INONA NO HEVITRAREO?


Aller à la page 1, 2  Suivante
 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Femmes, fitiavana, sexualité, séduction, homosexualité
Auteur Message
Hary
Invité





MessagePosté le: Jeu Avr 28, 2005 16:02    Sujet du message: INONA NO HEVITRAREO? Répondre en citant

Manao ahoana daholo!mba te hanontany ny hevitrareo aho!Zaho dia manambady,manana ankizy roa 8 sy 6ans.Ny vadiko dia tsy mahay zany hoe responsablité envers ny ankizy,miala maraina dia hariva vao mody na ao an-trano ihany indraindray.Manana fotoana betsaka izy @ devoir tokony hataony en tant que père de famille,nefa tsy misy zavatra fantany ny momba ireo ankizy na kely aza.Na ny hoe inona no natao tany ampianarana,tsy manontany izany izy.Na ny cantine ny ankizy aza tsy hainy hoe ohatrinona?satria zaho foana no mandoa azy,ary izy indraindray ihany vao mba manome vola fanampiana ahy.Ary ny mampiankanjo ankizy zany tsy ataony,ny manome petit dejeuner zany tsy ataony koa hoan'ireo ankizy nefa dia eo izy;ny hanao sakafo zany moa dia nofy zany.Dia atoro @ zavatra tokony hataony fa anio ihany iny dia zay ny vita,na marary aza ny ankizy dia tsy mbola nisy volonté hoe izy no hitondra ny zazamarary any @ docteur na hoe andao hiaraka any.Dia tsy mba manontany fa miandry atoro foana nefa zay atoro tsy arahiny akory,dia zany foana,foana no miseho,betsaka e!dia raha nareo no teo @ place-ko dia inona no ataonareo?
Revenir en haut de page
Publicité






Posté le: Jeu Avr 28, 2005 16:02    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
variana
Invité





MessagePosté le: Jeu Avr 28, 2005 20:02    Sujet du message: Répondre en citant

Sad
raha sendra izany hoe tsy maintsy mandao ny tokantranonareo ianao andro vitsivitsy ka tsy maintsy izy irery no voatery hikarakara ireto zanakareo mandra-piverinao dia ahoana? ny fiainana tsisy mahafantatra izay ho ampitso ka tsy tokony hieritreritra ve izy ny amin'izany?
Tsy hoe faly miteny izany fotsiny aho fa mba torohevitra
"mieux vaut prévenir que guérir",( tsy haiko raha misy mifanandrify amin'izany ny antsika Malagasy)
Dia mazotoa fa toa tsy ho mora ny hampiova hevitra ny vadinao raha toa ka 8 taona naha-rain-jaza aza izany mbola tsy nisy fihetsika firy avy aminy ka hoe tena mendrika izany toerany izany
Revenir en haut de page
Hary
Invité





MessagePosté le: Ven Avr 29, 2005 15:58    Sujet du message: INONA NY HEVITRAO Répondre en citant

Ka zay koa!rehefa misy moment hoe tsy afaka aho,zany aza hoe rare satria tsy matoky azy intsony aho @lay fikarakarana ankizy,dia ankinina aminy ilay ankizy fa tsy misy mandeha @zay izy zay hatoro azy.Ny fanafody aza efa apetraka eo ambony latabatra dia manome fotsiny izy,dia hadinony hono ny nanome azy nefa zaza marary.Tena mahakivy be,zany hoe miady irery,ohatrany tsy manambady ihany ,vao maika aza manome problème izy.Raha @ saiko manokana dia tsy tokony hampianatra azy ny tokony hataony aho satria izy Ray dia tokony handeha ho azy ny fahalalana rehetra momba ny ankizy,dia izy indray no miteny hoe tsy fantany hono ny tokony hataony?dia zany ve tsy fanahiniana hatao,fitiavana tsy handray andraikitra fa mitavandra ahy foana.Mandreraka be e!
Revenir en haut de page
i raivo
Invité





MessagePosté le: Ven Avr 29, 2005 17:31    Sujet du message: Répondre en citant

Manambady aho fa tsy manan-janaka ohatranao, ka izay angamba no ahasamihafa azy.
Tsy misy valaka amin'ny tantarainao ny toetran'ny vadiko. Mandeha miasa no hainy dia miala voly rehefa mody. Tsy hainy hono ny mikarakara tokan-trano, ny mahandro sakafo ... Tsy misy farany ny efa nataonao ve ny taratasin'izao sy izao ? efa naloanao ve ny izao sy izao ? tsy hadinonao ny izao sy izao ? ets, ets, ...
Taona vitsivitsy izany foana, mankaleo be !
Ny zavatra tsikaritro, rehefa voatery izy mahavita ihany.
Fa na nanandrana nanao aza izy, nisy fotoana izaho no tsy nahatoky izay hataony , ka maika naha-be asa ahy ny nanara-maso izay vitany. Ka naka fanapahan-kevitra aho fa hifaly amin'izay vitany na dia tsy nahafam-po ahy aza, ka tsy izaho irery intsony no mivesatra ny asa sy andraikitra ato an-tokantranay.
Inona koa moa izy no tsy mahay eo, fa fialana-bala no betsaka.
Vady moa ny ahy hitako hoe sarotra vao nahitana irika kely, maika fa Ray koa etsy andaniny : maozatra ny raharaha.
Mazotoa ary e !
Revenir en haut de page
Hary
Invité





MessagePosté le: Lun Mai 02, 2005 10:47    Sujet du message: INONO NY HEVITRAREO Répondre en citant

Ka ny anao zany mba mahavita ihany ,fa ny ahy tena tsy manao mihitsy,ny hiditra bureau zany tsy ataony.Fa miandry olona foana vao mandeha,na manao photocopie aza tsy vitany.Nefa olona be critique ohatrin'ny inona,faly ny higeste fotsiny nefa tsy misy responsablité atao na kely aza.Olona mpialangalana,dia gaga hoe fa dia nahoana loatra?
Revenir en haut de page
i raivo
Invité





MessagePosté le: Lun Mai 02, 2005 16:42    Sujet du message: Répondre en citant

Tsy nanao mihitsy ny ahy nandritra ny taona maro. Ary hatramin'izao aza, raha izany resaka taratasy izany aloha dia aoka fotsiny.
Asa ianao, f'izaho dia nahatsapa, asa inona loatra ny antony, fa nihezaka nanao an'io rehetra io aho ho an'ny tokan-trano. Taty aoriana vao nahatsikaritra fa sempotry ny andraikitra isan-karazany ary tsy rariny fa ny tena irery no mivesatra izany.
Hataoko fa misy fahadisoantsika koa : nanazatra an-dry zareo nanatam-bonona isika, izy koa tsy dondrona ka nanararaotra be fahatany.
Mino ahy fa raha voatery hatramin'ny voalohany izy, hafa ny fandehany.
Ny azoko lazaina anao, ny ahy tonga tamin'ny fetran'ny zakako ny toe-javatra, any ka natao mazava ny resaka. Heveriko fa angamba mbola tia ahy izy ka nanaiky ny hanao izay azony hatao, raha tsy izany angamba dia efa "samy niala zanako".
Mankahery sy mirary izay mahasoa ho anao ry Hary a !
Revenir en haut de page
Hary
Invité





MessagePosté le: Jeu Mai 05, 2005 10:50    Sujet du message: INONA NY HEVITRAREO Répondre en citant

Ny ahy koa anie efa natao resaka e! fa e!e!e!eny hoy izy ,fa ny eo ihany no eo avy eo ,tsy nisy fivoarany akory.Zaho aloha efa tofoka tanteraka e!satria tena tsy zakako intsony,tsy misy ny fifanampiana entre-nay,fa dia zakako irery daholo ny rehetra,reraka ihany aho enfin!Izy koa anie mila karakarana hono e!zaho ve efa sahirana @ireto zaza dia mbola hikarakara azy koa.Leo aho marina e!efa ca va pas zahay @ zao,tsy vitako inatsony e!.Misaotra @ fakanherezana,mirary soa ho antsika.
Revenir en haut de page
Neny
Invité





MessagePosté le: Sam Mai 07, 2005 18:29    Sujet du message: Répondre en citant

Mampalahelo mihintsy fa maro ny lehilahy no tsy responsable mihintsy f amiandry ny vadiny fotsiny. ary ny mahakamo dia raha vao misy tsy mety dia ianao ihany ny diso nefa izy aza tsy mahavita. Mankahery antsika rehetra fa ny ahy ko adia be ny andrasako aminy nefa tsy vitany, saingy efa vady moa ka dia hiafina eo e!
Revenir en haut de page
hary
Invité





MessagePosté le: Mar Mai 10, 2005 20:45    Sujet du message: INONA NY HEVIRAREO Répondre en citant

Zaho aloha efa kivy tanteraka e! efa trop ny mahazo ahy ka aleoko tsy misy satria tsisy ilana azy mihitsy anie zany na kely aza e!.Toa manome problème indray aza nefa tokony hanampy.Haninona fotsiny izy zany,sady tsy mandray anjara ao an-trano no tsy miraharaha zay ankizy no tsy manome vola fa dia @zao fotsiny,inona koa zany?Ka zaho efa nihafy foana na vady aza,ka aleoko mandray fepetra.Tsy misy courage intsony e!
Revenir en haut de page
Neny
Invité





MessagePosté le: Mer Mai 11, 2005 4:51    Sujet du message: Répondre en citant

Salut! manadalo ny toerana misy anao mihintsy aho amin'izao fotoana izao ary ny nataoko dia nivavaka mafy mba tsy hieritreretako intsony ny problèmes rehetra fa dia napetrako tamin'Andriamanitra daholo satria tsy zakako intsony. Mivavaha koa mba hiovan'ny vadinao ahafantarany ny andraikitra miandry azy. Courage fa aza kivy izany e!!ny ankizy jerena!
Revenir en haut de page
Invité






MessagePosté le: Mer Mai 11, 2005 9:21    Sujet du message: Re: INONA NY HEVIRAREO Répondre en citant

hary a écrit:
... Haninona fotsiny izy zany,sady tsy mandray anjara ao an-trano no tsy miraharaha zay ankizy no tsy manome vola fa dia @zao fotsiny,inona koa zany?

Miasa ve ianao ry Hary ? Manana ny fidiram-bolanao manokana anao ve ianao ?
Revenir en haut de page
Hary
Invité





MessagePosté le: Ven Mai 13, 2005 21:48    Sujet du message: INONA NY HEVITRAREO Répondre en citant

Eny,miasa aho fa ahoana kay?
Revenir en haut de page
paomakely
Invité





MessagePosté le: Lun Mai 16, 2005 20:48    Sujet du message: Répondre en citant

Bon alors je m'excuse d'avance de répondre en français mais je maitrise vraiment pas le malgache même si j'arrive à le comprendre. Apparemment, Hary, tu as épousé, et je suis désolée de me permettre de dire ça, mais un vrai CON! A la rigueur, tu aurais pu laisser passer son irresponsabilité et sa paresse en tant que femme mais vous avez des enfants! Quand tu dis que même quand un des gosses est malade et qu'il n'en a rien à cirer, ça me scandalise. Moi je comprends pas pourquoi on inculque à la femme gasy qu'il faut "mihafy" et se laisser écraser (sous couvert d'une histoire de "compromis" ou "mandefitra"). Encore si ça n'engagait que toi mais tes pauvres enfants avec un père pareil!En fait c'est comme si t'étais même pas mariée mais mère célibataire! Pourquoi t'encombrer d'un fardeau pareil? Ton mari te cause plus de soucis encore, on te sent exaspérée, voire désespérée par son comportement. C'est un gamin et toi tu prends en charge toutes les responsabilités! Ouvre les yeux et demande-toi si il pourrait honnêtement changer (je reste sceptique). Commence à le responsabiliser (ne lui confie pas des enfants malades je t'en prie, c'est trop risqué). Tu es peut être aussi trop "poule" et lui se comporte en ado rebelle à l'autorité (si tu le bombardes de conseils, consignes, précautions à prendre et tâches à faire évidemment, il va être "kivy" dès le départ). Tu lui fais peut être sentir qu'il est trop nul pour s'occuper des gosses et tu ne lui laisses aucune chance d'être autonome (tu voudrais qu'il fasse tout comme toi, c'est-à-dire, parfaitement). Comprends que c un HOMME (une espèce moins perspicace que nous autres...hihihi!). Faut être subtile mais fine stratège (comme une baby-sitter avec un enfant récalcitrant). Ne lui dis, par exemple, pas "habille le petit et donne-lui son médicament et n'oublie pas le bain à 20h!". Dis-lui, d'une façon cajoleuse: "chéri, ça te dirait de préparer les enfants et les mettre au lit pendant que je fais la vaisselle? On pourrait aller au lit plus vite com ça!".
Tout est dans ta façon de "communiquer".
Essaies-tu dentamer un dialogue avec lui? Sans l'agresser directement (même si il le mérite!)!
De quand date son comportement? De la naissance des enfants? Il fait peut être un vrai blocage depuis qu'il s'est retrouvé papa!
La transition d'homme à père s'est peut être mal passée, a été trop brutale, donc il a adopté un réflexe de recul. Il veut faire "comme avant" et refuse de faire comme si les enfants étaient là!
Soit c'est un salaud, soit il a un problème assez grave psychologiquement qu'il refoule.
Essaie de lui parler. Que sais-tu des rapports qu'il avait avec son propre père?
Après cette étape de discussion (calme, n'élève pas la voix, reste diplomate car si il se sent agressé, le dialogue sera coupé et tu perdras tout les effets escomptés), pense à vous trouver des moments à vous, à deux, en amoureux. Un petit voyage (laisse les enfants à quelqu'un de confiance), une petite virée. Histoire de vous retrouver tous seuls comme avant les enfants! Peut-être se sent-il dépassé depuis leur naissance. Quelle a été ton attitude quand els enfants sont arrivés? Maman poule qui prend tout en main? Tu l'as peut être inconsciemment "écarté". Donc il a dû prendre les béébs comme des "intrus" qui lui gâchent la vie et lui "volent" sa femme. Ca arrive souvent. Ah les hommes! Il y aussi l'équivalent masculin du baby-blues tu sé!
Essaie de vous trouver des activités à deux, c'est vraiment important.
Enfin, pense à le laisser avec ses enfants seuls, sans toi. Accorde-toi des petits moments pour te retrouver en tant que femme et pas une épouse ou une mère. Il sera obligé de s'y mettre, crois-moi! Trouve des activités pour ton mari et les enfants (ensemble) du genre aller à un spectacle ou un match de foot, aller jouer au parc...
Ils doivent apprendre à refaire connaissance et re-créer des liens. Incite tes enfants à dire ce qu'ils ont sur le coeur à leur père, ça lui fera peut être réaliser.
Si en fin de compte, rien ne marche, il te reste à l'envoyer chez un psychologue! Si cette solution ne marche pas...il te reste à le quitter! Tu ne peux décemment pas laisser tes enfants vivre avec un père aussi pitoyable, ils méritent mieux (quelqu'un qui les aime et prend soin d'eux). Bon courage!!!!
Revenir en haut de page
Invité






MessagePosté le: Mer Juin 01, 2005 10:35    Sujet du message: Répondre en citant

Neny a écrit:
Salut! manadalo ny toerana misy anao mihintsy aho amin'izao fotoana izao ary ny nataoko dia nivavaka mafy mba tsy hieritreretako intsony ny problèmes rehetra fa dia napetrako tamin'Andriamanitra daholo satria tsy zakako intsony. Mivavaha koa mba hiovan'ny vadinao ahafantarany ny andraikitra miandry azy. Courage fa aza kivy izany e!!ny ankizy jerena!


Aza kivy re fa dia mazotoa fa fianana daholo izany ry Hary a ! tsy maintsy mbola hiova ihany izy.
Revenir en haut de page
Hary
Invité





MessagePosté le: Mar Juin 07, 2005 23:24    Sujet du message: INONA NY HEVITRAREO? Répondre en citant

Misaotra anao ry Paomakely t@ conseils nomenao efa nataoko zay mety fa tsy nisy vokany,dia ohatrin'ny teninao no nataoko hoe mba miresaka moramor taminy mba hanisy vokany nyn resaka mais tsy nisy vokany e!ary ny tena blème dia tsy hay atoro fa averina 1000fois hoe zay atoro hoe tsy zany fa zao!atao an'izao ireto,ohatr'izao rehefa manao sakafo ny ankizy sns...fa tsy ao mihitsy e!nefa izy tsy dondrona akory,fa tsy fantatro hoe AHOAN MARINA ARY?fa ny fandraisako azy dia tsy hanao fotsiny izao dia hoe tsy mahay sns...Ny zanako nasaiko nanao judo,mba niandry aho hoe mba izy no mampirisika ny hanao arts martiaux satria izy mba 3è Dan ihany @ Aikido dia manao Kung-fu sy Karaté koa izy ka automatiquement tokony izy no misintona ny zanany hanao izany ,nefa tsy nisy resaka na kely aza,efa ho 2ans zao ry zareo no manao judo dia tsy mba hoe mba mampianatra sns na tsy haiko e!momba an'io fa e!e!e!tsy misy zany na mba hoe hanatitra any @ entrainement,tsy mbola nisy daholo zany hoe aleo alaiko na ateriko ,tena gaga fotsiny aho.Ka tsymisy azo hatao intsony e!ary taty aoriana moa dia nahazo aretina lasa kizitina aminy satria tsy misy zavatra ataony mihitsy,dia tezitra foana aho,tena manome fo ilay izy fa meteza aminy place-ko.Tsy misy azo atao aminy na kely aza moa izy koazarany aza ianao tsy manontany azy,la vie est belle pour lui.
Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Femmes, fitiavana, sexualité, séduction, homosexualité Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Aller à la page 1, 2  Suivante
Page 1 sur 2

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
INONA NO HEVITRAREO? écrit le 28/04/2005
INONA NY FANATENANAO HO AN'I MADAGASIKARA ? écrit le 18/06/2007
Inona no vaovao eto Dago ?è écrit le 19/01/2005
insecurité a tana. Inona ny vahaolana e? écrit le 09/02/2005
D INONA ZANY NO ATAONAY?????? écrit le 04/06/2006


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII