| Auteur |
Message |
Mpandinika Tantara Invité
|
Posté le: Mer Mar 29, 2006 21:23 Sujet du message: JIOSY VE NY MALAGASY ? |
|
|
JIOSY VE NY MALAGASY ?
Ny zavatra lazaina eto ankehitriny - vokatry ny fikarohana nandritry ny telopolo taona.- dia tiana ny manamarika fa miditra lalina sy mikasika ny Fototra izay mbola tsy noresahina firy hatramin'izao, dia ny hoe: Avy aiza ny teny hoe "Madagasikara"? Iza ny "Malagasy" Maninona no "Teny" iray ihany no tenenina eto Madagasikara? Maninona no "sakafo fototra" iray ihany no hanina eto? Inona no atao hoe "fahagolantany"? ary nahoana ny razamben'ny malagasy no atao hoe "gola" - izay fanalahidy famohana ny tantaran'ny firenena? Ary avy aiza ny fiavian'ny andriana merina?
I-TAON-JOBILY:
Taon-jobily fanafahana isaky ny 50 taona. Ary faha-40 taona ny jobily fanafahana ny taona 2000 (50 x 40 = 2000 taona)
Ampahafantarina amintsika ankehitriny mazava ny zava-miafina amin'ny tantaran'ity firenena ity. Tantaran'i Madagasikara sy ny Malagasy vokatry ny fikarohana, nataon'ny Malagasy fa tsy vahiny. Marihina etoana fa famintinana izany fikarohana izany no holazaina manaraka eto.
Solomona, Mpanjaka jiosy (970-931) talohan'i J.K. izay feno fahendrena sy fahaizana, noho ny fahalalany fa Ofira eto Madagasikara, dia nandefa sambo maro taty haka volamena sy vatosoa ary hazomanitra sy tsara (II Tantara 9 :10-11) hanaovana ny lapan'Andriana sy Tempolin'i Jehovah tao Jerosalema. Efa arivo taona latsaka kely talohan'i J.K. no nahatongavan'ny Jiosy teto Madagasikara, izany hoe 3000 taona lasa izay !!!
II- AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA"? :
Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin'ny Fenisiana nalefan'ny Mpanjaka Salomona taty dia endrika "sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity. Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina ny Nosy izy ireo dia nanontany tena hoe "io ve ilay tany miendrika sarina trondro be sy ny valim-pitia, na valin-kasasarana"?
Amin'ny teny hebreo izany dia hoe: Ma (= Moa) + Daga (= Trondro be) + shakar (= valim-pitia, valin-kasasarana, karama), izay manazava sy manome ny hoe "Madagasikara".
Iza ny "Malagasy"? Avy amin'ny teny hebreo taloha ny teny hoe "Malagasy" ary midika ho "Mpiantsambo" (Hb. = Malakh) izay "mamakivaky" ranomasina na "nandalo dia lasa" amin'ny sisin'ny morontsiraka na "mandalo dia tsy hita nanjavona" (Hb. = gaz) satria lasa niakatra sy nipetraka taty afovoany izy ireo. Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara no atao hoe "Malagasy".
III- MANINONA NO TENY IRAY IHANY NO TENENINA ETO MADAGASIKARA? :
Iaraha-mahalala fa afaka mifankahazo resaka daholo ny mponina eto Madagasikara ary teny iray ihany no tenenina eto na dia misy aza ny fahasamihafana kely isam-paritra. Ny teny fototra eto Madagasikara dia avy amin'ny teny hebreo sy arameana ary akadiana taloha. Ohatra amin'izany ny efa voalaza teo, dia: " Madagasikara" - "Malagasy". Ireto misy ohatra hafa amin'izany, ny teny fototra aloha no lazaina mialoha, dia lazaina manaraka azy ny dikany amin'ny teny malagasy:
Al-ahad (Hb) = Alahady (Mlg)
Al-tsenaim (Hb) = Alatsinainy (Mlg)
Telat (Aramean) = Talata (Mlg)
Al-robia (Hb) = Alarobia (Mlg)
Al-kamis (Hb) = Alakamisy (Mlg)
Yomat (Hb) = Zoma (Mlg)
Sabat (Hb) = Sabotsy (Mlg)
Besaken (Hb) = Besakana (Mlg)
Asa (Hb) = Asa (Mlg)
Boul (Hb) = Voly (Mlg)
Das (Hb) = Man-jaka (Mlg)
Kabar (Hb) = Kabary (Mlg)
Jadon (Hb) = Jadona (Mlg)
Adan (Hb) = Mi-adana (Mlg)
Shoua (Hb) = Soa (Mlg)
Ohatra vitsivitsy amin'ny niavian'ny teny malagasy ireo voalaza ireo, fa raha isaina izy rehetra dia an-jatony maro. Isaky ny mijery ao anatin'ny Baiboly hebreo taloha ianao dia mahita teny niavian'ny teny malagasy.
IV- MANINONA NO "SAKAFO FOTOTRA" IRAY IHANY NO HANIN'NY MALAGASY? :
Na aiza na aiza eto Madagikara dia "vary" no foto-tsakafon'ny Malagasy.
Ny Jiosy taloha dia nihinana varim-bazaha karazany roa, dia ny "vary tritika" sy ny "vary ordea". Ny teny hoe varim-bazaha" (blé) anefa dia "bar" na "var" no anarany amin'ny teny hebreo taloha. Noho izany, naverin'ny Malagasy ny anaran'ny foto-tsakafon'ny Jiosy taloha nony tonga teto Madagasikara izy ireo.
V-INONA NY "ZAVA-MANENO" MAMPIAVAKA NY MALAGASY? :
Ny "valiha" no zava-maneno voalohany sy mampiavaka ny Malagasy ary iraisan'ny ankamaroan'ny foko malagasy na dia misy endriny isan-karazany aza eran'i Madagasikara.
Ary misongadina sy malaza amin'izany ny "valiha tory folo". Ny zava-maneno izay notendren'ny Jiosy araka ny Baiboly hebreo taloha dia ny valiha, indrindra ny "valiha tory folo" (Salamo 33 : 2 na 144 : 9). Raha jerena ny zava-maneno notendren'i Davida Mpanjaka dia "nevel" ny fototeny, ary "nevalin" no anarany. Ny "valiha" malagasy izany no "nevalim" amin'ny Jiosy taloha.
Na ny teny jiosy, na ny teny malagasy mikasika ny "valiha "tory folo" dia samy efa nisy, na dia mbola tsy tongan'ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Ny teny hoe "nevalim" teo amin'y Jiosy dia efa 300 taona no nisiany raha kely indrindra, ary io no anisan'ny zava-maneno fototra teo amin'izy ireo, indrindra ny "nevali" tory folo".
VI- INONA NO ATAO HOE "FAHAGOLANTANY" ARY NAHOANA NY RAZAMBE NO ATAO HOE "GOLA"? :
Teo amin'ny voambolana malagasy dia nampiasa ny teny hoe "fahagolantany" ny Malagasy ilazana ny tamin'ny "tanin'ny Gola". Misy ifandraisany amin'ny teny hebreo taloha 'Golah" ve ny teny hoe "gola" amin'ny teny malagasy?
Raha misy, ny Razamben'ny Malagasy "gola" dia tsy inona fa ireo Jiosy "babo" tany Babylona (teo amin'ny 577 - 539 talohan' J.K.) nantsoina amin'ny anarana hoe "Golah". Koa raha marina fa "Golah" ny razamben'ny malagasy dia tsy maintsy hita amin'ireo Boky roa izay mirakitra ny anaran'ireo taranaka niverina avy tany amin'ny Fahababoana, dia ny Bokin'i Ezra sy Nehemia. Ezra 2 : 37 sy Nehemia 7 : 40 no ahitana ny taranak'Imer, izay manazava foko roa eto Madagasikara, dia fokon'Imer nanome anaran-tany hoe "Imerina" sy nahatonga ny foko "Merina", Jiosy avy any Indonezia; ny faharoa dia ny foko An-te-Imor (= Vahoaka Imor), Jiosy avy any Arabia - Afrika, nanome ny "Antemoro".
VII- ARY AVY AIZA NY FIAVIAN'NY "ANDRIANA MERINA"? :
Io teny "Golah" io no manazava fa ny taranaka lehibe indrindra lasa tany am-pahababoana tany Babylona tamin'ny andron'i Nebokadnezara dia ny taranak'i "JODA", izay "taranaka andriana" teo amin'ny Jiosy. Nandeha sambo izy ireo sy ny mpanara-dia azy, ka tonga teto Madagasikara. Nisy ny niditra teo amin'ny seranan'iShet (Hb = Maroz-Shet), na Maroantsetra amin'ny teny malagasy, avy eo vao tonga teto amin'ny faritr'Antananarivo sy ny manodidina. Ireo "taranaka Andriana jiosy" ireo no nahatonga ny "Andriana Merina".
Ohatra amin'izy ireo, ary anisan'ny lehibe indrindra dia Andrianampoinimerina: "Imboasalama" no anarany taloha, izay teny hebreo taloha midika hoe Im (= miaraka) + Beu (= anatiny) + Shalaim (= fiadanana) na "miaraka ao anatin'ny fiadanana", izay nipetraka tao Besakana (Hb. Besakana = ao anaty trano fitoerana).
Ary rehefa tonga teto izy ireo dia namerina ny anarana (olona, tany, rano, toerana,...) sy ny fomba amam-panao (fahaterahana, fitaizana,, famorana, fanambadiana, fiainana an-davanandro, fety, fahafatesana,...) ary ny fomba fitondram-panjakana tany Israely dia "ny andriana no manjaka sy mitondra ny tany sy ny fanjakana".
FAMARANANA:
Arak'izany tantara izany, dia tsy taranaka voahozona akory ny Malagasy fa taranaka voafidin'Andriamanitra. Ary ny Andriana merina dia taranaka mpanjaka jiosy, taranak'i Joda, niaraka tamin'ny taranaka Levita mpisorona izay nanao ny Fisoronana tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema. Tsy mahagaga raha feno toeram-pisoronana teto am-povoantany.
Antananarivo no tanàna naorina ahatsiarovana an'i Jerosalema, ka nahatonga azy nodidinina tendrombohitra roa ambinifolo tahaka an'i Jerosalema, ary mifono zavatra lalina ny Vohitra Masina roa ambiny folo, isan'ny Zanak'Israely. Marihina eto am-pamaranana fa samy ahitana ireo foko roa ambiny folo ireo eto Madagasikara ary tokony samy mandray andraikitra eo amin'ny toerana nametrahan'Andriamanitra azy ara-tantara ny tsirairay mba hisian'ny Fitahiana eo amin'ny Firenena.
RATEFY Tolotra, Mpitandrina
Antananarivo, Mey 2000
mpandinika@freenet.mg
N.B: Ratefy Tolotra dia Mpitandrina, nandalina Teolojia, Hebreo, Arameana sy Akadiana tany amin'ny Oniversiten'i Münster, ary ny Fitsaboana Alemana. Nanao fikarohana mitondra ny lohateny hoe "Sind die Madagassen Jüden." midika hoe: "Jiosy ve ny Malagasy"? |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Publicité
|
Posté le: Mer Mar 29, 2006 21:23 Sujet du message: Publicité |
|
|
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Nj Madanaute expert(e)
Inscrit le: 01 Juin 2005 Messages: 1625
|
Posté le: Mer Mar 29, 2006 21:44 Sujet du message: |
|
|
"Jiosy ve ny malagasy ?"
Je ne pense pas.
La langue malagasy s'inspire non pas de l'hébreu comme vous le dites mais de la langue arabe.
L'arabe et l'hébreu sont deux langues très proches (langues sémitiques)
ex : roi = malik en arabe et mèlèk en hébreu.
Ceci explique le comment du pourquoi.
D'ailleurs à part le projet des alliés de transformer Madagascar en Israël pour parquer les juifs à la fin de la 2e Guerre mondiale, les contacts ont été assez minces.
Des navigateurs arabes dans l'Océan Indien par contre y en a eu beaucoup et depuis un bail d'où l'influence. _________________
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Avy akaiky Invité
|
Posté le: Mer Mar 29, 2006 22:26 Sujet du message: |
|
|
| Nj a écrit: | "Jiosy ve ny malagasy ?"
Je ne pense pas.
La langue malagasy s'inspire non pas de l'hébreu comme vous le dites mais de la langue arabe.
L'arabe et l'hébreu sont deux langues très proches (langues sémitiques)
ex : roi = malik en arabe et mèlèk en hébreu.
Ceci explique le comment du pourquoi.
D'ailleurs à part le projet des alliés de transformer Madagascar en Israël pour parquer les juifs à la fin de la 2e Guerre mondiale, les contacts ont été assez minces.
Des navigateurs arabes dans l'Océan Indien par contre y en a eu beaucoup et depuis un bail d'où l'influence. |
Non la langue malgache s'inspire du français.(ex: la table=latabatra)
Non plutot de l' anglais.(ex:book=boky)
Euh! non du sanscrit,(ex:anak=anaka,panakaren=mpanakarena).
Affirmer que les malgaches sont arabes ou juifs,c'est un peu prendre un racourcis (lalan-kita-KISOA).
Et comment alors dire s'il faut relever tous les mots scientifiques malgaches.Certains dirons peut etre que les malgaches sont grecs ou romains.
Une chose qmm,les navigateurs arabes "sillonaient" les mers longtemps après d'autres peuples .On dirait que chez certains le monde(la terre )commence chez les arabes. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
trust!! Invité
|
Posté le: Mer Mar 29, 2006 23:14 Sujet du message: |
|
|
| je confirme que la langue malgache a pas mal de similitudes avec la langue arabe!! pour preuve les jours de la semaine sont exactement pareils!! demandez à un arabe de prononcer dans sa langue du lundi au dimanche!! Allez y , je vous encourage à poser la question!! |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Tena Gasy Invité
|
Posté le: Jeu Juin 22, 2006 17:33 Sujet du message: |
|
|
| Misy mpikaroka hafa, Atoa Ndriana RABARIOELINA, namelabelatra, mikasika ny jiosy eto Madagasikara, nandeha tao amin' ny TV MBS. Mbola haverina ny Zoma 23 Jiona 2006, amin' ny 12 Ora 30 antoandro, ilay fandaharana (7 anabo 1), ao amin' ny Televiziona MBS Antananarivo. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4765 Localisation: madagascar
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 10:19 Sujet du message: |
|
|
Recadrons les choses : Nj ne fait qu'appliquer stricto senso les règles du forum, telles que vous pouvez les lire ici http://www.madanight.com/viewtopic_38.htm.
Le travail de modération n'est pas évident à appliquer mais il est néanmoins nécessaire, si nous ne souhaitons pas que ce forum devienne un forum poubelle, tel qu'il en existe ailleurs sur le net.
Par rapport au sujet en question, il n'y a pas à tourner autour du pot : pas d'antisémitisme sur MN, et pas d'anti-arabisation non plus. A partir de là, on peut bien entendu en discuter (débattre) mais nous sommes d'accord qu'il appartient à tout un chacun de faire attention à ses propos, merci.
Bonne continuation.
Edit NJ : Sujet nettoyé. _________________ Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 11:08 Sujet du message: Malagasy hiringirina |
|
|
| Tena Gasy a écrit: | | Misy mpikaroka hafa, Atoa Ndriana RABARIOELINA, namelabelatra, mikasika ny jiosy eto Madagasikara, nandeha tao amin' ny TV MBS. Mbola haverina ny Zoma 23 Jiona 2006, amin' ny 12 Ora 30 antoandro, ilay fandaharana (7 anabo 1), ao amin' ny Televiziona MBS Antananarivo. |
Ary raha ndeha avadiko indray ilay fanontaniana hoe : FRANTSAY VE NY MALAGASY ? satria betsaka ny teny Malagasy mitovy @ teny Frantsay .
Na koa hoe : ANGLISY VE NY MALAGASY ? satria betsaka ihany koa ny teny Malagasy mitovy @ teny Anglisy .
Ao RAFRANTSAY sy RAANGLISY vonona hamelabelatra mikasika anio . |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4765 Localisation: madagascar
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 12:14 Sujet du message: |
|
|
Noho izany, tsotra ihany ny valinteny :
Tsy misy an'izany hoe Jiosy izany ny Malagasy, Ny Jiosy dia nateraka ho Jiosy.
Tsy misy an'izany hoe Frantsay izany ny Malagasy, ny Frantsay dia nateraka ho Frantsay.
Tsy misy an'izany hoe Anglisy izany ny Malagasy, Ny Anglisy dia nateraka ho Anglisy.
Koa tsy misy afa-tsy iray ihany ny Malagasy ary ny ankoatra izay dia tsy izy. Ny Malagasy dia nateraka ho Malagasy. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4765 Localisation: madagascar
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 12:45 Sujet du message: |
|
|
| webmaster a écrit: | | et les métis franco-malgaches-anglais vous les mettez où mon cher 3H ? |
Hay ve ! afangaronao angamba ilay resaka. Ilay hoe nateraka angamba no tsy mazava aminao.
Zava-misy ny métis ary eran-tany io. Dia mihevitra ve ianao fa ny razanao dia métis ? |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4765 Localisation: madagascar
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 12:53 Sujet du message: |
|
|
Qui sait ? Africain, bantou, indonésien, mélanésyen.... arabes ? juif ?
Mais comme je ne suis pas historien, je préfère laisser s'exprimer ceux qui connaissent mieux le sujet que moi même et ne pas me lancer dans des déclarations/affirmations péremptoires et suffisantes. _________________ Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 12:58 Sujet du message: |
|
|
| webmaster a écrit: | Qui sait ? Africain, bantou, indonésien, mélanésyen.... arabes ? juif ?
Mais comme je ne suis pas historien, je préfère laisser s'exprimer ceux qui connaissent mieux le sujet que moi même et ne pas me lancer dans des déclarations/affirmations péremptoires et suffisantes. |
Tsy misy mandà an'izany ary hevitra samy manana ny azy io. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4765 Localisation: madagascar
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Invité
|
Posté le: Ven Juin 23, 2006 13:28 Sujet du message: |
|
|
| webmaster a écrit: | C'est bien, nous sommes donc d'accord  |
Marina izany ! ny hevitro tsy voatery hitovy amin'ny hevitr'ise. Fa ny razako aloha r'ise dia Malagasy a !
Ah ! mbola tsy adinoko mihitsy aloha ilay hoe "esprit obtus et entêté" e ! Tandremo ihany r'ise fa boribory ny tany fa izaho manokana aloha dia tsy haninona an'ise amin'izany satria mpihavana isika. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
|
|