|
INTERVIEW JOY K
.... Mpanakanto
tsizoviana amin’ny Malagasy, tanora dia tanora
tokoa, ankafizin’ny rehetra no vahinin’ny Madanight
MN : Manao ahoana Joy K, ary misaotra anao nanaiky ho vahinin’ny Madanight,
Afaka milaza ny mombamomba anao ve ianao ho
an’ny mpankafy ?
JK : Manao ahoana, ny anarako dia Ranjalahy Zo, 27 taona, efa manambady fa tsy
mbola manan-janaka.
MN : Manitikitika ny mpankafy anao ilay solon’anarana hoe « Joy K », fa inona
marina no nahatonga an’io solon’anarana io ?
JK : Ilay « Joy » dia avy amin’ny teny anglisy midika hoe finaritra, ary ilay
« K » dia marika fahamboniana.
MN : Ianao toa teo amin’ny sehatrin’ny fampandihizana taloha ary izao nivadika
ho mpihira izao, afaka lazainao ve no nahatonga
izany ?
JK : Mpampadia tokoa aho taloha ary mbola manao izany aho ankehitriny. Efa hatrin’ny
ela aho no te ihira kanefa ny taona 2001 vao
nanomboka niseho sehatra.
MN : Maro ireo mpijery anao no mahatsikaritra fa ohatrany manaraka ny fihetsik’ilay
mpihira amerikana Mickaël Jackson ianao, mba
hazavao kely hoe ny momba an’io ?
JK : Io indrindra no tiako resahina, tsy ny fihetsiny loatra no ataoko fa ny
fomba fihirany izany hoe ny « Music Populaire
» na azo lazaina hoe « Pop » tsotra fotsiny,
fa ny ahy dia ny « Pop Rock » no tena ataoko,
ohatrohatra ilay hira « Tsy mbola niova »
MN : Efa namoaka « Album » ve ianao ary firy ireo isany sy ny loha-teniny avy
?
JK : Efa namoaka « Album » telo sy « Best Of » iray aho nandritra izay nihirako
izay. « Ho iray » tamin’ny taona 2001, « Best
Of : Finoana» tamin’ny 2002 ary « Omeko anao
ry A » ny taona 2003 lasa teo.
MN : Ahoana ny fahitanao iny taona lasa iny ary ahoana ny amin’ity taona 2005
ity ?
JK : Nahafinaritra sady tsara iny taona lasa iny, fa amin’ity taona 2005 ity
dia hiezaka ny hanao ny tsara sy bebe kokoa
hatrany, toy ny famoahana album vaovao sy fanaovana
seho goavana.
MN : Misaotra anao ny Madanight nanaiky nanome fotoana fohy iresadresahana mba
ahafantarana bebe kokoa ny momba anao, ary avelanay
enao amita izany amin’ny hafatra fohifohy tianao
hampitaina amin’ny mpitsidika ny tranonkala
Madanight.
JK : Ny hafatro dia : « Tongava amin’ny tanjona niriana ary mahazoa izay iriana
» ary farany tratrin’ny taona 2005 daholo. Contact
fan’s club : 033 11 637 06 032 02 642 91
Rija
Moria - Droits de reproduction et de diffusion
réservés © MADANIGHT.com., Madagascar, Janvier
2005
|