Ambohitsorohitra - Discours du président Ravalomanana



 
Poster un nouveau sujet   Ce sujet est verrouillé; vous ne pouvez pas éditer les messages ou faire de réponses.    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara
Auteur Message
elman
Madanaute expert(e)


Inscrit le: 20 Nov 2002
Messages: 4750
Localisation: madagascar

MessagePosté le: Dim Jan 19, 2003 13:49    Sujet du message: Ambohitsorohitra - Discours du président Ravalomanana Répondre en citant

[Le message à la Nation du Président de la République Marc Ravalomanana à l'occasion de la traditionnelle cérémonie de présentation de vœux des corps constitués de l'État qui s'est tenue le 17/01/2003 au palais d'Ambohitsorohitra]


Tompokolahy sy Tompokovavy,
Raha mahatratra izao Asaramanitra izao isika mianakavy, dia fisaorana an'Andriamanitra no voalohan-teny tsy maintsy atao.
Izy no nanao ny omaly,
Izy no nampisy ny anio,
Ary Izy no tompon'ny ampitso.
Manaraka izany dia atolotra ny arahaba ho anareo rehetra atao tahaka ny molo-bilany, tsy misy avo sy iva fa indray mihodidina ihany.
Isaorana ianareo, naneho teny mamy sy firariantsoa ho anay noho izao taom-baovao izao, ianareo izay nitrotro am-bavaka anay hatrany hatrany.
Ankasitrahana ihany koa ny mbola nanomezanareo toky hanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja, tànana miara-mandray aminay amin'ny asa fanarenana an'i Madagasikara.
Nandalo fitsapàna mivaivay isika vahoaka Malagasy, ary dia nandresy tamin'ny farany satria nino isika ary natoky fa nomba antsika Andriamanitra. Nahay nampanjaka ny fahamarinana sy ny firaisan-kina isika, nahay niaro ary nitandro hatrany ny firaisam-pirenena, ary indrindra indrindra sahy nijoro tamin'ny fahamarinana, ary nanatanteraka izany tamim-pahamasinana.
Maniry izahay raha maniry mba ho salama tsy harofy ianareo, hifanantitra amin'ny taranaka fara mandimby eto anivon'i Madagasikara tena mandroso.
Izany firariantsoa izany dia miantefa aminaro manatrika etoana sy ny ankohonanareo, ho an'ny vahoaka Malagasy tsivakivolo manerana ny Nosy ary ho anareo rehetra izay mielim-patrana eran-tany, ho an'ireo tera-tany vahiny miara-monina amintsika eto Madagasikara, sy ho an'ireo tapaka sy namana any an-dilam-bato.
Tsy atao ankoatra ny tendrombohitra toa takona ny tsirairay avy, fa tolorana ny arahaba hombam-pirariantsoa ny jiaby.

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny havozo no hanitry ny ala, ny rambiazina endriky ny tanety, ny voasary ravaky ny saha, ny akorandriaka haingon'ny morontsiraka fa ny teny ifanomezana, ny kabary ifanakalozana kosa, no haja amam-boninahitry ny lanonan'Asaramanitra toy izao. Firariantsoa vokatry ny fo, ny ahy sy ny an'ny fianakaviako ry Ambanilanitra, ka raiso amim-pitiavana.
Tsy fanadino ny lasa, saingy tsara lavitra ny mibanjina amim-pahasahiana ny hoavy mba hanànana ny tsara amin'ny lafiny rehetra.
Mifono hevi-dalina amiko ny safidinao ry Vahoaka Malagasy tato anatin'ny herintaona mahery kely izao, ary mitaky zavatra amiko ny fijerinao ahy ry vahoaka.
Nomenao adidy aho hitonra ka tsy handraraka ilo mby an-doha, fa dia vonona tanteraka hampahomby ny fanarenana ny Firenena amin'ny lafiny rehetra, ary hampisongadina miaraka aminao ilay fampandrosoana haingana sy maharitra an'i Madagasikara, ka dia hiady amin'ny fahantrana isika.
Tsy kabary fe-kabary ihany anefa no andraisako fitenenana fa misy koa sori-dàlana sy hafatra tiako holazaina.
Miandrandra fandrosoana haingana azo tsapain-tànana ny vahoaka Malagasy. Ataontsika fanamby izany fa :
- hodiovintsika ny tanàna mba haha-te-honina
- hamboarintsika ny làlana sy ny fotodrafitr'asam-pifandraisana samihafa, toy ny làlam-by, ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo, mba hanatsarana ny fifandraisana sy ny fivezivezen'ny olona sy ny fananany
- hohatsaraintsika ny fanabeazana sy ny fampianarana ka ireto ny toro-marika manokana : ampianaro ny ankizy, amporisiho hanovo sy handalim-pahalalana hatrany ny taranaka, fa ny fahaizana amam-pahalalana no lova tsara voalohany indrindra. Miainga eo, ny fanatsaràna ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana, ary tsara fototra ny fampandrosoana rehetra imasoana, rehefa mahay sy maharaka ny fiovàna eran-tany, ny ankizy sy ny tanora ary ny olom-pirenena rehetra
o tsy maintsy arafitra ny fandaharan'asa vaovao mifandraika amin'izay ilain'ny seha-pamokarana samihafa
o hampidirina eny amin'ny ambaratonga fototra ny fampianarana teny vahiny hafa, toy ny teny anglisy
o hojerena manokana ny mpampianatra hiverenan'ny risipon'ny tsirairay, hanatanteraka ny adidy iantsorohany
o homena fitaovam-pampianarana, toy ny boky sy fitaovana hafa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena
o hitondràna fanampiana ireo mpampianatra manana fandavan-tena ho any ambanivohitra lavitra. Ny tanjona dia ny hametrahana ny hasin'ny fanabeazana sy ny fitovian-jon'ny zaza Malagasy rehetra tsy misy an-kanavaka.
Jereo ny tontolo manodidina, dia ho tsapantsika fa mandroso hatrany ny olona nianatra, mivoatra ny fiainan'ny fianakaviana mampiana-janaka, lasa lavitra ny firenena manatsara hatrany ny fampianarana sy ny fanabeazana ao aminy.
Tsy hiroa fo ny Fitondrana eo amin'ny fanabeazana sy ny famporisihana ny asa fikarohana, satria manana adidy ihany koa isika, hitrandraka ny karazan-karena misy eto amintsika. Tsy maintsy hampitaina haingana ny fikarohana vitan'ny Akademia malagasy sy ny ambaratonga ambony eto an-toerana na any ivelany mba hisy fiantraikany mivantana amin'ny lafim-piainan'ny vahoaka sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Tsarovy fa ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara hoy ny Ntaolo, ary ireo zanatsika no ho firenena.
Ianareo olom-boafidy : manana adidy lehibe tokoa ianareo amin'ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy fampandrosoana ny faritra misy anareo tsirairay avy.
Ianareo mpitondra isan-tsokajiny ara-panjakana : toy ny mpiandry omby volavita ianareo, tsy tompony fa mpamerin-doha. Raiso ny andraikitra apetraka aminareo, hanasoavana ny mpiara-belona, hisian'ny fampandrosoana haingana an'i Madagasikara.
Ho anareo mpitsara, sy ny mpitandro ny filaminana, apetraka amin'ny toerana mendrika anareo ianareo, mba hahafahanareo manao ny asanareo am-pahatoniana sy amim-pahamarinana ary ahafahan'ny olom-pirenena manaja tanteraka ny didy aman-dalàna, izay anisan'ny antoky ny fametrahana ny tany tan-dalàna.
