|
Interview Jo Andrianarisolo
....
Mpanoratra tsy dia fantatr’olona tsara i Jo Andrianarisolo kanefa ny tononkalo soratany dia tena mampihetsi-po. Sarotiny amin’ny fanajàna ny fomba Malagasy sy ny teny Malagasy tokoa izy ary nanaiky ho vahinin’ny Madanight.
MN : Manao ahoana ianao, afaka milaza ny mombamomba anao ve ianao ?
Jo : Manao ahoana, ny anarako moa dia i Jo Andrianarisolo, mpanoratra aho ary manan-janaka roa mianadahy.
MN : Azonao lazaina ve ny nietombohanao nanoratra ?
Jo : Fony izaho mbola 8 taona no nanomboka namorina tononkalo kanefa mbola kely aho dia tsy navelan’ny ray aman-dreniko nanao izany. Ary nony 15 taona aho vao navela nanoratra indray.
MN : Karazana tononkalo ahoana no tena ataonao ?
Jo : Maro, tsy dia misafidy loatra aho fa izay hitako manodidina ahy ka mampihetsi_po ahy dia ataoko. Toy ny fiainana andavan’andro sy ny fitiavana.
MN : Inona no tena antodian’ny nanoratanao, misy zavatra tianao ampitaina ve ?
Jo : Izay dia izay tokoa, ny tiako hampitaina amin’ny asa-soratro dia ny fanandratana sy ny fiarovana ny teny Malagasy satria hita taratra fa mahavelom-bolo ny mahita ny zatovo Malagasy ankehitriny, mihen-danja ny tenin-jatovo ka izany indrindra no tokony hiezahan’ny mpanoratra hanandrata ny teny Malagasy.
MN : Noho izany, misy hafatra ve tianao ambara ho an’ny zatovo na ny Malagasy tsy vaky volo aza ?
Jo : Ny hafatro moa dia tsotra, harovy ny teny Malagasy, manajà ary asondroty izany, ary farany amboary ny saina tsy tsy manadino ny teny Malagasy na dia eo aza ny fanatontoloina.
MN : Misaotra anao ny Madanight ary manantena ny ihaona indray.
Jo : Ianareo no hisaorana satria tokony ampitaina any am-pita izany hafatra izany. Ary farany ho anareo dia ito misy ohabolana iray mba hamihiratra tsara ny sain’ny Ankizy amin’ny anjara-asan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Rivo Moira pour Madanight - Droits de
reproduction et
de
diffusion réservés © MADANIGHT.com., Madagascar,
Novembre 2004
|