sujet du message: Répondre en citant

zay koa miandry an lé sary fa tena revenay mitsy lé maiwenn
Revenir en haut de page
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Ven Aoû 24, 2007 10:24    Sujet du message: Répondre en citant

http://www.madanight.com/articles/sport/1060-7eme-jeux-des-iles-de-l-ocean-indien-basket-ball-feminin.html
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
magic bordeaux
Invité





MessagePosté le: Ven Aoû 24, 2007 20:57    Sujet du message: Répondre en citant

isaorana koa ny mpanazatra nationaly aty europa mr Emilien .... fa izy no nandeha nitady itony mpilalao tahaka an i Maiwen itony dia irariana mbola hisy ary efa manangasanga any ho any ny mpilalao misongadina na exeptionnel tahaka an dry Maiwenn itonyna avy any ivelany na avy eto madagasikara. Mahasoava e!!!!!!! Wink
Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Actualité et Médias Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
flood Aucune discussion similaire


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII