Coutiti assolant voaheloka 10 taona an-tranomaizina



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
devedi
Touriste


Inscrit le: 21 Nov 2002
Messages: 13
Localisation: villejuif

MessagePosté le: Mer Jan 22, 2003 14:18    Sujet du message: Coutiti assolant voaheloka 10 taona an-tranomaizina Répondre en citant

LE 22/01/2003 Madagascar Tribune a écrit:




Omaly maraina no notsaraina fanindroany tetsy amin'ny Lapan'ny Fitsarana-Anosy ny kolonely Coutiti Assolant.

"Vono sy ratra niniana natao ary fikotrehana famonoana olona ho faty" no raharaha niampangana azy tamin'izany. Mbola olona iray ihany aloha no mpitory dia Atoa Rakotoarisoa François Xavier. Anisan'ny mpitory miaro azy ny fikambanan'ny olona nihara-boina nandritra ny krizy, izay tarihan'ny Dokotera Manan'Ignace. Samy hita tao amin'ny efitrano fahatelo nanaovana ny fitsarana avokoa na ny mpitory na ny toriana sy ny mpiaro azy ireo avy.

Tamin'ny 9 ora maraina teo ho eo no nanomboka ny fotoam-pitsarana ary tapitra tamin'ny 10 ora sy sasany teo ho eo. Mahaliana ny maro tokoa ny mikasika an'i Coutiti ka tsy nahagaga raha hipoka tanteraka ny efitrano fitsarana omaly maraina.

•• Nitantara ny nihara-boina
Araka ny nambaran'Atoa Rakotoarisoa François Xavier dia ny kolonely Coutiti sy ny miaramila notarihany no namono sy nampijaly azy nandritra ny ora maromaro. Tamin'ny talata 9 avrily 2002 no niseho ny tantara. Tamin'io fotoana io dia voalaza fa notrobarana tamin'ny antsy ny tongony, nokapohana tamin'ny vodi-basy ny lohany sy ny vatany iray manontolo, nofatorana tany anaty alana Mahabibo izy ary avy eo dia notaritaritin'izy ireo tamin'ny lalana sy ny arabe nandra-pahatonga teo amin'ny fiara nitondrana azy.

Mbola tsy azon'izy ireo izay notadiaviny ka izay no tsy namonoan'izy ireo azy ho faty. Voalaza fa fanontaniana napetrak'izy ireo tamin'Atoa Rakotoarisoa ny hoe :"Mpirahavavy ve ny vadin'ialahy sy ny vadin-dRavalomanana; Inona no rohim-pihavanana misy eo amin'ialahy sy Ravalomanana,sns".Tsy afa-po tamin'ny valin-teny ireo miaramila ka nampijalian'izy ireo hatrany Atoa Rakotoarisoa. Voalaza fa noho izy io mpitarika KMMR (Komity manohana an'i Marc Ravalomanana) sy Merina no antony nanenjehana ity lehilahy. Nisy toerana nitondran-dry Coutiti sy ny tariny azy saingy soa ihany fa nisy zandary nahita ka nanampy tamin'ny fanavotana azy.

Nolazain'Atoa Rakotoarisoa moa fa ny kolonely Marius sy ny zandary sasany notarihany no niezaka nanafina azy io tany amin'ny tobin'ny zandary tany Antsiranana satria nanao vava be ry Coutiti sy ny namany fa "tsy maintsy matin'izy ireo ity lehilahy borizano ity" ary tsy maintsy hitan'izy ireo ny toerana hanafenana azy. Mba tafavoaka an'Antsiranana ihany moa ity lehilahy ity ary velona soa aman-tsara. Na izany aza dia mbola mitondra takaitra ny lehilahy vokatry ny vono sy ny fampijaliana natao taminy.

I Coutiti moa rehefa nanontanian'ny mpitsara mikasika izany vono olona izany dia nandà hatramin'ny farany fa tsy mahafantatra akory io lehilahy nitory io . Lehiben'ny mpiambina ny goverinora izy, araka ny nambarany, ary tsy nanome baiko na iza na iza hampamono azy io. Nohamafisin'i Coutiti fa nahazo baiko hafa tany amin'ny lehibeny tany ireo miaramila nanao izany vono olona izany. Ny mpiaro azy ihany koa moa dia nanamafy izany ary nangataka ny hanafahana an'i Coutiti mikasika izany raharaha izany.

•• Tsy afa-po tamin'ny didim-pitsarana ny mpitory
Nisintona kely ny fitsarana nanomboka tamin'ny 10 ora sy sasany ary nivoaka ny didy tamin'ny 11 ora sy sasany teo ho eo, mikasika ny raharaha "vono sy ratra niniana natao ary fikotrehana famonoana olona ho faty". Voaheloka 10 taona an-tranomaizina i Coutiti Assolant, sazy mihatra avy hatrany io. Ankoatr'izay dia voetery mandoa onitra 5 tapitrisa Ia amin'ny mpitory izy.

Tsy afa-po tamin'izany didy navoakan'ny fitsarana izany moa ny mpitory, omaly, raha tafaresaka taminay. Nambarany fa tsy ampy vidim-panafody akory izany 5 tapitrisa Ia izany. Nambaran'ny solontenan'ny fikambanan'ny nihara-boina nandritra ny krizy, izay anisan'ny miaro ity lehilahy lasibatr'i Coutiti sy ny tariny ity ihany koa, fa tsy mifanentana amin'ny sazin'i Coutiti ny onitra 5 tapitrisa Ia. Tsy afaka miasa intsony mantsy Atoa Rakotoarisoa ary mitondra takaitra. 650 tapitrisa Ia moa no onitra nangatahan'ny mpitory ary 5 tapitrisa Ia fotsiny no azon'izy ireo.

Marihina fa dosie miisa 22 ny mikasika an'i Coutiti ka mbola ny roa tamin'ireo ihany no mbola namoahana didim-pitsarana dia ny "fanaovana sy fampiasana kara-panondro sandoka roa " ary ny "vono sy ratra niniana natao ary fikotrehana famonoana olona ho faty". Tamin'ny resaka kara-panondro sandoka moa dia voasazy telo taona an-tranomaizina i Coutiti Assolant.

Araka izany dia mbola hivezivezy matetika ao amin'ny Lapan'ny fitsarana-Anosy i Coutiti mandra-pahavitan'ny fitsarana mikasika ireo dosie 20 hafa.

Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé
Publicité






Posté le: Mer Jan 22, 2003 14:18    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
devedi
Touriste


Inscrit le: 21 Nov 2002
Messages: 13
Localisation: villejuif

MessagePosté le: Mer Jan 22, 2003 14:20    Sujet du message: Répondre en citant

Matvonline a écrit:

*** 10 ans d'emprisonnement ferme et 5 millions d'amendes pour Coutiti. Le jugement est sorti mardi matin. Le lieutenant Colonel étant accusé de coups et blessures avec préméditations sur Rakotoarisoa François Xavier à Diégo. A cette peine s'ajoute 3 ans d'emprisonnement ferme pour faux et usage de fausse carte d'identité Nationale et pour atteinte à la sûreté intérieure de l'État. Ces accusations font partie des 20 Chefs d'inculpations à l'encontre de cet officier qualifié de rebelle.
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
flood Aucune discussion similaire


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII