Ramilison Besigara - Fonksionera Sy Saofera


Vaiavy Chila Misy Raha Tsy Hainao


Ambondrona - Tsy Adala Aho

Nom d'utilisateur :

Mot de passe :



Pas encore inscrit ?


Transfert Orange Flash 728x90

 

L'interview MN de Dondolahy & Tahiry

Publié le 17/01/2005 07:56 par elman

INTERVIEW
.... NDONDOLAHY SY TAHIRY


Ndondolahy sy Tahiry, mpianadahy tsy zoviana amin’ny Malagasy eo amin’ny sehatrin’ny mozika. Ndondolahy, fara-lahy no sady kambana mianadahy ao amin’ny dimy mianadahy ; Tahiry, vavy matoa anin’ny 4 mianadahy no vahinin’ny Madanight

MN : Manao ahoana Ndondolahy sy Tahiry. Fa iza marina moa ianareo ? ary avy azia ilay anarana hoe « Ndondolahy » ?

ND : Ny anarako dia i Raharison Veloary Lala, teraka ny 11 mars 1975 izany hoe 30 taona ary tsy mbola manambady fa mety amin’ity taona angamba. Ilay anarana hoe « Ndondolahy » dia anaran’Ambositra fony izaho mbola kely.

TH : Ny anarako dia i Ramanandraitsiory Tahiry, teraka ny 09 Desambra 1981 izany hoe 23 taona ary tsy mbola manambady koa.

MN : Mba azonareo lazaina ve hoe hoviana no niforona ny tarika Ndondolahy sy Tahiry ary inona no namporisika anareo hira ?
ND : Tamin’ny taona 1998 izahay no nanomboka nihira. Efa tsapanay talohan’izany fa tia mihira izahay satria na mamonjy lanonana izahay na mamonjy fetim-pianakaviana dia miakatra an-tsehatra foana.

MN : Efa namoaka raki-kira ve ianareo ? firy izy ireo ary rahoviana ny manaraka ?
ND : Telo izao ny raki-kira efa navaokanay, ny voalohany « Falifaly », ny faharoa « Izahay roa » ary ny fahatelo « Ambiansy » ary ny faha-efatra hirina hivoaka amin’ity faran’ny taona ity, izany hoe amin’iny volana ôktôbra 2005 iny.

MN : Ahoana no fahitanareo iny taona 2004 iny,  na koa ny efa lasa ?
ND : Ny taona 2003 aloha no taminay no tena nahavita zavatra betsaka no lehibe izahay kanefa tsy lats-danja amin’izany koa ny taona 2004 teo. Marihana moa fa ny isan’ireo fiakarana an-tsehatra nataonay hatramin’izao dia misy efa hatramin’ny 112.

MN : Ary ahoana kosa ny fandaharam-potoana amin’ity taona 2005 ity ?
ND : Maro ireo izay heritreretina hatao amin’ity taona ity fa ny tena efa raikitra aloha dia ny fandehanana any ivelany. Hanao fampisehoana misa 6 eo izahay any Frantsa, ao Parisy izay hanomboka ny 21 martsa hoa avy izao ary aharitra 2 volana izany, mandritra izany moa dia ho hita eo ny fandehany raha ohatra ka mahazo « contrat » hafa ao Frantsa ihany.

MN : Misaotra indrindra anareo ny Madanight nanome fotoana fohy kanefa saro-bidy tokoa, ka eto dia avelanay ianareo roa hamarana ny tafatafa amin’izay hafatra tianareo hampitaina amin’ny mpitsidika ny tranonkalan’ny Madanight.
ND : Manakaiky foana ny mpankafy sy mitady izay mahafam-po ary koa miezaka amin’ny kanto rehetra ny tarika Ndondolahy sy Tahiry, tsy mifidy saranga, na lehibe io na ankizy.

TH : Tia be foana !!! Mirary ny fiarahana amin’ny mpankafy ho mamy be foana. Ny mozika Malagasy ho tody amin’ny avo indrindra.
Rija Moria - Droits de reproduction et de diffusion réservés © MADANIGHT.com., Madagascar, Janvier 2005




Google
 



 

Mahafinaritra ilay fanadihadiana momba an'i Ndondolahy sy Tahiry fa @ teny Malagasy hatramin'ny farany.Ny hirariana dia ho ny hitohizan'ny fampiasana ny teny Malagasy hatrany mba ho azon'ny tsirairay vakiana sy mba mampialavoly ihany koa e!

#1 écrit par Invité le 17/07/2007 23:44

Hello, how are you? What is your name?

#2 écrit par m2h3js1h le 13/06/2008 16:36
Votre nom :

Commentaire:


Dans la même rubrique :

Ndondolah sy tahiry : interview MN
Ndondolah sy tahiry : interview MN
Lire la suite...
Melky :: l'interview MN
Melky :: l'interview MN
Lire la suite...
Ndondolah & Tahiry en tournée en France
Ndondolah & Tahiry en tournée en France Lire la suite
1er Mai Miara-mifety
1er Mai Miara-mifety
Lire la suite...
Antsirabe : l'engouement de toute une ville pour un héros prénommé Tahiry
Antsirabe : l'engouement de toute une ville pour un héros prénommé Tahiry Lire la suite
Ndondolah Tahiry
Ndondolah Tahiry Suivez le guide !
L'interview MN de Tizy Bone Tragédie
L'interview MN de Tizy Bone Tragédie Lire la suite

Ca y est, ils sont la! Ils, ce sont nos candidats malgaches de Questions Pour un champion, arrivés donc en France ce Samedi 10 Mai 2003.Suivez le guide !
Spear o mic : l'interview
Spear o mic : l'interview  Lire la suite

Revenir à la rubrique musique

Cliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar