Velo Mitorogno Din Rotsaka


D.i.p 2006 Malagasy Hit By Aina Cook Hents Marion Melky


Ambondrona - Ajanony

Nom d'utilisateur :

Mot de passe :



Pas encore inscrit ?


Interview Ny Eja

Publié le 02/11/2004 12:04 par elman

Ny Eja
.... mpanoratra sady mpamoron-kiran’ireo mpanakanto fanta-daza eto Madagasikara. Renim-pianakaviana ary manan-janaka telo no vahinin’ny Madanight.

MN : Manao ahoana ianao, ary misaotra anao nanaiky ho vahinin’ny Madanight. Afaka mba mampafantatra ny mombamomba anao ve ianao ho an’ny mpitsidika tranon-kala ?
NE : Manao ahoana, ny anarako moa dia i Solonomenjanahary Eugénie ary ny solon’anarako dia Ny Eja. Ny nahatonga ahy nisafidy io solon’anarana io moa dia ny teny hoe « Eja » dia midika anjara, bika, haingo ary hatsarana. Izao moa dia tia ny natiora raha teo.

MN : Asa fivelomana ve ny fanoratana aminao sa ahoana ?
NE : Ny fanoratana amiko dia fialaham-boly fa mety any aoriana any angamba aho vao mieritreritra ny hanao fampidiram-bola amin’ny asa-soratra. Fa izao moa aho mbola eo amin’ny fikarakarana ny boky nosoratako izay mitondra ny loha-teny hoe « Ny Kanto » hivoaka amin’ny volana Desambra ho avy izao.

MN : Ianao moa miara-miasa amina mpanakanto, ary ireo tonon-kira noforoninao vetivety dia malaza. Avy aiza ireo aingam-panahinao ?
NE : Eny tokoa, miara-miasa amina mpanakanto maromaro aho toy i Tovo J’Hay izay izaho no nanoratra ny tonon-kirany : « Teny mamy », « Nofy lalina », « Aza avela » ary tamin’i Bodo : « Fenonao », « Tsarony », tamin’i Joy K : « Omeko anao ry A », « Eny » ary farany izay hivoaka atsy ho atsy an’ i Nanie izay hitondra ny lohateny hoe « Satria tiako ianao ». Ny aingam-panahiko moa dia tonga ho azy eny, miankina amin’ny fihetseham-poko, sy ny zavatra hitako manodidina ahy. Fa izay soratako rehetra dia mitondra fahasitranana amin’ny mpamaky sy ireo mpihaino.

MN : Ahoana no fahitanao ireo zatovo mpihira sy mpamoron-kira amin’izao fotoana izao ?
NE : Samy manana ny azy aloha e ! Fa ny sasany tsy tokony hanao kitotoha izany hoe miteniteny foana fa tokony hisy ny mahakanto azy fa tsy ampahany fotsiny.

MN : Eto am-pamaranana dia inona no tena fanirianao amin’ny asa-soratrao ?
NE : Ny tena tiako sy ny faniriko dia ny hisy mpandika amin’ny teny vahiny hafa ny asa-soratro, marihako anefa fa ny asa-soratro rehetra dia efa eo ambanin’ny fiarova’ny Omda ka hiangaviana izay te-hanao izany mba angataka alàlana amiko.

MN : Misaotra indrindra anao ny Madanight
NE : Tsy misy fiasorana, amin’ny manaraka indray.

www.nyeja.news.fr



Rivo Moira pour Madanight - Droits de reproduction et de diffusion réservés © MADANIGHT.com., Madagascar, Novembre 2004




Google
 



 

Votre nom :

Commentaire:


Dans la même rubrique :

Interview de Jacques Sylla
Interview de Jacques Sylla
Interview Joy K
Interview Joy K Lire la suite
jo andrianarisolo
Interview Jo Andrianarisolo Suivez le guide !
Ndondolah sy tahiry : interview MN
Ndondolah sy tahiry : interview MN
Lire la suite...
Michael Vida : l'interview MN
Michael Vida : l'interview MN
Lire la suite...

Dans le cadre de la journée de la promotion des produits artisanaux de Madagascar, nous avons rencontré l'un des étudiants malgaches de cette manifestation Interview
Melky :: l'interview MN
Melky :: l'interview MN
Lire la suite...

Dans le cadre de la journée de la promotion des produits artisanaux de Madagascar, nous avons rencontré l'AIFM, promoteur de cette manifestation Interview
Interview Anyah
Interview Anyah Suivez le guide !

Revenir à la rubrique musique

Cliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar