Posté le: Mar Avr 03, 2007 9:11 Sujet du message: ANDAHO HIVONDRONA RY MANAMPAHAIZANA MALAGASY...
Andaho hivondrona ry manampahaizana malagasy
- Hiaraha-midinika ny ho avin'ny tanindrazana sy ny sehatra azon'ny tsirairay hametrahana ny anjara birikiny hialana amin'ny findramambola etsy sy eroa izay trosa miandry antsika sy ny taranaka ao aoriana, ary fototrin'ny fahantrana. (iza no tsy mahalala fa ny trosa midika fahantrana)
- Hanomanan'ny tsirairay ihany koa ny fodiany antanindrazana, ho antoky ny fampandrosoana maharaka ny toetrandro, sy hitsinjovana ny ho avin'ny faramandimby. iaraha-mahalala ny harena natioraly hananantsika kanefa ny vahiny no tonga mitsetsitra azy any.
Koa raha mahakasika anao ny voateny dia manorata aty amiko handaminana ny fifandraisana:tany_madagasikara@yahoo.fr
Dia raha mba azonao hatao dia hampahafantaro amin'ny teny fohy ny momba anao sy ny tena mahasarika anao amin'ny hifandraisana.
dia mba hampitapitaho amin'ny manodidina anao anie azafady ny taratasy fa mety hahasoa azy sy ny taranany ihany koa.
Marihina fa tsy misy resaka pôlitika azo ekena eo amin'ny fifandraisana.
Ary efa manana planina mazava aho hanatanterahana izany, no koa efa manao izay azoko hatao
Kanefa hoy ny fahendren'ny ntaolo manao hoe:
Izay mitambatra vato, izay misaraka ......., Ny asa vadidrano, tsy vita raha tsy ......, ary ny hevitrin'ny maro mahataka-........
Mba azonao ho vinaniana ve ny ho fiainan'ireo malagasy iray tanindrazana aminao afaka 10 na 20 na 30 taona ao Madagasikara, ireo izay vao teraka ain'izao taona 2007 izao.
Koa hataoko fa tonga ny fotoana hanambarana ny hery.
Averiko indray fa fototra sady ho herin'ny fikambanana ny tsy hanaovany pôlitika koa miandry anao izahay hitondra ny anjara birikinao.
Misaotra tompoko.
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum