Communiqué Consul de Madagascar Passeports



 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
madagascar
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 30 Juil 2003
Messages: 284
Localisation: Antananarivo

MessagePosté le: Mer Aoû 04, 2004 13:03    Sujet du message: Communiqué Consul de Madagascar Passeports Répondre en citant


FILAZANA

Tiana ny mampatsiahy antsika teratany malagasy rehetra monina eto Frantsa fa ny fanavaozana pasipaoro dia tokony hatao fara faharatsiny enimbolana mialohan’ny daty fitsaharana voalaza ao anaty pasipaoro. Ny antony dia tsy maintsy halefa any Madagasikara ny fangatahana satria tsy vita eto antoerana izany fanavaozana izany ary dia tsy afaka manalava ny fananankeriny koa ny eto amin’ny Masoivoho.Ankoatr’izany dia ampahafantarina koa isika fa ny fanomezan-dàlana na « laissez-passer » dia tsy azo hatao raha tsy noho ireto antony manaraka ireto :

1° zaza tsy ampy taona ka tsy mbola voasoratra ao anatin’ny pasipaoron-drainy na reniny ; alohan’izay anefa dia tokony ho efa voasoratra ato amin’ny boky fitanana ny sorampiakononana eto amin’ny Masoivoho ilay zaza.

2° ny olona efa nanao fangatahana fanavaozana mbola tsy nivaly nefa voatery mandeha any Madagasikara noho ny antony tsy azo hanoarana, ohatra : fahafatesana, famadihana na koa faharariana.

3° ny olona efa lany ny fahazoan-dàlana mipetraka eto Frantsa ka maniry ny hody ; amin’izay indray dia entiny ny pasipaorony ka hatolony ho takalon’ny laissez-passer.

Ny malagasy mizaka ny zo-pirenena roa, frantsay sy malagasy, ka lany andro ny pasipaoro malagasiny dia tokony hangataka « visa » amin’ny pasipaoro maha frantsay azy ka rehefa tonga any antanindrazana dia manao pasipaoro vaovao. Marihina fa ny fangatahana pasipaoro vaovao ho an’ny teratany malagasy monina eto Frantsa dia tsy maintsy mandalo eto amin’ny Masoivoho.

Mino sy manantena izahay eto amin’ny Masoivohon’ny Repoblika Malagasy fa samy handray ny tandrify azy avy ampitiavana isika mpiray tanindrazana.

Misaotra Tompoko.
_________________
Madagascar only !
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé
Publicité






Posté le: Mer Aoû 04, 2004 13:03    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Réponse rapide:

Nom d'utilisateur: 


 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
Communiqué - Palais des Arts et Traditions de Madagascar écrit le 10/06/2003
Communique : madanight.com / assidu-madagascar.com écrit le 19/06/2003
Ambassade Malgache a Paris / COMMUNIQUE DE PRESSE écrit le 20/06/2003
Communiqué Amba Mad - Elita écrit le 02/03/2004
Communiqué Ambamad écrit le 31/03/2004


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII