| Auteur |
Message |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4762 Localisation: madagascar
|
Posté le: Mar Juin 08, 2004 0:02 Sujet du message: Des nouvelles d'Ando |
|
|
Plus de 2 mois après l'arrivée de la petite Ando en France, nous savions que tout n'allait pas exactement comme on l'espérait, néanmoins, par pudeur et par discrétion, l'équipe Madanight a volontairement décidé de ne pas diffuser ici de nouvelles "non officielles".... et cela jusqu'à aujourd'hui 07 Juin 2004, ou ravaka, le père, nous a contacté afin que l'on recueille et diffuse ses sentiments sur l'évolution de la situation.
Bonjour ravaka, ka manao ahoana i Ando ao ?
"En forme" tsara, efa miatsara miatsara lalandava. Ilay masony no mbola ho ela vao tafaverina tanteraka. Izany hoe tsy mikitika ilay masony ry zareo raha tsy efa vita tanteraka mihintsy ny mikasika ny lohany.
Efa manomboka mahita ihany izany izy izao ?
Ie, efa manomboka mahita izy izao. Izao i Ando efa manavaka tsara. Hafaka milaza izy iza no olona eo alohany.
Azo lazaina fa nety ilay fotoana nahatongavanay taty na dia somary tara aza, nefa ny zavatra rehetra miara miasa hoy ny tenin’Andriamanitra izay.
Misy antony matoha izahay tonga amin’izao. Marina fa nisy zavatra nahadiso fanantenana ihany, satria efa ho in-telo izy no tsy nahatsiaron-tena (dans le coma) izy taty, ary in-telo ihany koa ny dokotera nilaza hoe "il ne faut pas s’attendre à des miracles". Dia somary mikapoka ny loha mihintsy izay fomba fitenenana izay. Ny dokotera iray moa nilaza hoe kely dia kely ny "chance", izaho namaly azy hoe "ny chance" efa nananay hatrany dago ka nanaraka anay hatraty.
Inona no azo ambara mombany ilay "chimiothérapie" ?
"2 séances" izay no vita. Hoy ny dokotera hoe farafahakeliny 6 volana.
Isika moa izany vahiny eto an-dafy, ka ahoana ny fandehan’ny fanampiana ara-bola, ny taratasy ... ahoana ny ataonareo ?
Tamin’ny voalohany moa nieritreritra hoe handeha any La Réunion fa hoe akaiky, nefa rehefa nodinihina mitovy ihany ny vola lany na any na aty. Nefa koa tsy tokony milaza ny vola lany aho satria fanampiana avy amin’ny fanjakana izany rehetra izany. Izaho mpiasa mpanjakana tsotra, tsy manana vola hanaovana izany rehetra izany.
Hafa ihany koa aloha ny aty an-dafy, fa misy "Assistante sociale" azo anantonana, dia izy no mikarakara ny taratasinay. Amin’izao fotoana izao izany misy taratasy iray sisa (tonga androany avy any dago) no andrasana dia ampetraka any amin’ny Préfécture ny "dossier".
Izany hoe tokony tsy misy olana hoy ilay "Assistante Sociale".
Be dia be moa ny “internaute” nanontany ao @ madanight sy madaforum hoe manahoana i Ando kely any ?
Izao aloha izy mbola tsy azo vangina fa mbola ao amin’ny "réanimation" foana. Fa dia voakarakara tsara. Sady tena efa niova be izy,nahazo aina be. Tamin’ilay sary taloha iny izy 18 kg, dia efa tonga 25 kg, dia amin’ilay "chimio" teo dia somary nihena 23 kg izao izy.
Efa 2 volana moa izay ianareo no taty, inona no mba tinao lazaina amin’ny reniny ?
Izahay moa isan’andro mifampiresaka amin’ny telefonina.
Efa niatsara mihintsy i Ando vao nolazaiko antsipirihiny ny zavatra nitranga rehetra taty satria manjary mitebiteby izy.
Ny antony mbola hitazoman’ny dokotera azy ao amin’ny "Salle de réanimation" dia sao sanatria misy zavatra hafa (infection) mampitomby indray ilay "tumeur".
Ka Inona izany izao no azo amboara momba izany rehetra izany?
Alehoko koa aloha izy hijanona ao fa misy olona (dokotera ... ) manaraka tsara. Misy “relevés” tsy maintsy ataondry zareo foana.
Ny dokotera aty moa nilaza fa raha tsy nodidina mihintsy i Ando tsy hita marina ny zavatra nahazo azy.
Manantena izany izahay mba ho tafavoaka soamantsara i Ando. Ka inona no hafatrao farany ?
Misaotra be dia be hoan’ ny olona rehetra. Izaho tsy nanadino akory, fa aminay, aleho aloha izy tafavoaka tsara dia ataoko ilay fisaorana. Ary tsy misy azo adino akory.
Propos recueillis le 07 Juin 2004 - Hopital Necker - Paris
Si vous souhaitez écrire des mots d'encouragement à la petite famille, n'hésitez pas à le faire, ici, à la suite, nous transmettrons les messages. _________________ Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Publicité
|
Posté le: Mar Juin 08, 2004 0:02 Sujet du message: Publicité |
|
|
|
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
sista_karine off line Invité
|
Posté le: Mar Juin 08, 2004 10:15 Sujet du message: |
|
|
| J'ai suivie l'arrivée de la ptite Ando [via Madanight] depuis son départ de Mada jusK maintenant. Et la seule chose que je voudrais dire c'est de lui souhaiter bon courage, elle est en de très bonnes mains, moi-même j'ai été suivie dans ce même hôpital, pour différentes raisons, mais qu'elle ait confiance, comme son père l'a maintes fois répété. Bon courage pour la famille, que Dieu vous garde, je suis sûre que son état ne fera que s'améliorer. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
varatra Touriste
Inscrit le: 11 Mai 2003 Messages: 4 Localisation: france
|
Posté le: Sam Juin 12, 2004 0:17 Sujet du message: |
|
|
Mirary an'i Ando ho sitrana haingana. Ny Tompo izay nitantana azy sy ny fianakaviany anie homba azy ireo mandrakariva. Manantena tokoa fa ho vita haingana ny fanampiana avy @ aide sociale. Izaho koa nana-namana, tsy mba nanana mutuelle, sécu, sns... ary dia ny aide sociale no nanampy azy tany @ hopitaly.
Mirary soa indrindra tompoko |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
elman Madanaute expert(e)

Inscrit le: 20 Nov 2002 Messages: 4762 Localisation: madagascar
|
Posté le: Mer Juin 30, 2004 14:44 Sujet du message: |
|
|
Merci à tous pour ces marques de sympathie!
Un petit coucou aux internautes depuis l'Hopital necker... Et regardez moi ces joues bien... joufflues !
Courage Ando, on est avec toi!
Juin 2004
Et la petite serait donc sortie ??? Je vous tiens au courant tres tres rapidement
| Le 30 Juin 2004, ravaka a écrit: | Miarahaba ny internaute madanight rehetra. Ravaka, dadan i Ando no manoratra ho antsika rehetra. Fisaorana an Andriamanitra lehibe no voalohanteny satria nivoaka soa aman tsara ny hopitaly I Ando. Ny fitsaboana sy ny fanarahamaso ny fahasalamany dia mitohy hatrany. Hanao ny 3e cure chimiothérapie izy ny voalahandohan ny volana jolay mitsidika io.
Manaraka izany tsy hay ny tsy hisaotra ny fitondrana malagasy tamin ny alalan ny Ministre de la Sante et du Planning Familial ny amin ny prise en charge nomeny, ny Represantant Permanent aupres de l UNESCO à Paris,les LIONS Club Antananarivo Vohitsara, Atoa isany DELMOTTE Emile Nicolas represantant et President de l Association des Anciens élèves du Lycée Raherivelo Ramamonjy Fianarantsoa, GOULAMALY HIRDJEE YKBAL, ZOUZAR BOUKA President Directeur General du COGENAL, ny Lycée Moderne Ampefiloha solontena Proviseur, Personnels Administratifs,ny Enseignants, ny mpianatra kilasy faha-2 taona 2003-2004 rehetra, ny Anciens du Lycée Moderne Ampefiloha solontena ny filoha am-perin asa Maitre RAZAKAMANANTSOA Gustave sy mpitam-bola jeneraly NOURAD ABDIRASSOUL ary ireo mpikambana vitsivitsy, ny FJKM Ambohimarina Atsinanana, ny Collège Privé LA PEPITE D'OR Antaninandro solontena ny Tale ny Personnels Administratifs, ny Enseignants, ny Mpianatra rehetra,ny "amies inséparables" de Ando, TOAVINA RASANDY any Etats Unis, ny Compagnie AIR FRANCE tamin'ny alalan'Atoa Directeur Général Bernard FRANCOIS Antananrivo Madagascar, ny MEDICAL INTERNATIONAL Solontena Atoa Mondy PIERRE Directeur Gérant,Ratoa RAMAMONJISOA Elisa, Ratoa Evelyne HERIMANDA, Atoa RAZAFIMANANTSOA Théos,ireo gazety miseho isan'andro ao Antananarivo: MIDI Madagasikara, TRIBUNE, EXPRESS de Madagascar, Gazetiko, Ianareo rehetra tsy nitonona anarana ary tsy nanaiky ho tononona anarana ihany koa (Madagascar, France, Suisse) ary tsy adino akory ny Madanight rehetra izay nisy solontena tonga nitsena teny amin'ny aéroport CDG dia Atoa RATSIMANDRESY Johan sy Mpikambana vitsivitsy.
I Ando no nahazo fitsaboana sahaza nahafahana nanavotra ny ainy indrindra indrindra dia noho ny fitiavanareo,ny fiarahanareo rehetra nanao soroka miara milanja, tongotra miara mamindra ary tanana niara mibata nitondra izay zakanareo ho fitsaboana an'i Ando,ny fitrotroana am-bavaka tsy adinonareo. Notanterahinareo ny fitenin'ny razantsika hoe" Izay marary andrianina". Tohina ny fo, raha ny vitanareo tamin'i Ando dia tsy hain'ny fianakaviana valiana, Andriamanitra anie handrotsaka lalandava ny fahasoavany ho amin'ny tsirairay avy. Lehibe ianareo ka tsy telina fa raha ny vitanareo dia sitraka sy telina tokoa tompoko. Eto am-pamaranana dia miala tsiny miala fondro miala salohy fito amintsika mianakavy raha sanatria misy adino. Ny teny maro hono tsy ilaoza n'ota koa mametraka ny veloma mandra-panoratra amintsika rehetra indray.
Veloma tompoko
Ity ny adiresy e-mail-ko ravak_anta@yahoo.fr |
_________________ Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
|
|
|