Chila (aza Miango Tiana )


Njakatiana - Ravoravo


Get United 2005 Malagasy Hit By Aina Cook Hents Kiady Anyah

Nom d'utilisateur :

Mot de passe :



Pas encore inscrit ?


Interview du groupe Ambondrona

Publié le 28/02/2005 13:44 par elman

INTERVIEW
.... TARIKA AMBONDRONA


Tarika Ambondrona, tarika fanta-daza ary tsizoviana amin’ny rehetra, tarika miaina ao anatin’ny fifehezana sy fiaraha-miainatsara ao anatin’ny tarika, 6 mirahalahy manana atenantenan- taona 24 no vahinin’ny Madanight

MN : Manao ahona i Kix, ary misaotra anareo tarika Ambondrona nanaiky ho vahinin’ny Madanight. Azonao lazaina ve iza marina ianao ?
Kix : Manao ahoana,ny azoko holazaina angamba dia ny anarako i Eric.

MN : Inona no nahatonga ilay anarana hoe Kix ?
Kix : Tsy izany fa efa fiantsoana ahy tamin’ny mbola kely izy io, azo avy amin’ny anarana hoe Eric ihany. Ny namako moa no tena nametaka ahy io anarana io.

MN : Misy ireo milaza fa maka tahaka ilay mpihira « Scorpion » ianao, azonao lazaina ve ny momba izany ?
Kix : Ny Malagasy efa malaza mapaka tahaka kanefa diso velively izany satria efa feoko ilay izy fony efa ela.

MN : Afiriana no nitsanganan’ny tarika Ambondrona ? Ary maninona no tsy hoe tarika Ampandrana ?
Kix : Tamin’ny taona 2001 no niatombohanay 6 mirahalahy ny tarika. Ny nahatonga ilay hoe « Ambondrona » moa dia misy tantarany izy io, azo avy amin’ny fototeny koa hoe « vondrona ». Na dia manodidina ny Ampandrana aza izahay no mipetraka dia ilay « Ambondrona » no nety taminay.

MN : Ahoana ireo no fahitanareo ireo fampisehoana hatr’izay niatombohan’ny tarika ?
Kix : Mahafa-po sy tsara ary mbola miezaka ny ahatratra bebe kokoa ireo vitanay izahay. Marihana moa fa nanomboka ny taona 2003 izahay vao nitety faritra. Diego sy ny faritr’i SAVA sisa no tsy mbola vita ary hotanterahinay amin’ity taona ity ihany.

MN : Mipetraka amin’ny Beranto indray ny fanontaniana. Tsy mahatezitra na koa misy fahasarotapiaro amin’ny tarika ve ny amin’ny hoe i Kix foana no eo anolohan’ny sehatra ?
Beranto : Tsy hisy tokony ahatezitra izany satria samy manana ny mpankafiany izahay tsirairay. Misy ireo tia an’i Manjàka na i Blanc na izahay rehetra e ! Ary koa izahay anie mifandimby eo anolohan’ny sehatra rehefa misy fampisehoana e ! ary samy manana ireo hira noforoniny

MN : Firy moa ireo Album navaokanareo ary inona avy ireo loha-teniny tsirairay ?
Mihisa telo izy ireo : « Lay tanàna » tamin’ny volana desambra 2002, « Ny Hoavy » tamin’ny desambra 2003, ary « Ho mandrakizay » tamin’ny novambra 2004.

MN : Misy fivoahana any ivelany na koa « tournée » ho ataonareo amin’ny volana ambony ? Azonareo hatsipy kely ve hoe aiza avy izy ireo ?
Beranto : Manomboka ny 04 Mars izahay ao Parisy dia avy eo ny 05 Mars any Marseille, dia avy eo any Toulouse ny 12 Mars ary farany miverina ao Parisy ihany ny 18 Mars. Ny toerana na adiresy hanaovana azy moa dia tsy tadidiko fa ireo no fantatro.

MN : Avy any ianareo dia inona indray no fampisehoana mety ho hataonareo ?
Beranto : Avy any izahay dia manokatra ny « saison » anay izahay amin’ny fanaovana fampisehoana 2 izay karakarai’ny Look DoSol, ny iray ao Antsahamanitra ary ny iray anaty efitrano fampisehoana dia avy eo hamita ny fitetezam-paritra toy ny any Diego sy ny faritrin’ny SAVA.

MN : Eto am-pamaranana dia misaotra anareo ny ekipa Madanight ary mamela anareo hamita ny tafatafa amin’izay hafatra tianareo hampitaina amin’ny mpitsidika tranon-kala Madanight.
Kix : Siora foana e ! milay be ny fiarahana ary ho an’izay ireo any ampitan-dranomasina dia efa hifankahita isika e ! Miezaka foana ny tarika Ambondrona hanao fiarahana milay e !

MAHALEO AU NEW MORNING LE 20 MARS


Kix


Beranto


Blanc

Honty

Manjaka

Mboux


Rija MORIA - Droits de reproduction et de diffusion réservés © MADANIGHT.com., Madagascar, Février 2005




Google
 



 

ary bainina koa ve ao @ tarika Ambondrona sa diso aho ?

#1 écrit par Invité le 03/02/2007 11:35

bainina iza ?

#2 écrit par elman le 03/02/2007 12:28

an an!ts group bainina ka

#3 écrit par Invité le 28/02/2007 15:05

fa groupe iza ary eh!

#4 écrit par Invité le 23/05/2007 15:08

Salut les mecs!

#5 écrit par Invité le 24/05/2007 08:15

tsara be n spectacle AMBONDRONA saint joseph fianarantsoa

#6 écrit par Invité le 10/06/2007 12:41

slt ambondrona!fanamarihina:ary enjana no manjaka le mpitendry clavier vao2 an!ra tsy diso aho de MAHATOZO ny anarany!iny tazomina fa milay!sur daholo e

#7 écrit par Invité le 14/06/2007 15:00

salut daolo nareo an,nena dray aloa d majaka iany no itako oe mlay e sady nony ts ao tsony izy d lasa ts d mis ambiance tsony eo amn scène sad Kix tsy d mihetsiketsika tsony e,hita mints oe malaelo an Manjaka izy,izy roa manko no tena hita oe msamuz refa eo am scène.Manjaka iany nenay e!

#8 écrit par Invité le 30/07/2007 09:38

salut hafatra ho any tarika ambondrona milay ny vazonareo paroles et compositions fa aza adinoina zala ny physique ; prenez bien soin de vs car le physique ça compte an ! zay bisous

#9 écrit par Invité le 22/11/2007 10:26

mba afaka azo ve ny contact any ndra honty fa akama niaraka tao aminy gall e. okay daholo ee

#10 écrit par Invité le 18/02/2008 15:16

miandry ny 5em album ndray o!mlay b le aleo aloha; Sur fon é§

#11 écrit par malala le 02/04/2008 16:09

kuku, mianjy ny album manark o d mlè b fon nareo é d asiv spectacl apré bac an

#12 écrit par holy le 10/05/2008 16:07
Votre nom :

Commentaire:


Dans la même rubrique :

AmbondronA en concert au Palais des Sports
AmbondronA en concert au Palais des Sports
Lire la suite...
Ambondrona, six garçons toujours dans le vent
Ambondrona, six garçons toujours dans le vent Lire la suite
Ambondrona : Hijery anao, un nouvel album en images
Ambondrona : Hijery anao, un nouvel album en images Lire la suite
Interview de Jacques Sylla
Interview de Jacques Sylla
Ndondolah sy tahiry : interview MN
Ndondolah sy tahiry : interview MN
Lire la suite...

Les artistes du "showbiz" ce ne sont pas seulement les "ambondrona", "tovo j'hay" et autres talents reconnus sur la scène nationale, voire même internationale, ce sont aussi les artistes qui s'annoncent fort prometteurs.
Au détour d'un message noyé dans la masse sur les forums malagasy, nous avons donc été invité à écouter une interprétation musicale de cet artiste inconnu du grand public. Et après quelques secondes d'écoute, il n'en a fallut pas plus pour que nous soyons conquis avec comme toujours le désir d'en savoir plus et d'aller à la recontre de cet artiste. Son nom ? Matsubara. Lire l'interview

Dans le cadre de la journée de la promotion des produits artisanaux de Madagascar, nous avons rencontré l'un des étudiants malgaches de cette manifestation Interview
Ambiance de campagne électorale à Antsonjombe
Ambiance de campagne électorale à Antsonjombe Lire la suite
Interview Joy K
Interview Joy K Lire la suite

Revenir à la rubrique musique

Cliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar