Dihy Gasy


Hatramin'izao - Ambondrona


Wawa - Tsra Raha Mazava

Nom d'utilisateur :

Mot de passe :



Pas encore inscrit ?



 

Rencontre Sportive Malagasy 2007 - Amerika Avaratra

Publié le 08/07/2007 20:35 par elman

Rencontre Sportive Malagasy - Amerika Avaratra ( Canada - Etazonia )
....  Sabotsy 30 Jiona 2007 - Alahady 1 Jolay 2007


  

Tontosa soa aman-tsara ny faran'ny herinandro teo ny Rencontre Sportive Malagasy - Amerika Avaratra ( Canada - Etazonia) izay noraisin'ny RSM Washington DC.

  

Malagasy maro be manerana an'i Amerika Avaratra no tonga nanatrika izany fifaninana izany, ary anisan'izany Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia sy ny vadiny, Ny Masoivoihon'ny Madagasikara ao amin'ny firenena Mikambana: Atoa Zina Randrianarivelo Razafy sy ny vadiny, ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any Canada, ny filohan'ny komitin'ny RSM Washington DC sy ireo maro tsy voatanisa.

  

Ny Asabotsy 30 Jiona 2007 tamin'ny 9 ora maraina no natao ny fanokafana ny lalao RSM 2007. Ramatoa Eulalie Ravelosoa Mpiandraiki-draharaha ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia no nanokatra ny fitenenana, narahin'ny Dihy Mirindra izay nataon'ny ankizy Malagasy sy vehivavy vitsivitsy avy ao Washington D.C.

  

Rehefa vita izany dia nanomboka ny filaharana nataon'ireo mpandray anjara rehetra: Washington DC, Tri-State New York izay nahitana mpilalao avy any New york, New Jersey,Connectcut) Canada, Out of States izay nahitana an'ireo mpilalao avy any Minneapolis, Ottawa, Toronto, St Tom.

  

Tao aorian'izay no nohiraina ny hiram-pirenenana Malagasy. Ary nambara ofisialy fa misokatra ofisialy ny RSM 2007.

  

Ny taranja Basket Ball ho an'ny lehibe sy Baolina Kitra kitra ho an'ny ankizy sy lehibe no natao ny Asabotsy 30 Jiona 2007. Ary ny taranja Volley Ball sy ny lalao famaranana Basket Ball no natao ny Alahady 1 Jolay 2007. Ny Voka-dalao rehetra dia mbola hivoaka amin'ny tranon-kalan'ny RSM Washington DC: http://www.masombahiny.com/RSMDC2007.html

  

Ny Alahady hariva nanomboka tamin'ny 4:30 dia nisy ny fiaraha-misakafo izay nomanin'ny Komity mpikarakara ny RSM Washington D.C. sy ny mpikambana rehetra ao amin'ny RSM Washington D.C.Olona marobe tokoa no tonga tamin'izany, satria nahatratra 520 ireo Malagasy tonga nanatrika izany.

  

Natao tamin'izany ny fizarana ny amboara ary avy eo dia nodidiana ny "Mofomamim-pihavanana" mba ho mariky ny fifankatiavan'ny Malagasy aty Amerika Avaratra.

  

Taorian'izany dia dia nisy ny kabary samihafa, ny fanomezana fitenenana ny RSM Canada izay handray ny RSM 2008. Ary nofaranana tamin'ny fandihizana izay niarahan'ireo Malagasy aty Amerika avaratra nikorana. Ny masoandro maty no nampalahelo fa satrin'ireo Malagasy foana hikorana.

  

Marihina manokana fa ny nanao ny Logo RSM 2007- Washington DC dia Jonathan Andriantsivahiny - Ny sary rehetra ( 520 photos ) RMS 2007


Lanto RAKOTONANDRASANA - Tous droits réservés - Reproduction et diffusion, même partielle, interdits Masombahiny.com © Madanight.com - Madagascar , Juillet 2007




Google
 



 

Genial ! Impeccable ! Fantastic mahafatifaty daholo nareo rehatra! tena ambiance b mihintsy zany tany izany an!

#1 écrit par Invité le 09/07/2007 15:04

tena tsara loatra ilay sary eh toizo foana

#2 écrit par Invité le 10/07/2007 01:14
Votre nom :

Commentaire:


Dans la même rubrique :

 Rencontre Sportive Malagasy 2007 en Amerique du Nord - VF
Rencontre Sportive Malagasy 2007 en Amerique du Nord - VF
Lire la suite...
Le Réveillon RSM 2006 à Washington DC
Le Réveillon RSM 2006 à Washington DC  Lire la suite
4ème Open de Danse Sportive à Madagascar
4ème Open de Danse Sportive à Madagascar
Lire la suite...

RSM 2004 izay nahitana lalao Baolina kitra natao tao amin'ny Julius Middle School ao Rockville, Maryland izay nifanandrinan'ny Washington DC sy Canada ary ny taranja Basket Ball izay natao tao ny tao @ Activity Center at Bohrer Park ao Gaithersburg Maryland izay nifanandrinan'ny ekipa avy ao Washington DC (Ekipa Bandy Gasy, Ekipa Mahitsy) sy New York (Ekipa I love New York , Ekipa New Jersey New York) ary ny mpilalao avy any Canada) Voir les photos
3ème Open de danse sportive à Madagascar
3ème Open de danse sportive à Madagascar  Lire la suite
Danse sportive à Mada : une offensive de charme par l’APDSM
Danse sportive à Mada : une offensive de charme par l’APDSM Lire la suite

Madagascar à l'honneur une fois de plus grâce à l'excellente manifestation culturelle organisée par les étudiants de l'Institut Universitaire de Technologie de Senart Fontainebleau. Cap sur Lieusaint le temps d'une après-midi avec au menu dégustation de produits gasy, artisanat et séance cinéma ! Suivez le guide
Danse sportive : les jeunes malgaches apprennent vite
Danse sportive : les jeunes malgaches apprennent vite Lire la suite
IEF ACEEM : fraternité, discipline, avenir
IEF ACEEM : fraternité, discipline, avenir
Lire la suite...

Revenir à la rubrique evenement

Cliquez ici pour contacter la rédaction Madanight à Madagascar