Korontana teny Ankatso : fantatra ireo mpitarika



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Mar Mar 18, 2003 1:44    Sujet du message: Korontana teny Ankatso : fantatra ireo mpitarika Répondre en citant

Korontana tenyAnkatso : fantatra ireo mpitarika
hoy ny kaomisera Baritoa

Raikitra ny doro trano sy fiara teny amin'ny oniversiten'Ankatso, omaly tontolo andro. May kila forehitra tamin'izany ny biraon'ny CROUA (Centre Régional d'Oeuvre Universitaire d'Antananarivo). May ihany koa ny COUM teny Ankatso II. Kilan'ny afo toraka izany koa ny fiara Mazda (Bus) mitondra ny laharana 1532 TP sy ny fiara Daihatsu Feroza mitondra ny laharana 7134 TAC, izay samy an'ny CROUA avokoa. Nodoran'ireo andian'olona ihany koa ny trano hazo fipetrahan'ny mpiambina isaky ny vava-lalana. Tsy afaka niditra ny toerana nisy ny biraon'ny CROUA ny mpamonjy trano may noho ny tora-bato nataon'ireo andian'olona azy ireo. Vaky mihitsy aza moa ny fitaratry ny kamiaon'ny mpamonjy trano may, vokatr'izany setrasetra izany.


Kamikazy
Tena olona efa zatra ady amin'ny korontana mihitsy no nandray anjara teny Ankatso, raha ny zava-nitranga teny an-toerana no jerena. Moto iray izany mantsy no nodoran'ireo andian'olona, hoy ny nanatri-maso, ary iny ilay moto nirehitra iny no natsofoka tao amin'ny biraon'ny CROUA. Tena izao tokoa angamba no antsoina hoe kamikazy. Mazava ho azy fa tsy tàna ny afo, ny mpamonjy trano koa moa tsy tafiditra noho ny tora-bato. Ilay birao rahateo koa vita amin'ireny akora mora mirehitra ireny, izay nanome vahana ny fitaran'ny afo vetivety. Niparitaka nanerana ny tokotany ireo antontan-taratasy maro, ny potika solosaina ("ordinateurs") sy ny kojakoja fampiasa amin'ny birao. Nisy ihany moa ireo mpianatra mbola nanantena ny hahita ny "dossier" angamba ka lasa mba nijerijery sy niondrikondrika teny amin'ny tany, taorian'ny korontana.

Fantatra ireo mpitarika korontana
Nandray anjara tamin’ny fandaminana sy ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany teny amin’iny faritr’Ankatso iny ny mpitandro filaminana. Nanampy ireo mpamonjy trano may tamin’ny fidiran’izy ireo hamono ny afo teny amin’ny COUM ihany koa izy ireo. Manoloana izany indrindra dia niantso an-tariby ny Lehiben’ny pôlisy etsy Tsaralalàna, ny kaomisera Baritoa, ny teto amin’ny gazety. Nambarany tamin’izany fa tsy mbola nisy aloha hatramin'izao ny fisamborana. Efa fantatra kosa, hoy izy, ireo mpitarika an'iny fanakorontanana teny Ankatso iny. Fiambenana fotsiny ihany aloha no ataon'ny pôlisy eo ambany fiadidiana hatramin'izao, hoy izy. Mbola manam-pikasàna ny hanohy ny grevy mantsy ireo andian'olona. Nambaran'ny kaomisera Baritoa fa mpianatra sandoka (faux étudiants) no maro an'isa teny Ankatso, omaly.

In-telo tonga ireo andian’olona
Andian'olona telo no nitarika ny korontana teny Ankatso omaly, hoy ireo nanatri-maso. Nahitàna olona niisa 300 ny andiany tonga voalohany teo anoloan'ny biraon'ny CROUA, hoy ny loharanom-baovao. Tsy mbola nisy aloha teo ny fifampitorahana sy ny fandorana trano. Tonga avy any indray anefa ny andiany faharoa, izay nahitàna olona tany amin'ny 250 tany ho any. Efa nanomboka nafàna ny toe-draharaha. Taorian'ny fahatongavan'ilay andiany faha-telo izay nahitàna olona an'arivony, hoy ihany ireo nanatri-maso, no raikitra amin'izay ny doro trano sy ny fifampitorahana. Nomarihin'ireo nanatri-maso ihany fa feno haromotana tokoa ireo olona tao amin'ilay andiany faha-telo.
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite


Dernière édition par elman le Lun Oct 13, 2003 1:35; édité 1 fois
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Publicité






Posté le: Mar Mar 18, 2003 1:44    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Mar Mar 18, 2003 1:47    Sujet du message: Répondre en citant

Korontana teny Ankatso : trano 3, fiara 3, moto 1 no potika sy may.
Tsy hita izay hijerena azy fa dia nisafotofoto sy nifanjevo tanteraka. Nanomboka ny maraina izany ka nitohy ny tolakandro. Tsy nitsahatra.
Tsy misy afa-ts'ilay resaka asa fanadiovana eny amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ihany moa no antony. Nambaran'ireo mpianatra tamin'izany fa "ny teny mitory fanavakavahana sy fanilihana" an'ireo mpianatra avy any amin'ny faritany nataon'ny talen'ny Crou-A, izay tompon'andraikitra manokana misahana ny fitsinjarana ny trano sy ny fikarakarana ny mpianatra, no tsy zakan'izy ireo. Tsy vitan'izany, araka ny fanazavan'izy ireo ihany, fa mbola eo koa ny tsy fanajana ny fifanarahana natao toy ny fananganana komisiona isam-paritany hiara-midinika amin'ny Crou-A mikasika ity fizarana trano ity. Avy hatrany anefa dia lisitra no nivoaka ary ireo mpianatra ara-dalàna indray no nesorina an-keriny tamin'ny trano.

TORA-BATO NO NIANDOHANY
Vao maraina omaly, tamin'ny 8 ora, dia efa nanomboka ny fihetsiketsehan'ireo mpianatra tsy faly tamin'izany. Niainga teny amin'ny toeram-ponenana io. Kiririoka eran'ny tanàna ary dia nifamotoana nitsitokoto teny amin'ny manodidina teny. Ny tanjona nitodiana dia teny amin'ny biraon'ny Crou-A teny Ankatso. Nisy ny nandeha nandrava fianarana tany am-pianarana ary nisy, ireo mpitarika, namonjy ny fihaonana tamin'ny talen'ny Crou-A, Atoa Tolojanaharinirina Fenosoa Hasina, tao amin'ny biraony. Ny dinika mbola mandeha, sahabo ho tamin'ny 10 ora, velona tampoka ny tora-bato tao ivelan'ny biraon'ny Crou-A, nandeha ny fanenjehana an'ireo mpiambina ny Crou-A, ny famonoana sy ny fandratrana, ny fanapotehana ny fiara 2 teo an-tokontany ary ny niafarany dia ny fandoroana ny trano sy ny fiara 2 (4x4 sy mini-bus) ary moto iray. Tsy nisy noraisina ny fitaovana rehetra tao anatin'ity trano ity na taratasy na solosaina, hatramin'ireo vola aman-tapitrisany karaman'ireo mpiasa ao. Soa ihany fa tafavoaka tao amin'ny biraony ny talen'ny Crou-A fa asa izay nanjo azy raha sanatria ka azon'ireo mpianatra tao.

Ny sasany tamin'ireo mpianatra avy teo dia lasa namonjy ny biraon'ny Coutana teny Ambohipo, niditra an-keriny ary namotika sy nandrava ny antontan-taratasy rehetra tao. Tsy nodoran-dry zalahy moa ity satria mifanila amin'ny tranon'ny mpianatra.

NOPOTEHINA HATRAMIN'NY FIARAN'NY MPAMONJY VOINA
Ny mampalahelo amin'ity raharaha ity dia na ny fiaran'ny mpamono afo izay nantsoina ary tonga teny an-toerana aza dia nampiharan'ireo mpianatra ny habibiana : notsenain'ny mpianatra teo am-piakarana ary notoraham-bato. Vaky tanteraka ny fitaratra anoloan'ny fiara. Niverin-potsiny araka izany ireo, tsy nahavita na inona na inona. Soa koa fa tsy nisy naratra.

Vita ny teny Ankatso sy Ambohipo dia somary nilamina kely. Ny tolakandro anefa, tamin'ny 2 ora sy sasany, velona indray ny korontana tao amin'ny Coutana teny Ankatso 2. Naparitaka koa ny taratasy rehetra tao ary nodorana ny trano. Nantsoina indray ny mpamono afo, saingy narahin'ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Emmo/Far. Kanefa na izany aza tsy nisy azo noraisina. Raha fehezina dia ny antontan-taratasin'ny mpianatra mihitsy no niniana nopitehina.

MISY AMBADIKA POLITIKA.
Na ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony, Ranjivason Jean Théodore, na ny talen'ny Crou-A dia samy nanipika avokoa fa misy ambadika politika amin'ity raharahan'ny mpianatra ity. "Efa ela, hoy ny talen'ny Crou-A, no noketrehin'izy ireo izany fa izao vao tanteraka". Notsipihany moa fa ny resaka adim-poko no noezahin'ireo mpanakorontana voizina amin'izany ary foronina izao teny rehetra izao. Nohamafisiny fa tsy namoaka vava na dia kely akory aza amin'ny fanilihana ny mpianatra avy any amin'ny faritany izy. Mikasika ny fitsinjarana ny trano izay voalaza fa ireo mpianatra avy eto Antananarivo no mahazo be indrindra amin'izany (70%) dia nambarany fa tao anatin'ny fepetra avokoa no nanatanterahina an'izany tsy nisy fanavakavahana. "Efa nisy ny dinika natao, nisy koa ny fandraisana ny hevitr'ireo mpianatra, toy ny fampiantranoana olon-kafa ivelan'ny mpianatra (hébergement), famindran-trano (mutation) kanefa dia izao no zava-misy : fanapotehana fananana sy fanaovana korontana".

Tsy ireo mpianatra rehetra anefa no manao an'izao fanakorontanana eny amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra izao fa mpianatra vitsivitsy izay nambaran'ireo tompon'andraikitra ireo ihany fa zatra ny lalan-dririnina ka tsy manaiky ny fanadiovana. Mbola manjaka eny amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ihany mantsy ny hafetsena amin'ny famarotana trano (aman'aliny maro), ny fampivadiana amin'ny fitadiavam-bola (fivarotana, fanjairana ...) ary misy aza fampanofana trano olon-kafa tsotr'izao. "Ireny, hoy izy ireo, no mibahana ny trano". Diovin'ny tompon'andraikitra ireny ary dia izao no afitsony. Ireo mpianatra moa, ary nohamafisin'ny minisitra Ranjivason izany dia manameloka ny fanapotehina ny fananana. Nambaran'ny minisitra fa tsy mbola nandà ny fifanatonana na ny fifanakalozan-kevitra ny tenany, nefa tsy nisy ny tonga nanatona azy.:
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
flood Aucune discussion similaire


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII