aina quach
Concert Aïna Quach le 14 Juin

Samy Mafoaka (jerry Marcoss Et Mima)


Kiaka Atolotro Anao


Jerry Marcoss - Haut Les Mains

Nom d'utilisateur :

Mot de passe :



Pas encore inscrit ?


Le Réveillon RSM 2006 à Washington DC

Publié le 11/01/2007 15:48 par elman

Réveillon RSM 2006
.... la Fiesta à Washington DC !


Fahombiazana tanteraka ny azo ilazana ny Reveillon nokarakarain'ny RSM Washington DC (Rencontres Sportives Malagasy - Washington DC), izao natao tao amin’ny “ The Anastasi Room” tao Bethesda, Maryland, nanomboka tamin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 2 ora maraina, mba ho fidiram-bola hanomanana ny RSM 2007 izay atao eto Washington DC ny volana Jolay 2007 ary fahafinaretana feno tokoa no azon’ireo rehetra izay tonga nanatrika izany lanonana izany.

Maro dia maro ny Malagasy tonga nanatrika izany lanonana famaranana ny taona 2006 izany. Nahitana ny tera-tany Malagasy miely eto Amerika Avaratra, hatrany Canada, California, New york, New Jersey,Cleveland, Ohio, Pennsylvania, Minneapolis, Connecticut, Delaware, Maryland, Washington DC ka hatrany Floride.

Tao amin’izy ireo ny mpianatra, tera-tany Malagasy mandrato fianarana amin’ny Oniversite aty Amerika Avaratra ka mba te hahita fety gasy sy hiaina ny ambiance tena Malagasy ary tsy ambanin'izany koa ireo vahiny naman'i Madagascar, izay tonga maro be tokoa. Tanteraka ilay fitenenana hoe zaza vao amam-bolana ka hatramin'ireo antitra indrindra (70 taona mahery) ny tonga tao.

Tena feno hipoka ny trano, ary faly sy afa-po daholo na ny mpanasa na ny nasaina. Ny resaka sakafo aloha dia tena buffet typiquement Malagasy toy ny Ravitoto sy Hena-kisoa, Voanjobory sy henankisoa, Poulet au Coco, Vorontsiloza sy henankisoa, henomby ritra, trondro, sy ireo sakafo maro be tsy lany laniana.

Ny lanonana moa dia natao teo ambany fahefan’Andriamatoa Masoivohon’ny Madagasikara Narisoa Rajaonarivony sy Ramatoa vadiny, ary izy no nanao ny kabary fanokafana ny lanonana, ary tonga dia narahin'ny afindrafindrao sy ireo karazana dihy samihafa toy ny salegy, kawitry, kilalaka, ny valala manjohy, ny dihy milamina ary tsy adinon'ny DJ RSM ny nanome fahafaham-po ho an'ireo zokiolona sy Ray aman-dreny maro tonga tao tamin'ny valse sy ny madison, tango, cha cha cha sns.

Naharitra adin’ny enina ny lanonana ary samy nahazo ny tandrify azy daholo na ny ankizy madinika, na ny tanora, na ny antitra.

Tamin'ny 11:30 dia nozaraina ny cotillon ary tamin’ny 11:50 no nozaraina ny champagne isaky ny latabatra. Tamin'ny 12:00 no nanapoaka ny champagne ny solon-tena isan-databatra, ary narahin’ny hira “raha hifandao” izany mba ho fanaovam-beloma ny taona 2006.

Nony vita kosa ny “toast” izay notarihin’Andriamatoa Masoivohon’ny Madagasikara, sy ny fifampiarahabana nataon’ny be sy ny maro, dia niara-nandihy sy niara-paly indray ireto Malagasy sy ireo tera-tany vahiny naman’i Madagasikara, niarahaba ny taona ny vaovao 2007 tamin’ilay hiran’i Tiana hoe: “Arahabaina e!” sy ilay hiran’I Jerry Marcoss hoe: “Fety be” .

Nisy ny fisarihana izay nahazoana loka maro be toy ny taozavatra vita Malagasy samihafa sy ny La Biere “THB”. Faly daholo ny rehetra ary hita sy tsapa fa tena nalaina ny hisaraka daholo saingy “misy farany daholo moa ny zava-drehetra”. Kanefa kosa, mialohan’ny famaranana ny lanonana dia mbola nihinana vary amin'anana mafana ny mpanatrika rehetra.

Faly ireo mpikarakara ny lanonana sy ny ekipan'ny RSM Washington DC amin'ny fifankatiavana sy ny fifanotronan'ireo Malagasy aty Amerika Avaratra satria tena betsaka ny Malagasy manerana an'i Etazonia sy Canada no tonga tao. Ary ny irariana dia mbola hitohy hatrany izany fifankatiavan'ny Malagasy aty Amerika Avaratra izany amin'ny fifaninana RSM 2007 (Rencontre Sportive Malagasy Amerika Avaratra) izay atao eto Washington DC ny volana Jolay ho avy izao.


[NDLR : Remerciements à Masombahiny.com pour le reportage]


Lanto Rakotonandrasana - Masombahiny.com - Tous droits réservés - Reproduction et diffusion, même partielle, interdits © Madanight.com - Madagascar , Janvier 2007




Google
 



 

Eh, El Man !
On aimerait que Madanight parle beaucoup plus des autres évènements à Madagascar comme la Révision de la Constitution par exemple.
ce n'est pas une critique puisque Madanight est vraiment bien conçu.
A plus
Un ami

#1 écrit par Invité le 15/02/2007 10:18

Il y a d'autres sites qui le font déjà très bien : l'express de madagascar, le quotidien, les nouvelles, etc.

On préfère mettre l'accent sur l'aspect festif des choses.

#2 écrit par elman le 15/02/2007 12:00

im hungry

#3 écrit par Invité le 03/05/2007 05:49
Votre nom :

Commentaire:


Dans la même rubrique :

Le réveillon Last Nite avec la RDJ
Le réveillon Last Nite avec la RDJ
Lire la suite...
Le reveillon 2004 au Krypton Ambohimalaza
Le reveillon 2004 au Krypton Ambohimalaza Lire la suite
Le « réveillon officiel » au Hilton Madagascar
Le « réveillon officiel » au Hilton Madagascar Lire la suite
Le reveillon avec Anyah
Photos du Reveillon 2004 avec Anyah - St Germain Les Corbeils Lire la suite
Reveillon 2003 avec le FJKM Wagner
Reveillon 2003 avec le FJKM Wagner Suivez le guide !

Fête de l'Indépendance - 26 Juin 2004 - Ambamad Washington DC Voir le reportage
Le réveillon Last Nite avec la RDJ
Le réveillon Last Nite avec la RDJ
Lire la suite...

Réveillon 2007 à Montréal
Lire la suite...
Le 26 Juin 2006 à Washington DC
Le 26 Juin 2006 à Washington DC Lire la suite

Revenir à la rubrique evenement

Cliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar