Tovo en paroles et en chansons !
Publié le 17/06/2003 23:10 par elman
|
TENY MAMY
Ireo teny mamy nolazaiko
Hanambitamby anao Matokisa Sombinaiko Fa tsy miova
hatram'izao Hatezerako ombieny ombieny Nankararirary fo Aza
raisinao ireny Aoka hivalona avokoa
Fa ianao irery no nilaiko Ianao
ilay nofinidy Mahay mandamindamina ny saiko Diamondra
sarobidy Raha misy ny adalako Olombelona tokoa Aoka re mba
hofafàko Dia ovaiko ho zava-tsoa
Ireo sangisangy izay fanao
Orokoroka fahiny Raha mety re ianao Averiko eto
ankehitriny Ireo bedibedy izay tsy tanty Ka nandreraka ny loha
Tsy ataoko intsony mandra-maty IZao dia izao aho dia hiova
fo

|
|
AVIA FA
Hifampitanana izaho sy
ianao Ho mpinamana tsy hifandao Hiaraka foana isika
hifankatia Hikalo ireo mozika, tsara ery. Lazao ilay namako
any Fa izy hono hoe mbola eo ihany Ho avalontsika hatreo
Ireo rehetra nankaleo
Tongava aty, avia
fa Hiara-hankafy, Tongava fa tsy ho aiza aho Fa hiandry eo foana
aho
|
|

|
|
Ireo sisa tsy nety omaly,
avalomy any Fa ndao hiaraka hifaly, hifety androany Raha ny
antsika roa, ho hafa kokoa Hiara-hikalo, hivazo fehezam-bonikazo
Lazao ‘lay namako any Fa izy hono hoe mbola eto ihany No
avalontsika hatreo Ireo rehetra
nankaleo.
|

|
NDAO MBA
Raha sendra
ka tojo sarotra Tongava fa aza menatra Raha toa ka tsy ampy
tambitamby Avia hisangisangy
Apetraho izay mety ho lonilony
Aza tenenina intsony Ireo tebiteby tsy miala eto an-tany
Ajanony any
Ndao mba hiaraka, tsy hisaraka
Hiara-hikalokalo aminareo Hiara-hivazo, hiangaly feo
Ireo
fendrofendro toa manorisory Aleo any f’aza sainina akory Ireo
maizimaizina tsy mety mazava Ento aty raha tianao
hisava.
Apetraho izay mety ho lonilony
Aza tenenina intsony ‘Reo tebiteby tsy miala eto an-tany
Ajanony any !

|
|
SATRY FOANA
Efa ho ora iray no tafaray
Miara-mikorana feno hafanana Ireo mpankafy mozika sy dihy Toa
tsy mba malaina Satriny aza hitohy ny maraina Ravo ery izay tsy
izy Ireto ankizy milalao Toa variana Toa sondriana Manana
anjara Fa satry foana tsy mba hiala eo Fa satry foana hihaino ilay
feo Fa satry foana tsy mba hiala eo Fa satry foana hihaino ilay
feo Kotaba be ry zareo Tsy mety leo Miara-miangola Miaraka
midola Miondana aty mankary mankatsy Korana tsy rava Raha tsy
tsemboka ny tava Ravo ery izay tsy izy Ireto ankizy milalao
Toa variana Toa sondriana Manana anjara Fa satry foana tsy
mba hiala eo

|


|
MBOLA HAFA
Raha tantaraina izay ela izay Ny
hatanorana nodiavinay Natao daholo izao rehetra izao Hanadinoana
ny fisianao Olon-kafa fa tsy ianao Io no naka an-kery anao Tsy
hasolo anao Mbola hafa ianao Tsy afaka an-doha Mafatifaty
Mambabo fo Mbola hafa ianao Izaho tsy adala Fa sady tiako
no tia ahy koa
Hatreo angamba Hatreo tokoa Ireo adalana
izay teo aloha Na efa maro izay vita izay Ka atsaharo sao fay
Ianao ihany Ianao irery Tsy misy hafa Hafa an-koatra anao
Fa ianao dia ianao Mbola hafa ianao Tsy afaka an-doha
Mafatifaty Mambabo fo Mbola hafa ianao Izaho tsy adala
Fa sady tiako no tia ahy koa

|
j'aimerais avoir la parole chanson de tovo j'hay
titre: tsy misy toa anao
#1 écrit par Invité le 03/02/2007 14:23
TSY MISY TOA ANAO
Indraindray toa mahavariana
Indrindra rehefa tiana
Ny olona iray
Fa toa mitombo tarehy
Tsikitsiky be dia be
Fa sady tiako, tia ahy
Rehefa eny an-dalana eny
Voalaza ombieny ombieny
Fa feno fakam-panahy
Fa ny fitiavana anao
Tsy atakaloko vaovao
Ka aza manahy
Any andro mety lavitra ny maso
Zaho tsy hitodi-doha
Reo mpanenjika sy mpanao ankaso
Tsy hampiova ny fo
Tsy misy toa anao, Tsy misy toa anao
Raha ny fiainana nodiaviko hatramin’izay
F’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
No tiako hiankinan’ny fo
Tsy misy toa anao, Tsy misy toa anao
Izay jerena ekeko tsara avokoa
F’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
Ilay tokan’ny fo
Ilay toerana iray
Efa voatokana ho ahy
Anaty fonao
Fitiavana mafonja
Volamena, Diamondra
Tsy mety mankalao
Midobodoboka ny fo
Miketriketrika ny loha
Rehefa ianao tsy anilako eo
Hivavaka mangina
Ho anao aho ry tiana
Tsy mba ho leo
Any andro mety lavitra ny maso
…………………………………
Tsy misy toa anao, Tsy misy toa anao
………………………………………
#2 écrit par Invité le 05/02/2007 14:09
bye
#3 écrit par Invité le 11/02/2007 11:59
bye
#4 écrit par Invité le 11/02/2007 11:59
j'aimerai avoir la parole de chanson de tovo 'jay fihinitananao
#5 écrit par Invité le 01/11/2007 16:36
Dans la même rubrique :
Concert TOVO J'HAY
LE 17 AVRIL 2004 - Concert suivie d'une soirée DJ's avec entre autres DJ JeeMC, le champion du remix gasy
Tovo J'Hay, Nanie, Soafara et Eric Tahina : un plateau exceptionnel ce Samedi 03 Avril 2004
Suivez le guide 
Un Vendredi Magnifique à Tana en compagnie d'elman ça vous dit ?
Lire la suite...
Inscrite trop longtemps aux abonnés des absents, l’association ‘Kaiamba’ remet son train en marche... Suivez
le guide
5 ans de Tovo J’Hay ::une brillante carrière après une difficile ascension
Lire la suite
Revenir à la rubrique musiqueCliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar