fianarana eto madagascar

Aller à la page 1, 2  Suivante
 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
saribakoly
Invité

MessagePosté le: Ven Fév 17, 2006 17:21    Sujet du message: fianarana eto madagascar Répondre en citant

Mba ahoana koa ny fahitanareo ilay fiovana handentika ny fianaran'ny malagasy kely . Ny Université ary efa tsy hita izay ala-olana fa toa grevy foana sy kolikoly no betsaka ao dia ampiana olana indray ny fanabeazana ampiana taona iray indray ny secondaire. Efa iriana mihintsy angaha ny tsy hahatafita ireto taranaka fa vao avy niala ny SN dia ampiana herintaona indray anefa ny ministra anie mba manam-pahaizana ihany . Mba ataoko fa hamafisina ny fampianaranana ampiana filière vaovao tahaka ny technologie na ho hatsaraina ny fampianarana ny teny anglisy fa nahita ny fomba fampianarana tany Singapour, hay loza ny zatra avoaka fa ny mbola handetika ireo taranaka lalina kokoa indray no atao.
Mba mihevera ry ireto â !
Revenir en haut de page
Publicité

Posté le: Ven Fév 17, 2006 17:21    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Ven Fév 17, 2006 21:21    Sujet du message: Re: fianarana eto madagascar Répondre en citant

saribakoly a écrit:
Mba ahoana koa ny fahitanareo ilay fiovana handentika ny fianaran'ny malagasy kely . Ny Université ary efa tsy hita izay ala-olana fa toa grevy foana sy kolikoly no betsaka ao dia ampiana olana indray ny fanabeazana ampiana taona iray indray ny secondaire. Efa iriana mihintsy angaha ny tsy hahatafita ireto taranaka fa vao avy niala ny SN dia ampiana herintaona indray anefa ny ministra anie mba manam-pahaizana ihany . Mba ataoko fa hamafisina ny fampianaranana ampiana filière vaovao tahaka ny technologie na ho hatsaraina ny fampianarana ny teny anglisy fa nahita ny fomba fampianarana tany Singapour, hay loza ny zatra avoaka fa ny mbola handetika ireo taranaka lalina kokoa indray no atao.
Mba mihevera ry ireto â !

Hors sujet ianao.Tsisy dikany ny tsikeranao.Eto frantsa zao misy sekoly mandray ankizy kely feno" roa taona sy tapany",dia midika ve izany fa ahay tsara ireo ankizy ireo.Tsy dia hita mivaingana ny zava-bita ny mpitondra taloha fa tsy misy maharatsy ny SN.Sa inanao zanaka ngetroka nitsoaka sn taty frantsa dia be t-bava.Ary nony tafita ianao inona no zavatra mba nataonao ho an'ny tanindrazanao?
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Sam Fév 18, 2006 10:23    Sujet du message: Répondre en citant

Mila jerena ihany koa fa ny ankamaroann'ny malagasy (70%, mahery aza angamba) mipetraka any ambanivolo, ka matetika izy ireny vita ny école élémentaire dia mieritreritra fa efa nahazo ny base ka tsy ilaina intsony ny manohy, ka raha ampiana taona iray ny cours élémenatire dia mba mitombo kely ko any fotoana handehanana any an-tsekoly, mety mahatsara zavatra ihany izany na dia kely fotsiny aza.
Rehefa misy décision politique ohatran'ireny dia ny intérêt général no jerena fa tsy ny intérêt-n'ny tena manokana.

Fa kosa ny momba ny université dia asa ny hevitrareo fa tena hitako futile tanteraka ny revendication'ireo izay milaza fa miaro ny zon'ny mpianatra. Vaovao hitako farany tamin'ny express dia hoe angatahin'ny dry zareo (KMTM: comité pour la défense des intérêts des étudiants) hoe havadika logement étudiant ny bibliothèque universitaire: http://www.lexpressmada.com/article.php?id=40697&r=13&d=2006-2-16. Izany ve dia mba hevitra tsara raha mba misaina kely ireo olona milaza ho miaro ny zon'ny mpianatra! J'ai jamais vu ça de ma vie, c'est du n'importe quoi. Heureusement fa tsy nekena ilay izy, et leur réponse après c'est: "cétait juste une idée!", et bien ils vont pas loin pour chercher leurs idées!!!
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Sam Fév 18, 2006 10:51    Sujet du message: Répondre en citant

Anonymous a écrit:

Resaka politika daholo ny eny Ankatso.Mpanakorotana ireny fa tsy mpiaro ny tombotsoan'ny mpianatra velively.
Revenir en haut de page
saribakoly
Invité

MessagePosté le: Mar Fév 21, 2006 20:24    Sujet du message: Répondre en citant

Marina ny anao fa mpanankorontana daholo ny ankabeazan'ny eny Ankatso fa tsy miaro ny tombotsoan'ny mpianatra akory ka mila fanamborana sy fanarahana izany ary maninona koa moa raha mba mianatra ny ataon'ny Inde , atao Université ho an'ny cadre dia tsongaina tsara na ny mpianatra na ny mpiasa eny fa na ny mpampianatra aza. Ny tombontsoan'ny firenena sasany aloha dia izy miteny anglisy satria ny ankabeazan'ny serasera eto ambonin'ny tany aloha dia io no betsaka miteny sy matanjaka.
Raha manaraka tsara ny fanabeazana fototra ianao dia 18 taona ny ankizy vao afaka Bac , ka tokony 19 taona izany ankehitriny????eto Madagascar .
Izaho manokana aloha dia tsy nahazo tombotsoa tamin'ny SN fa very fotoana, raha 3 volana dia mety nahafinaritra fa roa taona dia avy eo nahemotra herintaona, tena very fotoana, asa ianao angamba tsy mba nanao izany.
Ny progrès techniques no tokony himasoantsika raha te-handroso haingana ka fanatsarana no ilaina fa tsy fandaniana andro, rehefa tsy maharaka dia mamerina kilasy ê!.
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Mar Fév 21, 2006 20:35    Sujet du message: Répondre en citant

Bonjour daholo,

Nody tany Dago aho taona vitsivitsy lasa izay fa mba nentanin'ny fitiavan-tanindrazana ka hoe hody dia hampianatra eny amin'ny avo ! Lalina, ny tena efa zatra niasa be sy nanao projet lava ho amin'izay atao tany amin'ny tany nialana tonga tany amin'ny tanana ! Telo volana nivory ihany no natao raharaha, nony hoe nanomboka ny cours, nanomboka niaraka taminy koa ny grevy. Fara hevitra, raha tena mody aho tsy eny amin'ny avo intsony aho no hiasa fa any amin'ny école angaha !

manimba ankizy sady manimba firenena no fahitako azy !
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Mar Fév 21, 2006 22:48    Sujet du message: Répondre en citant

saribakoly a écrit:
Marina ny anao fa mpanankorontana daholo ny ankabeazan'ny eny Ankatso fa tsy miaro ny tombotsoan'ny mpianatra akory ka mila fanamborana sy fanarahana izany ary maninona koa moa raha mba mianatra ny ataon'ny Inde , atao Université ho an'ny cadre dia tsongaina tsara na ny mpianatra na ny mpiasa eny fa na ny mpampianatra aza. Ny tombontsoan'ny firenena sasany aloha dia izy miteny anglisy satria ny ankabeazan'ny serasera eto ambonin'ny tany aloha dia io no betsaka miteny sy matanjaka.
Raha manaraka tsara ny fanabeazana fototra ianao dia 18 taona ny ankizy vao afaka Bac , ka tokony 19 taona izany ankehitriny????eto Madagascar .
Izaho manokana aloha dia tsy nahazo tombotsoa tamin'ny SN fa very fotoana, raha 3 volana dia mety nahafinaritra fa roa taona dia avy eo nahemotra herintaona, tena very fotoana, asa ianao angamba tsy mba nanao izany.
Ny progrès techniques no tokony himasoantsika raha te-handroso haingana ka fanatsarana no ilaina fa tsy fandaniana andro, rehefa tsy maharaka dia mamerina kilasy ê!.

