|
INTERVIEW
.... TIZY
BONE du Groupe Tragédie
A l'occasion de son passage Madagascar en
Décembre dernier pour les fêtes de fin d'année,
petit entretien (en Malgache s.v.p!) avec Tizy
Bone, du groupe Tragédie. .
MN : Manao ahoana ianao, ary misaotra anao ny Madanight nanaiky ho vahininy.
Teny fampidirana kely ahafantaran’olona anao
?
Tizy Bone : Manao ahoana, ny anarako dia i Rakotomanga Thierry Zo Nirina
teraka tamin’ny 17 Septambra 1980 izany hoe
24 taona ; manambady amina teratany espaniôla
ary manan-janaka iray, i Dalvin.
MN : Inona no nahatonga anao nihira, ary ahoana no nahatonga anao amin’izao
toeranao izao ?
Tizy Bone : Tiako ny mihira, ary tena ankafihiziko mihitsy ny manao izany. Ny
nahatonga ahy tamin’izao toerako izao dia tampoka
ary tena sendrasendra satria ny nahaleako tany
Frantsa dia hanao baolina kanefa vohan’ny tsy
nampoizina aho satria niheren-doza ka tapaka
ny tongotro roa dia voatery tsy nanao izany
aho. Dia indray andro nandeha « metro
» no nifanena tamin’ny Silky Shai , sendra
nihira aho tamin’io fotoana io dia iny izy no
nanaraka ilay hira niraiko. Dia nanomboka teo
izahay no lasa mpianamana ary niara-nihira dia
avy eo namoaka ilay hira « Hey oh ! »
izay tena nampalaza anay. Marihana fa miara-miasa
amina « Zaïrois » sy teratany Frantsay
izahay.
MN : Tsy mba te-hiverina hiverina eto Madagasikara amin’izay ve ianao ?
Tizy Bone : Izany mihitsy no faniriako fa mety amin’ny manaraka angamba satria
te-hanangana zavatra eto aho dia aleo aloha
manangona.
MN : Ahoana no fahitanao ny fivoaran’ny mozika eto Gasikara izao ?
Tizy Bone : Efa fito taona aho no tsy teto kanefa hitako fa efa mivoatra tsara
ny Malagasy amin’ny sehatriny hira, na eo amin’ny
famoronana izany na fampisehoana.
MN : Ahoana no fahitanao ilay fampisehoana nataonareo farany teto ?
Tizy Bone : Nanahirana iny satria ratsy ny teo amin’ny lafin’ny fanamafisam-peo
nandritra ilay fampisehoana. Asa na tsy ampy
na ratsy angamba ny fanomanana sy fandaminana
nataon’ny « Kintana Production » fa soa
ihany fa teo ny mpankafy na dia teo aza izany
rehetra izany dia tsy kivy ; ary marihiko eto
fa ny mpijery Malagasy dia tena mahafinaritra.
MN : Ahoana ny fandehan’ny fandaharam-potoana anareo tarika « Tragédie » amin’ity
taona ity ?
Tizy Bone : Tery dia tery tokoa satria manao fitsidiham-paritra izahay any Frantsa
ary 160 ny isan’ny andro hanaovana fampisehoana.
MN : Misaotra indrindra anao ny Madanight nanome fotoana fohy kanefa sarobidy,
nitafatafana ahazoana bebe kokoa ny momba anao
; ary avelanay enao hamita izany amin’ny hafatra
izay tianao hampitaina amin’ny mpitsidika tranonkala
na amin’ny Malagasy rehetra aza.
Tizy Bone : Manana faharetana, fanantenana, ary aza mikely sorika amin’izay
atao dia ho tafita isika. Ary farany, tratrin’ny
taona 2005 daholo.
Rija
Moria - Droits de reproduction et de diffusion
réservés © MADANIGHT.com., Madagascar, Janvier
2005
|