Ho anareo Foloalindahy : tompon'andraikitra voalohany amin'ny fiarovana ny tany sy ny fanjakana ianareo, ary tandroka aron'ny vozona hisian'ny fandriampahalemana sy ny filaminana eto Madagasikara.
Ianareo fiangonana sy fikambanana samihafa, tsy afa-miala amin'ny fandraisana andraikitra, amin'ny fampiropboroboana ny mpiara-belona ianareo, amin'ny lafiny maro. Ianareo no Ray aman-dreny manitsy ny tsy mety, ianareo no fototra ihorenan'ny soatoavina Malagasy. Ianareo ihany koa no akaiky inrindra ny vahoaka, amin'ny fitaizana sy fanabeazana amin'ny alalan'ny fiangonana marobe misy eto amin'ny firenentsika. Koa aza misorona, fa vonona tanteraka ny fitondrana izay tarihiko, amin'ny fanatsarana hatrany, ny olom-pirenena, na eo amin'ny lafiny ara-panahy, na eo amin'ny toe-tsaina, na eo amin'ny fombafomba amam-panao.
Tsy hadino ianareo mpiasa tsy an-kanavaka, na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Tontosa antsakany sy andavany ny asa ihantsorohanareo fa felatana-mangaika amin'ny fampandrosoana haingana ianareo.
Ianareo olon-tsotra sy tsy an'asa, mahareta fa tsy manadino anareo ny fitondrana.
Kitro ifaharan'ny fampandrosoana, ary ho toko telo mahamasa-nahandro, ny Fanjakana ny sehatra tsy miankina sy ny "Société civile".
Miasa miaraka no andrasana aminareo rehetra mba hisian'ny vokatra azo tsapain-tànana, fa tsy hifampihalona na hifamingana toy ny lasa intsony.
Ho sehatra mavitrika feno fahasahiana ny sehatra tsy miankina amin'ny fanjakana, ho sehatra mahay mamorona sy mikarokaroka amin'ny lafiny rehetra, na eto an-toerana, na any ivelany ary ho fanoitran'ny fifaninanana eto an-toerana ka tsy hatahotra izay fifaninanana mety hitranga.
Santionan'ny asa efa natomboka ary mbola hitarina sy ho hatsaraina hatrany ny fanamboaran-dàlana, ny fanorenana tobim-pahasalamana. Ary satria ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo, dia hohatsaraintsika ny rafitra ara-pahasalamana.
Hapetrantsika ny rafitra sy ny fepetra hanamoràna ny sehatra tsy miankina ka sady hotsinjovina ny zon'ny mpiasa no arovana ny tombontsoan'ny mpampiasa sy ny orinasa.
Ho famporisihina sy ho fanohanana izany fampandrosoana izany indrindra no nahatonga ahy hampandray fepetra mikasika ny fisamboram-bola amin'ny banky :
- ilay "réserve obligatoire" 18 isan-jato, nampiharin'ny Banky foibe, amin'ny petra-bola any amin'ny Banky tsotra, dia nahena ho 12 isan-jato.
- Ny "taux de base"-ny Banky foibe, dia nampidinina ho 7 isan-jato raha 9 isan-jato teo aloha.
Raha ny vola mitosaka eo amin'ny banky, rehefa mihena io "réserve obligatoire" io, no ampian'ny "fonds de garantie", vao najoro tsy ela, mba ho antoka, ho an'ny banky mampindram-bola, dia antenaiko fa ho fanoitra mahery hampirisika, sy hanamora, ny famatsiana vola ny orinasa mpamokatra izany.
Hofongorintsika ny tsolotra, ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana n'aiza n'aiza misy azy. Tsy hananana antra. Izany tompokolahy sy tompokovavy no fanamby tsy maintsy ataon'ny Malagasy tsirairay avy amin'ny tenany ka ilofosany eo amin'ny toerana izay misy azy ary hifanakohonantsika.
Isika rehetra no miezaka hanatanteraka izany filamatra izany, ka aoka tsy hisy hanao tahaka ny "zaram-pangady sy ny lelany, ka ny sasany mihosom-potaka miady amin-tany" fa ny hafa kosa "mihoso-menaka sady mijoro".
Hotanterahintsika ny asa rehetra ao anatin'ny firaisan-kina sy fifankatiavana tanteraka. Tsy misy malagasy, tsy misy faritra izay ho zanak'Ikala hafa ka ho diso anjara amin'ny fampandrosoana haigana.
Ary, amin'izao andro asaramanitra izao, araka ny fanao sy amin'ny maha Raiamandreny ahy, dia mba hojereko manokana ireo solafaka teo amin'ny fiainana ka niharan'ny lalàna ka hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mirakitra ny fepetra fampihenan-tsazin'izy ireo.

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tsy ho tontosa ny fanamby lehibe izay apetraka raha tsy miova koa ny fomba fifampitondrantsika :
- tsy maintsy misy ny fifampifehezana hentitra mba tsy hanao izay saim-patany ny tsirairay,
- tsy maintsy harindra manaraka ny toetr'andron'ny fahalalahana sy ny fanatontoloana ny fomba fijerintsika sy fiasantsika.
Misy tokoa mantsy ny fenitra sy soatoavina iraisam-pirenena izay arindran'ny Firenena Mikambana, ka tsy maintsy hampifandraisantsika amin'izany ny soatoavintsika mba tsy hiolonolona isika.
Mitodika manokana aminareo tompon'andraikitra ara-panjakana, mpiasa-panjakana aho.
Mitaky fanetre-tena, finiavana sy fahasahiana ny andraikitra sahaninareo.
Mila fomba fitantanana vaovao ny fampandrosoana haingana an'i Madagasikara, ka atsaharo ny fomba fiasa mitarazoka :
- ny antontan-taratasy ilain'ny vahoaka tsy maintsy vitaina ara-dalàna sy haingana,
- ny didim-pitsaràna havoaka anatin'ny fahamarinana sy fotoana fohy,
- ny fitsaboana tsy anaovana andraso andraso...
Alaviro ihany koa ny fomba amam-panao tsy nahomby, ny zarazarao hanjakàna, ny fampiadiana ny samy Malagasy fa izany no misakana ny fahombiazana.
Madagasikara mandroso dia midika hoe :
- Malagasy misakafo sy mitafy araka ny tokony ho izy,
- Malagasy manan-tsano fonenana sahaza ao anatina tontolo maha te honina,
- Malagasy salama
- Malagasy miaina anatin'ny fandriampahalemana ka mianatra, miasa sy mamokatra am-pitoniana.
Izany sy izany irery no tandrovina satria : "masina ny tanindrazana".
Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy.[/b]
_________________
Envie de rencontre d'homme et de femme malgache ?
Passer une annonce gratuite
Revenir en haut de page
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Yahoo Messenger MSN Messenger
Publicité






Posté le: Dim Jan 19, 2003 13:49    Sujet du message: Publicité

Revenir en haut de page
Montrer les messages depuis:    Voir le sujet précédent : Voir le sujet suivant  
Poster un nouveau sujet   Ce sujet est verrouillé; vous ne pouvez pas éditer les messages ou faire de réponses.    Le forum sur Madagascar de Madanight.com : l'actualité malgache malagasy gasy Index du Forum -> Teny malagasy mangarahara Toutes les heures sont au format GMT + 2 Heures
Page 1 sur 1

 
Sauter vers:  
Vous pouvez poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous pouvez répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas voter dans les sondages de ce forum
Discussions similaires
Réservistes Situation Tendue à Ambohitsorohitra écrit le 15/06/2004


Air Madagascar | Billet Madagascar | Immobilier madagascar | Emploi madagascar | Sipagasy : les rencontres malgaches | Envoyer sms internet | Forum Automobile | Vacances Madanight | Recettes de cuisine de l'océan Indien | CD malgache | Livre sur Madagascar | Madagascar Tourisme : l'annuaire touristique malgache
Conception : Aoi Agency, tout simplement SSII