Hialako tsiny raha niteny aho hoe zanaka ngetroka nga ianao no nitsoaka SN,maro ny olona mitovy taona amiko nitsoaka SN tany Dago.Izaho manokana dia tsy nanao Sn fa nanao Smi teto frantsa(ex RFA)nandritra ny roa taona.Hatramin'izao aloha tsy mbola tsapako hoe very fotoana aho.Ny atao hoe SN aloha dia zavatra tahaka ny fanabeazana ihany .Fanampiana ny firenena.Fianarana fahaiza miaina amin'ny mpiray tanindrazana aminao.Matoa natao roa taona na eritaona dia safidim-bahoaka ka moa va ny iray aminireo afaka milaza fa tsy mahomby azy,ka tsy mila ny hanaovany izany.
Tsy azoko lazaina loatra hoe inona ny tena nahatonga ny fanjakana hanampy iray taona.Tsy dia midika loatra izany hoe very fotoana.
Ianao indrindra mitanisa firenena anglosaxon,fa nga moa misy an'izany bac izany any @ndry zareo rehetra anglosaxon.Ny olana dia i lafrantsa foana no atao ohatra satria handeha hanarato fianarana eto daholo rehefa afaka bac.Firy amin'ny frantsay afaka bac no mahay miteny anglisy?Mahamenatra ny miteny hoe gisitra eto eropa ny frantsay.Izany hoe isika gasy izany mbola tena gisitra satria sady tsy mahay misafidy dieny mialoha,na frantsay na anglisy. Ka raha ohatra ve hahaizana teny anglisy no hanampiana erintaona ny ambaratonga iray dia midika fa very fotoana.Tsy haiko mety diso ny eritrerritro.Rehefa miresaka fianarana sy fanabeazana dia aza mba raisina ohatra hianarana i lafrantsa.Ampatsahivina fa eto no misy an'izany hoe miditra sixième dia misy tsy mahay manoratra tsara sy mamaky boky vilana @ teny frantsay izany.

Raha misy olana iray ka tokony ho soroana any Madagasikara dia ny fisian'ny sekoly marobe tsizarizary eo @fitaovana,ny ara-bola,ny mpampianatra .
Aleon'ny sasany vintsy an'isa mandefa ny zanany any @sekoly manjabe tsy tafiditrin'ny daholobe toa izay mandoha etra-mpanjakana.Dia rehefa tafita ny zanakin'ny vintsy an'isa dia tsy miverina any dago intsony na mikarama zarizary aza eto frantsa.
Voamaika koa hanome vahana ny sasany ny politikan'ny frantsay hanao seleky ny mpifindra monina azo raisina eto frantsa.
Revenir en haut de page
saribakoly
Invité

MessagePosté le: Mer Fév 22, 2006 20:52    Sujet du message: Répondre en citant

Anonymous a écrit:
Bonjour daholo,

Nody tany Dago aho taona vitsivitsy lasa izay fa mba nentanin'ny fitiavan-tanindrazana ka hoe hody dia hampianatra eny amin'ny avo ! Lalina, ny tena efa zatra niasa be sy nanao projet lava ho amin'izay atao tany amin'ny tany nialana tonga tany amin'ny tanana ! Telo volana nivory ihany no natao raharaha, nony hoe nanomboka ny cours, nanomboka niaraka taminy koa ny grevy. Fara hevitra, raha tena mody aho tsy eny amin'ny avo intsony aho no hiasa fa any amin'ny école angaha !

manimba ankizy sady manimba firenena no fahitako azy !

Io indrindra no tokony dinihana fa raha misy vola (budget) ihany hanampiana herintaona ny fanabeazana fototra tsy aleo ve hampitomboana ny karaman'ny mpampianatra fa ireny anie no mba harentsain-tsika anefa tena tsy lavorary ny karamany anefa mafy ny asany ( hoy indray ianao hoe fa iza no tsy miasa mafy ), sy mba hatsaraina ny fomba fiasa, asiana solony ny mpampianatra tsy tonga ohatra, na asiana bibliothèque ,sns...
Aleo tsy dradraina ny karama hampiakarina indray fa vao resahana fontsiny izany dia efa miakatra indray ny vidim-bary rahampitso. Io koa no mila tadiavina ny fomba tsy hahafahan'ny mpivarotra mampiakatra isan'andro ny vidin-javatra.
Ny tsy mahatakatra ecole privée foana izany no ambany lanja satria ny manambola tsy handefa ny zanany any amin'ny fanjakana indray, mampalahelo fa tsy mahita lavitra ny fanjakana anefa hazakazaka ny fiainana. Tsy misy maharatsy ny maka izay mahasoa ny fomba fampianarana frantsay sy anglosaxon ka izay mety amintsika dia ampiharina fa efa tsy misy colonisation intsony izao fa izay hahatafita ny firenentsika malagasy miaraka amin'ny mponina ao mazava ho azy.
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Jeu Fév 23, 2006 8:31    Sujet du message: Répondre en citant

Marina ny lazainareo fa misy olana roa lehibe mitranga amin'ny fampianarana malagasy:
- ny tsy fahampian'ny fitaovana (lakilasy, mapmpianatra sns)
- ny "déprise de l'école" par les enfanst surtout any ambanivohitra
Ka ny fanampiana ny ambaratonga fototra taona iray dia mety ho vahaolana à long terme ho an'ireo izay firy pour cent amin'ny zaza malagasy izay miala amin'ny fianarana vita ny CEPE. Ka mbola hamafisiko ihany fa rehefa misy décision politique ohatran'ireny aoka re tompoko ny intérêt général no ho jerena e.
Saribakoly milaza fa 18 taona ny zaza malagasy no manala bacc, hihemotra 19, ka misy inona moa izay herintaoana? rehefa miakatra eny amin'ny ambaratonga ambony (fac) hita tsara fa tsy misy antony velively ny hanenjehana hoe taona kely e sns, fa ny ilaina dia ny "acquisition des connaissances nécessaires" mba hentina eo amin'ny lafiny arak'asa, ka izay indrindra raha mba mety hampiakatra ny niveau général d'alphabétisation ny malagasy en général ny fanampiana taona iray maninona moa????
Izany akory tsy midika akory fa tokony havela ny fampianarana ambony, fa amiko dia mila réforme be mihitsy ny fampianarana malagasy, ary dia manaiky ny tenin'i invité iray etsy ambony aho hoe tsy voatery ny système français no tsara.
Firenenena iray izay tsy dia lavitra antsika aram-pihaviana: Indonésie, anisan'ny pays émergent amin'izao fotoana izao. Marina fa maro ny facteurs nampiakatra azy ireo, fa kosa zavatra iray lehibe dia ny fampiakarana ny niveau d'alphabétisation, sy ny niveau de l'éducation en général, ary ry zareo dia manaraka ny système anglosaxon, ka olona iray mitovy niveau tamiko (izaho avy any frantsa) dia lasa lavitra no ho izaho amin'ny resaka pratique sy utilisation des connaissances (marihiko fa filière sciences humaines io), raha resaka théorie be sy ny karazany dia manana be dia be aho (savoir) fa saingy tsy ampy "savoir faire". Ary dia tonga saina aho tamin'izany raha nampitahaiko ny système anglosaxon sy français.
Revenir en haut de page
Invité

MessagePosté le: Ven Fév 24, 2006 18:22    Sujet du message: Répondre en citant

saribakoly a écrit:
Anonymous a écrit:
Bonjour daholo,

Nody tany Dago aho taona vitsivitsy lasa izay fa mba nentanin'ny fitiavan-tanindrazana ka hoe hody dia hampianatra eny amin'ny avo ! Lalina, ny tena efa zatra niasa be sy nanao projet lava ho amin'izay atao tany amin'ny tany nialana tonga tany amin'ny tanana ! Telo volana nivory ihany no natao raharaha, nony hoe nanomboka ny cours, nanomboka niaraka taminy koa ny grevy. Fara hevitra, raha tena mody aho tsy eny amin'ny avo intsony aho no hiasa fa any amin'ny école angaha !

manimba ankizy sady manimba firenena no fahitako azy !

Io indrindra no tokony dinihana fa raha misy vola (budget) ihany hanampiana herintaona ny fanabeazana fototra tsy aleo ve hampitomboana ny karaman'ny mpampianatra fa ireny anie no mba harentsain-tsika anefa tena tsy lavorary ny karamany anefa mafy ny asany ( hoy indray ianao hoe fa iza no tsy miasa mafy ), sy mba hatsaraina ny fomba fiasa, asiana solony ny mpampianatra tsy tonga ohatra, na asiana bibliothèque ,sns...
Aleo tsy dradraina ny karama hampiakarina indray fa vao resahana fontsiny izany dia efa miakatra indray ny vidim-bary rahampitso. Io koa no mila tadiavina ny fomba tsy hahafahan'ny mpivarotra mampiakatra isan'andro ny vidin-javatra.
Ny tsy mahatakatra ecole privée foana izany no ambany lanja satria ny manambola tsy handefa ny zanany any amin'ny fanjakana indray, mampalahelo fa tsy mahita lavitra ny fanjakana anefa hazakazaka ny fiainana. Tsy misy maharatsy ny maka izay mahasoa ny fomba fampianarana frantsay sy anglosaxon ka izay mety amintsika dia ampiharina fa efa tsy misy colonisation intsony izao fa izay hahatafita ny firenentsika malagasy miaraka amin'ny mponina ao mazava ho azy.

Izaho lay olona nody io ambony io !

Eto no tena olana anie ry Saribakoly dia zao e ! Ny budget tsy misy, ny tena nazoto dia nazoto ny hiasa nefa moa dia arak'io voalaza io ny zavatra nitranga, ny niasa vacataire nandritra ny herintaona tsy nampaninona ahy koa fa ny fahamatorana na eo amin'ny ankizy hianatra na eo amin'ny lehibe hampianatra na eo amin'ny tompon'andraikitra ambony dia atody e !!!!

Ny mahatonga ahy ho any amin'ny école dia ny fahatsapako hoe any somary vonona kokoa ny olona ary indrindra tena tsapako fa tsy ampy ny mpampianatra ho an'ny fanabeazana fototra ! Ilay hoe hanolo ny mpampianatra tsy tonga aloha hoy aho indrindra raha any ambanivolo dia adinoy e ! rehefa tsy mahita ny fram dia asa angaha mety fiarafa amin'ny fikatonan'ny sekoly ! Ny relève ho an'ny formateur de formateurs koa tsy misy ny ankizy izay vita fianarana mijanona any amin'izay misy azy daholo fa kely karama, tsy ifanomezan-tsiny izany fa samy mitady izay mahasoa azy !
Revenir en haut de page
jErrY
Invité

MessagePosté le: Dim Fév 26, 2006 18:06    Sujet du message: Répondre en citant

Atao inono moa fianarana.Tsy aleo ve manao bizness dia tafita?Jereo fotsiny ny president ravalo,tsy bepc ampôsy,kanefa dia tafita be fa raha mbola president aty afrika tsy misy manakarena mitovy aminy.
Revenir en haut de page
saribakoly
Invité

MessagePosté le: Dim Fév 26, 2006 18:31    Sujet du message: Répondre en citant

L'important étant la qualité et non pas la quantité.
Misy tokoa Bac-7 araka ny lazain'i Jerry anefa tafavoaka tsara amin'ny fiainany fa nanana bonnes relations ary tsy nanantena ny hiasa aman'olona fa ny hiasa ho an'ny tenany ihany satria efa fantany fa ny taratasy baoritrany tsy hahatafita azy dia efa namboariny araka izany ny fiainany sy ny fitadiavany vola, ary misy Bac+7 mbola mifampitady hatramin'izao fa nisy namingany indray mandeha dia tsy tafarina intsony.
Revenir en haut de page
hevitsoa
Invité

MessagePosté le: Mer Avr 12, 2006 19:30    Sujet du message: le fanabeazana Répondre en citant

saribakoly a écrit:
Marina ny anao fa mpanankorontana daholo ny ankabeazan'ny eny Ankatso fa tsy miaro ny tombotsoan'ny mpianatra akory ka mila fanamborana sy fanarahana izany ary maninona koa moa raha mba mianatra ny ataon'ny Inde , atao Université ho an'ny cadre dia tsongaina tsara na ny mpianatra na ny mpiasa eny fa na ny mpampianatra aza. Ny tombontsoan'ny firenena sasany aloha dia izy miteny anglisy satria ny ankabeazan'ny serasera eto ambonin'ny tany aloha dia io no betsaka miteny sy matanjaka.
Raha manaraka tsara ny fanabeazana fototra ianao dia 18 taona ny ankizy vao afaka Bac , ka tokony 19 taona izany ankehitriny????eto Madagascar .
Izaho manokana aloha dia tsy nahazo tombotsoa tamin'ny SN fa very fotoana, raha 3 volana dia mety nahafinaritra fa roa taona dia avy eo nahemotra herintaona, tena very fotoana, asa ianao angamba tsy mba nanao izany.
Ny progrès techniques no tokony himasoantsika raha te-handroso haingana ka fanatsarana no ilaina fa tsy fandaniana andro, rehefa tsy maharaka dia mamerina kilasy ê!.

izaho aloha dia miara hevitra @ao satria ny firenena rehetra mijery ny avenir fa ny antsika indray toa miverina aoriana,
Revenir en haut de page
dondrona
Invité

MessagePosté le: Lun Juin 26, 2006 11:43    Sujet du message: Répondre en citant

mirediredy raha ianareo. lazaiko anareo marina tokoa fa raha tsy ny fomba fisainana aloha no ovaina hatrany amin'ny fototra dia ho rano araraka andamosin'ny gana fotsiny ny ezaka ataon'ny manam-piniavana. voalohany raha ny mpitondra no mbola andevozin'ny fitiavan-tena sy ny vola ary ny tandrefana (na frantsay io na anglo-saxon), tsy hisy zava-banona eto. rehefa miova ny mpitondra ka maneho fitondrantena vanona sady maontina dia ho afaka mitaiza ny vahoaka satria hatahotra ho azy ny vahoaka amin'izay fotoana izay.
ny mpitondratsika mpitaribato vilam-bava mitondra vahoaka jamba sy be maharenina koa aiza ary no hidiran'ny fandrosoana sy ny fampandrosoana amin'izany.
manaraka izany, ny zavatra mbola mampahantra ny afrikana sy ny malagasy koa dia io filolohavana ny tandrefana io ihany. nitaratra an'iza moa ry zareo tandrefana no nampandroso azy? tsy nitaratra an'iza an'iza! koa nahoana isika no tsy maintsy hoe manaraka ny ataony izay vao mety ho afaka amin'ny fahantrana? ho fanampin'izay, ny tandrefana na ny hafa dia ny tombotsoany hatrany no kendreny rehefa mitady serasera amin'ny hafa izy fa tsy hampiala anao ao anatin'ny fahantranao mihitsy!
Revenir en haut de page
qsw
Invité

MessagePosté le: Dim Mar 11, 2007 6:27    Sujet du message: Répondre en citant

Marina aby ve izany
Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Aller à la page 1, 2  Suivante
Page 1 sur 2

Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 

Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
fianarana eto madagascar écrit le 17/02/2006

Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII