
Publié le 09/05/2007 15:34 par elman
Asandrato
Kristy
....
fitoriana ny Filazantsara
Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoam-panokafana ny fitoriana ny Filazantsara miorina amin'ny hoe "Asandrato Kristy" izay hotanterahina hatramin'ny zoma 11 mey 2007, teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina, teo ambany fitarihan'ny Fiangonana Advantista, ny Filoham-pirenena, Marc Ravalomanana mivady, ny Sabotsy 5 mey 2007.
Ny fitoriana ny filanzatsara dia andry lehibe eo amin'ireo sehatr'asa sahanin'ny Fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito ary ny Filoham-pirenena dia nanaiky hiahy manokana izany hetsika lehibe izany.
Izao hetsika izao dia natao ho antoky ny fampandrosoana maharitra eo amin'ny firenena iray ny lafiny aram-panahy, izay fampanjakana ny fahamarinana.
Izany dia tafiditra indrindra ao anatin'ilay fiaraha-miasan' ny mpitondra fanjakana sy ny fiangonana ho amin'ny fanabeazana ny olom-pirenena
Sehatra maro no iasan'ny Fiangonana Advantista dia ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fampandrosoana, ary ny fitoriana ny filazantsara.
Ny hetsika " Asandrato Kristy " dia fandalinana ireo hafatra voarakitra ao amin'ny tenin'Andriamanitra izay ilain'ny vahoaka malagasy amin'izao vaninandro izao, araka ny fanazavana teny Mahamasina.
Fanompoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana ary ny rakitra azo tamin'izany dia natokana indrindra ho fanampiana sy fanomezan-tanana ireo tra-boina vokatry ny rivo-mahery izay nandalo farany teto amin'ny Nosy.
Raha nandray fitenenana Andriamatoa Filoham-pirenena dia nanambara fa "zava-dehibe amin'ny fiainan'ny kristiana, ny olombelona rehetra, ny miara miombom-bavaka maneho ny fifankatiavana, mizara amin'ny namana ". "Zava-dehibe " ihany koa, hoy izy, raha niarahaba ny Fiangonana Advantista, " ny fahasahiana mijoro ho vavolombelonan'ny finoana.
Mahereza, fa maro ny toerana eto amin'ity nosy malalantsika ity izay mbola azo hanehoana izany " Asandrato Kristy" izany.
Ankoatra izany dia nanamafy ny Filoha Ravalomanana fa " miavaka i Madagasikara satria manana ny soatoavina tsy ananan'ny hafa dia ny Fihavanana ". Nanambara izy fa " mihavana amin'ny fiangonana rehetra isika "
Miavaka amin'ny firenena maro eto ambonin'ny tany i Madagasikara satria ny 80% n'ny zava-maniry sy ny biby misy ao aminy dia tsy hita any amin'ny toeran-kafa. Fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra izany.
Nanampy ny Filoha fa manana ny maha izy azy ity firenena ity ary nanafarany ireo haino aman-jery vahiny mba tsy ho ny lafy ratsin'ny firenena hatrany no haseho any ivelany fa tokony havoitra indrindra ny ezaka fampandrosoana sy ny zava-tsoa misy amin'ny tany an-dalam-pandrosoana .
Tonga nanome voninahitra ny fotoana sy nitondra ny tenin'Andriamanitra ny Pasitora Ratsarasaotra Paul, Filohan'ny Fiangonana Advantista eto amin'ny faritra ny ranomasimbe Indiana sy Atsimon'ny Afrika sady Filoha lefitry ny Fiangonana Advantista maneran-tany, izay naneho ny fisaorany manokana ny Fitondram-panjakana manome fahafahana mampiely ny Filazantsara eto Madagasikara.
Teo koa ny Filohan'ny Antemierandoholona, Rajemison Rakotomaharo sy ny Praiministra, ny Jeneraly Charles Rabemananjara, sy olo-manan-kaja maro. Voir toutes les photos de Asandrato Kristy (160 photos)
elman - Tous droits réservés - Reproduction et diffusion, même partielle, interdits © Madanight.com - Madagascar , Mai 2007
#1 écrit par Invité le 07/06/2007 11:01zao no atao hoe filo miatsaravelatsy ho any zay tsy mahafatatra